< Книга пророка Михея 1 >

1 Слово Господне, еже бысть ко Михею Морасфитину, во дни Иоафама и Ахаза и Езекии царей Иудиных, о нихже виде о Самарии и о Иерусалиме.
Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Morastita tamin’ ny andro nanjakan’ i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay hitany ny amin’ i Samaria sy Jerosalema.
2 Слышите, людие вси, словеса, и внемли, земле и вси иже на ней, и будет Господь Бог в вас в послушествование, Господь от дому святаго Своего.
Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin’ ny tempoliny masìna.
3 Понеже, се, Господь исходит от места Своего, и снидет и наступит на высоты земныя,
Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ ny fitoerany Ary midìna ka mandia ny havoana amin’ ny tany.
4 и поколеблются горы под Ним, и юдоли растают яко воск от лица огня и яко вода сходящи со устремлением.
Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin’ ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ ny hantsana.
5 Нечестия ради Иаковля вся сия и греха ради дому Израилева. Кое нечестие дому Иаковлю? Не Самариа ли? И кий грех дому Иудина? Не Иерусалим ли?
Noho ny fahadisoan’ i Jakoba sy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely no isian’ izany rehetra izany. Iza no nahadiso an’ i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’ i Joda? Tsy Jerosalema va?
6 И положу Самарию во овощное хранилище селное и в сад винограда, и развергу в пропасть камение ея, и основания ея открыю:
Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
7 и вся изваянная ея сокрушат, и вся мзды ея запалят огнем, и вся кумиры ея положу в пагубу: понеже от найма блуда собра и от найма блужения соврати.
Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin’ ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin’ ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin’ ny vehivavy janga indray izy.
8 Сего ради возрыдает и восплачется, пойдет боса и нага, сотворит плачь аки змиев и рыдание аки дщерей сиринских:
Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.
9 яко одержа язва ея, понеже прииде даже до Иуды и коснуся до врат людий моих даже до Иерусалима.
Fa tsy azo sitranina ny ferin’ i Samaria; Fa mihatra amin’ i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin’ ny oloko aza, dia any Jerosalema.
10 Уже в Гефе, не величайтеся, и Иенакимляне, не сограждайте из дому на посмеяние, перстию посыплите посмеяние ваше.
Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho.
11 Обитающая добре во градех своих, не изыде живущая в Сеннааре, плачитеся дому (сущаго) близ ея, приимет от вас язву болезней.
Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan’ i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.
12 Кто нача во благая вселившейся в болезнех, яко снидоша злая от Господа на врата Иерусалимля,
Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin’ i Jehovah ho ao am-bavahadin’ i Jerosalema.
13 шум колесниц и конников: живущая в Лахисе началница греха та есть дщери Сиони, яко в тебе обретошася нечестия Израилева.
Fehezo amin’ ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan’ ny fahotan’ i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’ Isiraely.
14 Сего ради даст посылаемыя даже до наследия Гефова, домы суетны, вотще быша царем Израилевым,
Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’ i Moresetagata; Ranotrambo ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ireo tranon’ i Akziba.
15 дондеже наследники приведу тебе, живущая в Лахисе, наследие даже до Одоллама приидет, слава дщере Сиони.
Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr’ Isiraely.
16 Оброснися и остризися по чадех своих младых: разшири оброснение твое яко орел, понеже пленени быша от тебе.
Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy.

< Книга пророка Михея 1 >