< 1 Samuel 9 >
1 Había un hombre rico e influyente de la tribu de Benjamín, que se llamaba Cis, hijo de Abiel, hijo de Zeror, hijo de Becorat, hijo de Afía, descendiente de la tribu de Benjamín.
Ary nisy lehilahy avy amin’ ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak’ i Abiela, zanak’ i Zerora, zanak’ i Bekorata, zanak’ i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.
2 Cis tenía un hijo llamado Saúl. Este era el joven más guapo de todo Israel. Era más alto que cualquier otro.
Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ ny Zanak’ Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ ny sorony no ho miakatra ny halavany.
3 En cierta ocasión, los burros del padre de Saúl, Cis, se extraviaron. Cis le dijo a su hijo Saúl: “Por favor, ve a buscar los burros. Puedes llevar a uno de los siervos contigo”.
Ary very ny borikivavin’ i Kisy, rain’ i Saoly. Dia hoy Kisy tamin’ i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.
4 Saúl buscó en la región montañosa de Efraín y luego en la tierra de Salisa, pero no encontró los burros. Entonces buscaron en la región de Saalim, pero tampoco estaban allí. Luego buscaron en la tierra de Benjamín, pero tampoco pudieron encontrarlos allí.
Dia nandeha namaky ny tany havoan’ i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin’ ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
5 Cuando llegaron a la tierra de Zuf, Saúl le dijo a su criado: “Vamos, volvamos, porque si no mi padre no se preocupará solamente por los burros, sino también por nosotros”.
Ary nony tonga teo amin’ ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin’ ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin’ ikaky, fa tsy ny boriky intsony.
6 Pero el criado le respondió: “¡Espera! Hay un hombre de Dios en esta ciudad. Tiene muy buena fama, y todo lo que dice se cumple. Vamos a verle. Tal vez él pueda decirnos qué camino debemos tomar”.
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin’ Andriamanitra amin’ iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.
7 “Pero si vamos, ¿qué podemos darle?” respondió Saúl. “Todo el pan de nuestras bolsas se ha acabado. No tenemos nada que llevarle al hombre de Dios. ¿Qué tenemos con nosotros?”
Dia hoy Saoly tamin’ ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin’ ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra; ka inona moa no atỳ amintsika?
8 “Mira, tengo un cuarto de siclo de plata conmigo. Se lo daré al hombre de Dios para que nos indique el camino que debemos tomar”, le dijo el criado a Saúl.
Dia namaly an’ i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin’ Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.
9 (Antiguamente, en Israel, alguien que iba a consultar a Dios decía: “Ven, vamos a ver al vidente”, porque a los profetas se les solía llamar videntes).
(Fahiny teo amin’ ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin’ Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin’ ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)
10 “Me parece bien”, le dijo Saúl a su criado. “Vamos entonces”. Y se fueron al pueblo donde estaba el hombre de Dios.
Dia hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin’ ny tanàna nitoeran’ ilay lehilahin’ Andriamanitra.
11 Mientras subían la colina hacia el pueblo, se encontraron con unas jóvenes que salían a sacar agua y les preguntaron: “¿Está el vidente aquí?”
Ary raha mbola niakatra teo amin’ ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?
12 Ellas les respondieron: “Está más adelante. Pero tendrán que apresurarse. Hoy ha venido a la ciudad porque el pueblo está celebrando un sacrificio en el lugar de adoración.
Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon’ ny vahoaka ao amin’ ny fitoerana avo anio;
13 Cuando entren a la ciudad podrán encontrarlo antes de que suba a comer en lugar de adoración. El pueblo no comerá antes de que él haya llegado, porque él tiene que bendecir el sacrificio. Después comerán los que han sido invitados. Si se van ahora, lo alcanzarán”.
ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin’ ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin’ ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin’ izao no hahitanareo azy.
14 Así que siguieron su camino hasta la ciudad. Cuando llegaron allí estaba Samuel yendo en dirección contraria. Se encontraron con él cuando subía al lugar de adoración.
Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin’ ny fitoerana avo ka nifanena taminy.
15 El día anterior a la llegada de Saúl, el Señor le había dicho a Samuel:
Ary Jehovah efa nanambara tamin’ i Samoela omalin’ ny andro nahatongavan’ i Saoly ka nanao hoe:
16 “Mañana a esta hora te voy a enviar un hombre de la tierra de Benjamín. Nómbralo como gobernante de mi pueblo Israel, y él los rescatará de los filisteos. He visto lo que le pasa a mi pueblo y he escuchado su ruego de ayuda”.
Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin’ ny tanin’ ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etỳ amiko ny fitarainany.
17 Cuando Samuel vio a Saúl, el Señor le dijo: “Este es el hombre del que te hablé. Es el que va a gobernar a mi pueblo”.
Ary nony hitan’ i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin’ ny oloko.
18 Saúl se acercó a Samuel en la puerta y le preguntó: “¿Podrías decirme dónde está la casa del vidente?”
Ary Saoly dia nanatona an’ i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon’ ny mpahita.
19 “Yo soy el vidente”, le dijo Samuel a Saúl. “Sube delante de mí y comeremos juntos. Luego, por la mañana, responderé a todas tus preguntas y te enviaré por el camino.
Ary Samoela dia namaly an’ i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin’ ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
20 En cuanto a los burros que perdiste hace tres días, no te preocupes por ellos porque los han encontrado. Pero ahora, la esperanza de todo Israel descansa en ti y en tu linaje”
Ary aza malahelo ny amin’ ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an’ iza ny zavatra irina rehetra eo amin’ ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?
21 “¡Pero yo soy de la tribu de Benjamín, la más pequeña de Israel, y mi familia es la menos importante de todas las familias de la tribu de Benjamín!” respondió Saúl. “¿Por qué me dices esto?”
Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin’ ilay kely indrindra amin’ ny firenen’ Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin’ ny mpianakavin’ ny firenen’ i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
22 Entonces Samuel llevó a Saúl y a su criado al salón, y los sentó a la cabeza de las treinta personas que habían sido invitadas.
Ary Samoela dia nitondra an’ i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin’ ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin’ izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.
23 Entonces Samuel le dijo al cocinero: “Trae el trozo de carne especial que te di y que te dije que reservaras”.
Ary hoy Samoela tamin’ ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.
24 Así que el cocinero tomó el muslo superior de la carne y lo puso delante de Saúl. Entonces Samuel le dijo: “Mira, esto es lo que estaba reservado para ti. Cómelo, pues estaba apartado para ti, para este momento en particular, desde que dije: ‘He invitado al pueblo’”. Así que Saúl comió con Samuel aquel día.
Dia nalain’ ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin’ ny eo aminy ka napetrany teo anoloan’ i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin’ izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin’ izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin’ i Samoela androtrizay.
25 Cuando descendieron del lugar de adoración en lo alto a la ciudad, Samuel habló con Saúl en el techo de su casa.
Ary izy roa lahy nidina avy tao amin’ ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin’ i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.
26 Al amanecer del día siguiente, Samuel llamó a Saúl desde el tejado: “¡Levántate! Tengo que enviarte de regreso”. Así que Saúl se levantó y salió con Samuel.
Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an’ i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.
27 Cuando se acercaban a las afueras de la ciudad, Samuel le dijo a Saúl: “Dile a tu siervo que se vaya adelante, antes que nosotros. Cuando se haya ido, quédate aquí un rato, porque tengo un mensaje de Dios para ti”. Así que el criado se adelantó.
Ary nony nidina teo amin’ ny faran’ ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin’ i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin’ Andriamanitra.