< Ezequiel 44 >

1 Luego me hizo volver por el camino de la puerta exterior del santuario, que mira hacia el oriente, y estaba cerrada.
Dia nentiny niverina aho tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ivelany amin’ ny fitoerana masìna, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.
2 El Señor me dijo: “Esta puerta estará cerrada. No se abrirá, nadie entrará por ella, porque Yahvé, el Dios de Israel, ha entrado por ella. Por lo tanto, estará cerrada.
Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran’ olona; fa efa nidiran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.
3 El príncipe se sentará en ella como príncipe para comer el pan delante de Yahvé. Entrará por el camino del pórtico de la puerta, y saldrá por el mismo camino.”
Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan’ i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany, ary amin’ ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
4 Entonces me llevó por el camino de la puerta del norte, delante de la casa; y miré, y he aquí que la gloria de Yahvé llenaba la casa de Yahvé; así que me postré sobre mi rostro.
Dia nentiny nankamin’ ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
5 Yahvé me dijo: “Hijo de hombre, fíjate bien, y mira con tus ojos, y escucha con tus oídos todo lo que te digo acerca de todas las ordenanzas de la casa de Yahvé y de todas sus leyes; y marca bien la entrada de la casa, con cada salida del santuario.
Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak’ olona, mandiniha tsara, ka mijere amin’ ny masonao, ary aoka hohenoin’ ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin’ ny didy sy ny lalàna rehetra amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin’ ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ ny fitoerana masìna.
6 Dirás a los rebeldes, a la casa de Israel: “Dice el Señor Yahvé: “Casa de Israel, basta con todas vuestras abominaciones,
Ary lazao amin’ ireo maditra, dia ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak’ Isiraely!
7 pues habéis traído a extranjeros, incircuncisos de corazón e incircuncisos de carne, para que estén en mi santuario, para que lo profanen, mi casa, cuando ofrezcáis mi pan, la grasa y la sangre; y ellos han roto mi pacto, para añadirlo a todas vuestras abominaciones.
dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ ny fitoerako masìna mba handoto ny tranoko tamin’ ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ ny fahavetavetanareo rehetra;
8 Ustedes no han cumplido con el deber de mis cosas santas, sino que han puesto ejecutores de mi deber en mi santuario para ustedes mismos.”
ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin’ ny fitoerana masìna hisolo anareo.
9 El Señor Yahvé dice: “Ningún extranjero, incircunciso de corazón e incircunciso de carne, entrará en mi santuario, de todos los extranjeros que están entre los hijos de Israel.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin’ ny zanak’ Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin’ ny fitoerako masìna.
10 “‘“Pero los levitas que se alejaron de mí cuando Israel se extravió, que se alejaron de mí en pos de sus ídolos, ellos cargarán con su iniquidad.
Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ ny nivilian’ ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
11 Sin embargo, ellos serán ministros en mi santuario, tendrán vigilancia a las puertas de la casa y servirán en la casa. Matarán el holocausto y el sacrificio para el pueblo, y estarán delante de ellos para servirles.
Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerako masìna izy, dia ho mpiadidy ny amin’ ny fiandrasana ny vavahadin’ ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny tempoly; hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.
12 Por haberles servido delante de sus ídolos, y por haberse convertido en tropiezo de iniquidad para la casa de Israel, he levantado mi mano contra ellos — dice el Señor Yahvé — y cargarán con su iniquidad.
Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan’ ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak’ Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
13 No se acercarán a mí para ejercer el oficio de sacerdote, ni para acercarse a ninguna de mis cosas santas, a las cosas más santas, sino que llevarán su vergüenza y sus abominaciones que han cometido.
ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masìna na inona na inona, dia izay zavatra masìna indrindra; fa hitambesaran’ ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
14 Sin embargo, los haré ejecutores del deber de la casa, para todo su servicio y para todo lo que se haga en ella.
Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
15 “‘“Pero los sacerdotes levitas, hijos de Sadoc, que cumplieron con el deber de mi santuario cuando los hijos de Israel se alejaron de mí, se acercarán a mí para servirme. Se presentarán ante mí para ofrecerme la grasa y la sangre”, dice el Señor Yahvé.
Fa ny Levita mpisorona, taranak’ i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerako masìna, tamin’ ny nivilian’ ny zanak’ Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
16 “Entrarán en mi santuario y se acercarán a mi mesa para servirme, y guardarán mi instrucción.
Eny, izy no hiditra ao amin’ ny fitoerako masìna sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
17 “‘“Será que cuando entren por las puertas del atrio interior, se vestirán con ropas de lino. Ninguna lana caerá sobre ellos mientras ministren en las puertas del atrio interior, y dentro.
Ary raha miditra any amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon’ ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin’ ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
18 Llevarán turbantes de lino en la cabeza y pantalones de lino en la cintura. No se vestirán con nada que los haga sudar.
Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
19 Cuando salgan al atrio exterior, al atrio de afuera para el pueblo, se quitarán las vestimentas con las que ministran y las pondrán en las habitaciones sagradas. Se pondrán otras vestimentas, para no santificar al pueblo con sus vestimentas.
Ary raha mivoaka ho any amin’ ny kianja ivelany hankany amin’ ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin’ ny efi-trano masìna, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin’ ireny fitafiany ireny.
20 “‘“No se afeitarán la cabeza ni se dejarán crecer la cabellera. Sólo se cortarán el pelo de la cabeza.
Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.
21 Ninguno de los sacerdotes beberá vino cuando entre en el atrio interior.
Ny divay dia tsy hosotroin’ izay mpisorona, raha miditra any amin’ ny kianja anatiny izy.
22 No tomarán por esposa a una viuda o a una repudiada, sino que tomarán a vírgenes de la descendencia de la casa de Israel, o a una viuda que sea viuda de un sacerdote.
Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin’ ny taranak’ Isiraely, na izay novinadin’ ny mpisorona efa maty no hovadiny.
23 Enseñarán a mi pueblo la diferencia entre lo santo y lo común, y le harán discernir entre lo inmundo y lo limpio.
Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian’ ny masìna sy ny tsy masìna izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian’ ny tsy madio sy ny madio.
24 “‘“En una controversia estarán para juzgar. Lo juzgarán según mis ordenanzas. Guardarán mis leyes y mis estatutos en todas mis fiestas señaladas. Harán santos mis sábados.
Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
25 “‘“No entrarán en ninguna persona muerta para contaminarse; pero por el padre, o por la madre, o por el hijo, o por la hija, por el hermano o por la hermana que no haya tenido marido, podrán contaminarse.
Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.
26 Después de haberse purificado, le contarán siete días.
Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
27 El día que entre en el santuario, en el atrio interior, para ministrar en el santuario, ofrecerá su ofrenda por el pecado”, dice el Señor Yahvé.
Ary amin’ ny andro hidirany ao amin’ ny fitoerana masìna, dia any amin’ ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
28 “‘Tendrán una herencia: Yo soy su herencia; y no les darás posesión en Israel. Yo soy su posesión.
Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin’ ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.
29 Ellos comerán la ofrenda de la comida, la ofrenda por el pecado y la ofrenda por la culpa; y toda cosa consagrada en Israel será de ellos.
Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin’ ny Isiraely dia ho azy koa.
30 Las primicias de todos los frutos de cada cosa, y toda ofrenda de todo, de todas vuestras ofrendas, serán para el sacerdote. También darás a los sacerdotes las primicias de tu masa, para hacer descansar una bendición sobre tu casa.
Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin’ ny zavatra atao fanatitra dia ho an’ ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
31 Los sacerdotes no comerán nada que muera por sí mismo o que se desgarre, ya sea ave o animal.
Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin’ ny mpisorona.

< Ezequiel 44 >