< Псалтирь 101 >
1 Милость и суд воспою Тебе, Господи:
Salamo nataon’ i Davida.
2 пою и разумею в пути непорочне: когда приидеши ко мне? Прехождах в незлобии сердца моего посреде дому моего.
Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin’ ny fahitsian’ ny foko ao anatin’ ny tranoko aho.
3 Не предлагах пред очима моима вещь законопреступную: творящыя преступление возненавидех.
Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.
4 Не прильпе мне сердце строптиво: уклоняющагося от мене лукаваго не познах.
Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho,
5 Оклеветающаго тай искренняго своего, сего изгонях: гордым оком и несытым сердцем, с сим не ядях.
Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;
6 Очи мои на верныя земли, посаждати я со мною: ходяй по пути непорочну, сей ми служаше.
Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin’ ny lalana marina no hanompo ahy.
7 Не живяше посреде дому моего творяй гордыню: глаголяй неправедная не исправляше пред очима моима.
Tsy mba hitoetra ao anatin’ ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan’ ny masoko izay milaza lainga.
8 Воутрия избивах вся грешныя земли, еже потребити от града Господня вся делающыя беззаконие.
Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’ i Jehovah.