< 1 Samuel 3 >

1 El joven Samuel ministraba a Yavé en presencia de Elí. En aquellos días la Palabra de Yavé era escasa y las visiones no frecuentes.
Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin’ i Jehovah teo anatrehan’ i Ely. Ary tamin’ izany andro izany efa nahàlana ny tenin’ i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
2 Por ese tiempo aconteció que mientras Elí estaba acostado en su aposento, cuando sus ojos comenzaban a oscurecerse de modo que no podía ver,
Ary tamin’ izany andro izany, raha nandry tao amin’ ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),
3 antes que se apagara la lámpara de ʼElohim, y mientras Samuel estaba acostado en el Tabernáculo de Yavé, en el lugar donde estaba el Arca de ʼElohim,
sady tsy mbola maty ny jiron’ Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, izay nisy ny fiaran’ Andriamanitra,
4 Yavé llamó a Samuel. Él respondió: Aquí estoy.
dia niantso an’ i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
5 Enseguida corrió hacia Elí y dijo: Aquí estoy. ¿Para qué me llamaste? Y Elí le contestó: Yo no te llamé. Vuelve y acuéstate. Y él volvió y se acostó.
Dia nihazakazaka nankeo amin’ i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
6 Yavé volvió a llamar a Samuel. Samuel se levantó, fue a Elí y dijo: Aquí estoy, ¿para qué me llamaste? Y él respondió: Yo no te llamé, hijo mío. Vuelve y acuéstate.
Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany.
7 Samuel no conocía aún a Yavé, ni la Palabra de Yavé le había sido aún revelada.
Ary Samoela tsy mbola nahalala an’ i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin’ i Jehovah izy.
8 Yavé llamó a Samuel por tercera vez. Y él se levantó, fue a Elí y dijo: Aquí estoy, porque me llamaste. Entonces Elí entendió que Yavé llamaba al joven.
Ary Jehovah niantso an’ i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin’ i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr’ i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.
9 Elí dijo a Samuel: Vé y acuéstate. Si te llama, dirás: Habla Yavé, porque tu esclavo escucha. Samuel fue y se acostó en su lugar.
Ary hoy Ely tamin’ i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin’ ny fandriany.
10 Yavé llegó y se detuvo. Como las otras veces llamó: ¡Samuel, Samuel! Y Samuel respondió: Habla, porque tu esclavo escucha.
Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
11 Yavé dijo a Samuel: Mira, Yo haré una cosa en Israel que al que la oiga, le vendrá un sonido vibrante en ambos oídos.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin’ ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
12 Ese día cumpliré contra Elí todas las cosas que anuncié con respecto a su casa, desde el principio hasta el fin.
Amin’ izany andro izany dia hotanterahiko amin’ i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin’ ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.
13 Porque le informé que castigaré a su casa para siempre por la iniquidad que él sabía, porque sus hijos trajeron una maldición sobre ellos, y él no los reprendió.
Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ ny tenany, nefa tsy nosakanany.
14 Por eso juré a la casa de Elí que la iniquidad de su casa no tendrá jamás algo que apacigüe, ni con sacrificios ni con ofrendas.
Koa izany no nianianako ny amin’ ny taranak’ i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
15 Samuel estuvo acostado hasta la mañana y abrió las puertas del Tabernáculo de Yavé. Pero Samuel temía contar la visión a Elí.
Ary nandry Samoela mandra-pahamarain’ ny andro, dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin’ i Ely.
16 Así que Elí llamó a Samuel y le dijo: Hijo mío, Samuel. Y él respondió: Aquí estoy.
Fa Ely niantso an’ i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
17 Y preguntó: ¿Cuál es la Palabra que te habló? Te ruego que no me la ocultes. Así te haga ʼElohim y aún te añada, si me ocultas alguna Palabra de todas las que te habló.
Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’ i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon’ Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
18 Entonces Samuel le contó todo, sin ocultarle nada. Y él respondió: Es Yavé. Haga lo que le parezca bien.
Dia nambaran’ i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
19 Samuel creció, y Yavé estaba con él, y no dejó caer a tierra ninguna de sus Palabras.
Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
20 Todo Israel, desde Dan hasta Beerseba, supo que Samuel fue designado profeta de Yavé.
Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin’ i Jehovah tokoa Samoela.
21 Yavé volvió a aparecer en Silo, porque Yavé se revelaba a Samuel en Silo a través de la Palabra de Yavé.
Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin’ i Samoela tao Silo Jehovah tamin’ ny teniny.

< 1 Samuel 3 >