< 2 Crónicas 22 >

1 Los habitantes de Jerusalén proclamaron rey en su lugar a Ococías, su hijo menor; porque las bandas que con los árabes habían venido a hacer guerra, habían dado muerte a todos los mayores, de suerte que Ococías, hijo de Joram, rey de Judá, llegó al trono.
Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an’ i Ahazia, faralahin’ i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, no nanjaka.
2 Tenía Ococías cuarenta y dos años cuando empezó a reinar, y reinó un año en Jerusalén. Su madre se llamaba Atalía, hija de Amrí.
Roa amby efa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak’ i Omry.
3 También este (rey) siguió los caminos de la casa de Acab, ya que su misma madre le instigaba a hacer el mal.
Nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.
4 Hizo lo que era malo a los ojos de Yahvé, como los de la casa de Acab, porque después de la muerte de su padre, ellos fueron sus consejeros y le llevaron a la perdición.
Ka dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah toy ny taranak’ i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian’ ny nahafatesan’ ny rainy ka nampidi-doza taminy.
5 Siguiendo el consejo de ellos, fue con Joram, hijo de Acab, rey de Israel, a la guerra contra Hasael, rey de Siria, a Ramot-Galaad, donde los sirios hirieron a Joram,
Ary ny saina nomen’ ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hiady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an’ i Jorama.
6 el cual se retiró a Jesreel para curarse de las heridas que había recibido en Ramá, en la batalla con Hasael, rey de Siria. Cuando Ococías, hijo de Joram, rey de Judá, bajó a Jesreel para visitar a Joram, hijo de Acab, en Jesreel, que se hallaba enfermo,
Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Azaria, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina mba hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy.
7 vino de Dios la ruina de Ococías, por haber ido a ver a Joram; pues llegado (allí), salió con Joram al encuentro de Jehú, hijo de Namsí, a quien Yahvé había ungido para exterminar la casa de Acab.
Ary avy tamin’ Andriamanitra ny loza nanjo an’ i Ahazia tamin’ ny nankanesany tany amin’ i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin’ i Jorama mba hitsena an’ i Jeho, zanak’ i Nimsy, izay nohosoran’ i Jehovah handringana ny taranak’ i Ahaba.
8 Así, pues, Jehú, mientras ejecutaba el castigo de la casa de Acab, se encontró con los príncipes de Judá y los hijos de los hermanos de Ococías, que pertenecían a la corte de Ococías, y los mató.
Ary tamin’ ny namalian’ i Jeho ny taranak’ i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin’ i Ahazia, izay nanompo an’ i Ahazia, ka novonoiny.
9 Y buscó a Ococías, al que prendieron en Samaria, donde se había escondido. Lo presentaron a Jehú, y habiéndole dado muerte, le sepultaron; pues decían: “Es hijo de Josafat, que buscaba a Yahvé con todo su corazón.” Y no quedó de la casa de Ococías nadie que fuese capaz de reinar.
Ary nitady an’ i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin’ i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak’ i Josafata, ilay nitady an’ i Jehovah tamin’ ny fony rehetra, ity. Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak’ i Ahazia.
10 Cuando Atalía, madre de Ococías, vio que era muerto su hijo, se levantó, y exterminó toda la estirpe real de la casa de Judá.
Ary nony hitan’ i Atalia, renin’ i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’ andriana rehetra tamin’ ny taranak’ i Joda.
11 Pero Josabet, hija del rey, tomó a Joás, hijo de Ococías, arrebatándole de entre los hijos del rey cuando los mataban, y lo escondió, juntamente con su nodriza, en un dormitorio. Así Josabet, hija del rey Joram, mujer del sacerdote Joiadá, y hermana de Ococías, lo ocultó de la vista de Atalía, la cual no pudo darle muerte.
Fa Joseba, zanakavavin’ ny mpanjaka, dia naka an’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin’ i Joseba, zanakavavin’ i Jehorama mpanjaka, vadin’ i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin’ i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan’ i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.
12 Estuvo con ellos escondido en la Casa de Dios durante seis años, y reinó Atalía sobre el país.
Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon’ Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin’ ny tany

< 2 Crónicas 22 >