< 1 Crónicas 9 >
1 Todo Israel fue registrado según sus genealogías, y están inscritos en el rollo de los reyes de Israel. Y [los] de Judá fueron llevados cautivos a Babilonia, por causa de su infidelidad.
Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
2 Los primeros que regresaron a sus posesiones en sus ciudades fueron los israelitas: sacerdotes, levitas y servidores del Templo.
Ary ny mponina taloha tamin’ ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
3 En Jerusalén se establecieron algunos de los hijos de Judá, Benjamín, Efraín y Manasés:
Ary tany Jerosalema no nonenan’ ny sasany amin’ ny taranak’ i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
4 Utai, hijo de Amiud, hijo de Omri, hijo de Imri, hijo de Bani, de los hijos de Fares, hijo de Judá.
dia Otahy, zanak’ i Amihoda, zanak’ i Omry, zanak’ Imry, zanak’ i Bany, avy amin’ ny taranak’ i Fareza, zanak’ i Joda.
5 De los silonitas, Asaías, el primogénito, y sus hijos.
Ary tamin’ ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
6 De los hijos de Zera, Jeuel y sus hermanos. Eran 690.
Ary tamin’ ny taranak’ i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
7 De los hijos de Benjamín, Salú, hijo de Mesulam, hijo de Hodavías, hijo de Asenúa,
Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina dia Salo, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Hodavia, zanak’ i Hasenoa,
8 Ibneías, hijo de Jeroham, Ela, hijo de Uzi, hijo de Micri, y Mesulam, hijo de Sefatías, hijo de Reuel, hijo de Ibnías.
sy Jibnia, zanak’ i Jerohama, sy Elaha, zanak’ i Ozy, zanak’ i Mikry, sy Mesolama, zanak’ i Sefatia, zanak’ i Regoela, zanak’ i Jibnia;
9 Sus hermanos según sus familias: 956. Todos estos hombres fueron jefes de familia en sus casas paternas.
ary ny isan’ ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany avy.
10 De los sacerdotes: Jedaías, Joiarib, Jaquín,
Ary tamin’ ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina
11 Azarías, hijo de Hilcías, hijo de Mesulam, hijo de Sadoc, hijo de Meraiot, hijo de Ahitob, jefe de la Casa de ʼElohim.
sy Azaria, zanak’ i Hilkia, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Meraiota, zanak’ i Ahitoba, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra,
12 Adaía, hijo de Jeroham, hijo de Pasur, hijo de Malquías. Masai, hijo de Adiel, hijo de Jazera, hijo de Mesul, hijo de Mesilemit, hijo de Imer,
ary Adaia, zanak’ i Jerohama, zanak’ i Pasora, zanak’ i Malkia, ary Masay, zanak’ i Adiela, zanak’ i Jazera, zanak’ i Mesolama, zanak’ i Mesilemita, zanak’ Imera.
13 y sus hermanos, jefes de sus casas paternas, en número de 1.760, hombres valientes para la obra del servicio en la Casa de ʼElohim.
Ary ny rahalahin’ ireo, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin’ ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra ireo.
14 De los levitas: Semaías, hijo de Hasub, hijo de Azricam, hijo de Hasabías, de los hijos de Merari,
Ary tamin’ ny Levita dia Semaia, zanak’ i Hasoba, zanak’ i Azrikama, zanak’ i Hasabia, tamin’ ny taranak’ i Merary,
15 Bacbacar, Heres, Galal, Matanías, hijo de Micaía, hijo de Zicri, hijo de Asaf,
ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zikry, zanak’ i Asafa,
16 Obadías, hijo de Semaías, hijo de Galal, hijo de Jedutún. Y Berequías, hijo de Asa, hijo de Elcana, el cual vivió en las aldeas de los netofatitas.
ary Obadia, zanak’ i Semaia, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona, ary Berekia, zanak’ i Asa, zanak’ i Elkana, izay nonina tamin’ ny vohitry ny Netotatita.
17 Y los porteros: Salum, Acub, Talmón, Ahimán y los hermanos de ellos. Salum era el jefe.
Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;
18 Hasta entonces estaban encargados de la puerta real, al oriente, y eran porteros de los hijos de Leví.
ambaraka ankehitriny dia ao amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin’ ny tobin’ ny taranak’ i Levy.
19 Salum, hijo de Coré, hijo de Abiasaf, hijo de Coré, y sus hermanos los coreítas, por la casa de su padre, tuvieron a su cargo la obra del servicio, y cuidaban las puertas del Tabernáculo, como sus padres cuidaban las puertas del campamento de Yavé.
Ary Saloma, zanak’ i Kore, zanak’ i Abiasafa, zanak’ i Kora, sy ny Koraïta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ ny fiandrasana ny varavaran’ ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ ny tobin’ i Jehovah.
20 En tiempo antiguo, Finees, hijo de Eleazar, fue jefe de ellos. Yavé estuvo con él.
Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
21 Zacarías, hijo de Meselemías, era portero en la entrada del Tabernáculo de Reunión.
Ary Zakaria, zanak’ i Meselemia, no mpiandry ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
22 Todos estos, escogidos para vigilar las puertas, eran 212 cuando fueron contados según el orden de sus familias en sus aldeas, a quienes David y el vidente Samuel constituyeron en su oficio.
Ary ny isan’ ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin’ ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ ny vohiny avy; ary notendren’ i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
23 Así ellos y sus hijos eran porteros por turnos en la Casa de Yavé, es decir, la Casa del Tabernáculo.
Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ny trano-lay.
24 Estaban los porteros en los cuatro puntos: hacia el oriente, el occidente, el norte y el sur.
Teo amin’ ny lafiny efatra no nitoeran’ ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
25 Sus hermanos que vivían en las aldeas llegaban cada siete días para estar con ellos según su turno,
Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin’ ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
26 porque los cuatro porteros principales, que eran levitas, estaban en servicio permanente a cargo de las cámaras y de los tesoros de la Casa de ʼElohim.
Fa nanao tamin’ ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan’ ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian’ ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra koa izy ireo.
27 Pasaban la noche en los alrededores de la Casa de ʼElohim, pues ellos estaban encargados de la guardia y de abrirla cada mañana.
Ary manodidina ny tranon’ Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
28 Algunos de éstos tenían a su cargo los utensilios para el ministerio, los cuales eran contados cuando los guardaban y cuando los sacaban.
Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
29 Otros tenían a su cargo el mobiliario y todos los utensilios del Santuario, la flor de harina, el vino, el aceite, el incienso y las especias;
Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masìna rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
30 y otros, de los hijos de los sacerdotes, preparaban la mezcla de las especias aromáticas.
Ary ny sasany tamin’ ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.
31 Matatías, uno de los levitas, primogénito de Salum coreíta, era responsable de las cosas que se preparaban en sartenes.
Ary Matatia, anankiray tamin’ ny Levita, lahimatoan’ i Saloma Koraïta, no tonian’ ny zavatra izay natao tamin’ ny fanendasana.
32 Algunos de los hijos de Coat y de sus hermanos tenían a su cargo el Pan de la Presencia, para prepararlo cada sábado.
Ary ny sasany tamin’ ny rahalahiny, tamin’ ny taranaky ny Kehatita, no tonian’ ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.
33 También había cantores, jefes de casas paternas de los levitas, quienes vivían en las cámaras del Templo, libres de otro servicio, porque estaban en aquella obra día y noche.
Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’ izany raharaha izany andro aman’ alina izy.
34 Éstos eran jefes de casas paternas de los levitas según sus familias, jefes que vivían en Jerusalén.
Ireo dia lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
35 En Gabaón vivía Jehiel, padre de Gabaón. El nombre de la esposa de él era Maaca,
Ary tao Gibeona no nonenan’ i Jeiela, razamben’ ny an’ i Gibeona, ary ny anaran’ ny vadiny dia Imaka;
36 y Abdón, su hijo primogénito, luego Zur, Cis, Baal, Ner, Nadab,
ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
37 Gedor, Ahío, Zacarías y Miclot.
dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.
38 Miclot engendró a Simeam. Éstos vivían también en Jerusalén enfrente de sus hermanos.
Ary Miklota niteraka an’ i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin’ ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
39 Ner engendró a Cis, Cis a Saúl, y Saúl a Jonatán, Malquisúa, Abinadab y Es-baal.
Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
40 Hijo de Jonatán fue Merib-baal, y Merib-baal engendró a Micaía.
Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an’ i Mika.
41 Los hijos de Micaía fueron Pitón, Melec, Tarea y Acaz.
Ary ny zanakalahin’ i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.
42 Acaz engendró a Jara, y Jara a Alemet, Azmavet y Zimri, y Zimri a Mosa,
Ary Ahaza niteraka an’ i Jara; ary Jara niteraka an’ i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an’ i Moza;
43 Mosa a Bina, cuyo hijo fue Refaías, del cual fue hijo Elasa, del cual Azel fue hijo.
ary Moza niteraka an’ i Binea; ary Refaia no zanakalahin’ i Binea, Elasa no zanakalahin’ i Refaia, Azela no zanakalahin’ i Elasa.
44 Azel tuvo seis hijos, cuyos nombres son: Azricam, Bocru, Ismael, Searías, Obadías y Hanán.
Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin’ i Azela.