< Malaquías 1 >
1 Profecía de la Palabra de Yavé contra Israel, por medio de Malaquías.
Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah nampitondrainy an’ i Malakia ho amin’ ny Isiraely.
2 Los amé, dice Yavé. Pero ustedes dicen: ¿En qué nos amaste? ¿No es Esaú hermano de Jacob? Yavé dice: Pero amé a Jacob
Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin’ i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
3 y a Esaú aborrecí. Entregué sus montañas a la desolación y di su heredad a los chacales del campo despoblado.
fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an’ ny amboadia any an-efitra.
4 Aunque Edom diga: Fuimos arruinados, pero edificaremos las ruinas. Yavé de las huestes dice: Ellos edificarán y Yo destruiré. Los llamarán el territorio perverso y el pueblo contra el cual Yavé está airado para siempre.
Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin’ ny faharatsiana, dia firenena tezeran’ i Jehovah mandrakizay, ireo.
5 Los ojos de ustedes lo verán y dirán: ¡Grande es Yavé más allá de la frontera de Israel!
Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin’ ny Isiraely.
6 El hijo honra al padre, y el esclavo a su amo. Entonces si Yo soy Padre, ¿dónde está mi honra? Y si soy Amo, ¿dónde está la reverencia hacia Mí? Oh sacerdotes que desprecian mi Nombre y dicen: ¿En qué despreciamos tu Nombre?
Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: Amin’ inona no anamavoanay ny anaranao?
7 En que ofrecen sobre mi altar pan contaminado. Pero ustedes dicen: ¿En qué lo contaminamos? Al considerar despreciable la mesa de Yavé.
Amin’ ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin’ inona no andotoanay Anao? Amin’ ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’ i Jehovah dia fanazimbazimba.
8 Pues cuando ofrecen animal ciego para el sacrificio, ¿no está mal? Y cuando ofrecen lo cojo o lo enfermo, ¿no está mal? Preséntalo a tu jefe, dice Yavé de las huestes. ¿Se agradará de ti? ¿O lo recibirá amablemente?
Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an’ ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon’ ny maro.
9 Ahora pues, imploren el favor de ʼEL para que tenga compasión de nosotros, dice Yavé de las huestes. De sus manos viene esto. ¿Le serán aceptos?
Koa masìna ianareo, andeha mifona amin’ Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
10 ¡Oh que esté entre ustedes uno que cierre las puertas para que no enciendan fuego vano en mi altar! No tengo complacencia en ustedes, dice Yavé de las huestes, ni acepto ofrenda de sus manos.
Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
11 Porque desde donde sale el sol hasta donde se oculta, mi Nombre es grande entre las naciones, dice Yavé de las huestes, y en todo lugar se ofrece a mi Nombre incienso y ofrenda pura.
Fa hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ ny jentilisa, ary any amin’ ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an’ ny anarako; fa lehibe any amin’ ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
12 Ustedes lo profanan cuando dicen que la mesa de Yavé es impura, y su alimento, despreciable.
Fa ianareo kosa manamavo izany amin’ ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’ i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona.
13 Además dicen: ¡Qué fastidioso es esto! Y con desdeño inhalan, dice Yavé de las huestes. Me traen lo robado, lo cojo y lo enfermo para presentar la ofrenda. ¿Debo aceptar esto de su mano?
Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.
14 ¡Maldito sea el engañador, que aunque tiene macho robusto en su rebaño, promete y sacrifica a Yavé lo dañado! Porque Yo soy gran Rey, dice Yavé de las huestes, y mi Nombre es temible entre las naciones.
Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin’ ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ ny jentilisa.