< Salmos 122 >
1 Cántico gradual. De David. Me llené de gozo cuando me dijeron: “Iremos a la Casa de Yahvé.”
Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida.
2 Ya se posan nuestros pies ante tus puertas, ¡oh Jerusalén!
Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
3 Jerusalén, que estás edificada, como la ciudad cuya comunidad le está bien unida.
Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
4 Allá suben las tribus, las tribus de Yah; es ley para Israel celebrar allí el Nombre de Yahvé.
Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah.
5 Allí se han establecido los tronos para el juicio, los tronos de la casa de David.
Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida.
6 Saludad a Jerusalén: “Gocen de seguridad los que te aman;
Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
7 reine la paz dentro de tus muros, la felicidad en tus palacios.”
Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao
8 Por amor a mis hermanos y amigos exclamo: Paz sobre ti.
Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.
9 A causa del Templo de Yahvé nuestro Dios te auguro todo bien.
Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.