< Deuteronomio 26 >

1 Cuando entres en la tierra que Yavé tu ʼElohim te da como heredad, la tomes en posesión y vivas en ella,
Ary rehefa tonga ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao,
2 tomarás las primicias de todos los frutos que coseches en la tierra que Yavé tu ʼElohim te da, las pondrás en una cesta, e irás al lugar que Yavé tu ʼElohim escoja para que more allí su Nombre.
dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ ny tany, izay alainao avy amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;
3 Te presentarás al sacerdote que ministre en aquellos días, y le dirás: Hoy reconozco ante Yavé tu ʼElohim, que entré en la tierra que Yavé juró a nuestros antepasados que nos daría.
dia mankanesa amin’ ny mpisorona amin izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razantsika homeny antsika.
4 El sacerdote tomará la cesta de tu mano y la mecerá delante del altar de Yavé tu ʼElohim.
Dia horaisin’ ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao.
5 Entonces hablarás en presencia de Yavé tu ʼElohim: Un arameo errante fue mi antepasado, el cual con muy pocos hombres bajó a Egipto para vivir allí temporalmente, y allí llegó a ser un pueblo grande, fuerte y numeroso.
Dia hiteny eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin’ ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
6 Pero los egipcios nos maltrataron, afligieron e impusieron sobre nosotros una dura esclavitud.
Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy.
7 Entonces clamamos a Yavé, ʼElohim de nuestros antepasados, y Yavé oyó nuestra voz y vio nuestra aflicción, nuestro trabajo forzado y la opresión a la cual estábamos sometidos.
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika;
8 Yavé nos sacó de Egipto con mano fuerte y brazo extendido, con gran terror, señales y milagros,
ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta,
9 y nos trajo a este lugar y nos dio esta tierra que fluye leche y miel.
dia nitondra antsika niditra teto amin’ ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
10 Ahora, oh Yavé, aquí traigo las primicias del fruto de la tierra que me diste. Las pondrás delante de Yavé tu ʼElohim, y te postrarás delante de Yavé tu ʼElohim.
Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
11 Te regocijarás con todo el bien que Yavé tu ʼElohim te dio, a ti y a tu familia, así como al levita, y al extranjero que está en medio de ti.
Ary mifalia amin’ ny soa rehetra izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin’ ny vahiny eo aminao.
12 En el tercer año, el año del diezmo, cuando acabes de diezmar el total de tu cosecha, lo darás al levita, al extranjero, al huérfano y a la viuda para que coman en las puertas de tus ciudades y se sacien.
Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ ny vokatrao amin’ ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy,
13 Y dirás en presencia de Yavé tu ʼElohim: Aparté de mi casa lo consagrado, y también lo dí al levita, al extranjero, al huérfano y a la viuda, según todos los Mandamientos que me ordenaste. No transgredí ni olvidé tus Mandamientos.
ary dia lazao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masìna tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànao rehetra izay nandidianao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
14 No comí de ello cuando estuve de luto, ni lo tomé cuando estaba impuro, ni de ello ofrecí a los muertos. Obedecí la voz de Yavé mi ʼElohim. Hice según todo lo que me mandaste.
Tsy nisy nohaniko teo amin’ ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin’ ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
15 Contempla desde tu santa morada, desde los cielos, y bendice a tu pueblo Israel y la tierra que nos diste, como juraste a nuestros antepasados, tierra que fluye leche y miel.
Tsinjovy ao amin’ ny fonenanao masìna any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
16 Yavé tu ʼElohim te manda hoy que cumplas estos Estatutos y Ordenanzas. Por tanto, tendrás el cuidado de practicarlos con todo tu corazón y toda tu alma.
Anio no andidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
17 Hoy declaraste solemnemente que Yavé es tu ʼElohim, que andarás en sus caminos, guardarás sus Estatutos, Mandamientos y Ordenanzas, y escucharás su voz.
Efa nampiteny an’ i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.
18 Hoy Yavé declaró que eres pueblo de su exclusiva posesión, como te prometió, para que guardes todos sus Mandamientos,
Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
19 a fin de que Él te eleve por encima de todas las naciones que hizo, para alabanza, fama y gloria, y con el propósito de que seas un pueblo santo para Yavé tu ʼElohim, como Él habló.
sy hanandratany anao ho ambonin’ ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.

< Deuteronomio 26 >