< Jona 1 >

1 Shoko raJehovha rakasvika kuna Jona mwanakomana waAmitai, richiti,
Ary tonga tamin’ i Jona, zanak’ i Amitahy, ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 “Enda kuguta guru reNinevhe undoriparidzira, nokuti kuipa kwaro kwasvika pamberi pangu.”
Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
3 Asi Jona akatiza kubva pamberi paJehovha akananga kuTashishi. Akaburuka akaenda kuJopa, kwaakawana chikepe chaienda ikoko. Mushure mokubvisa mari yokufambisa, akakwidza ndokuenda kuTashishi kuti atize kubva kuna Jehovha.
Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’ i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin’ ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan’ i Jehovah.
4 Ipapo Jehovha akatuma mhepo huru pagungwa, uye dutu raipenga kwazvo rikamuka zvokuti chikepe chakada kutsemuka-tsemuka.
Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin’ ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
5 Vafambisi vose vechikepe vakatya uye mumwe nomumwe akachema kuna mwari wake. Vakakanda nhumbi mugungwa kuti chikepe chireruke. Asi Jona akanga aenda pasi mukati mechikepe maakasvikovata uye akakotsira hope huru.
Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin’ ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.
6 Mukuru wavachairi akaenda kwaari akati, “Ungarare sei iwe? Muka udane kuna mwari wako! Zvimwe angatirangarira tikasaparara.”
Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
7 Ipapo vafambisi vechikepe vakati kuno mumwe nomumwe, “Uyai, tikande mijenya kuti tione kuti ndiani aita kuti tiwirwe nenjodzi iyi.” Vakakanda mijenya, mijenya ikawira pana Jona.
Ary dia samy nanao tamin’ ny namany hoe izy: Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo.
8 Saka vakamubvunza vakati, “Tiudze, ndiani aita kuti matambudziko ose aya atiwire? Unoita basa reiko? Unobvepiko? Nyika yako inonzi ani? Uri worudzi rupi?”
Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho ny amin’ iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin’ ny firenen’ iza ianao?
9 Akapindura akati, “Ndiri muHebheru, uye ndinonamata Jehovha, Mwari wokudenga, akaita gungwa nenyika.”
Dia hoy izy tamin’ ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
10 Izvi zvakavatyisa uye vakabvunza vakati, “Watadzeiko?” (Vaiziva kuti aitiza kubva pamberi paJehovha, nokuti akanga atovaudza kudaro.)
Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
11 Gungwa rakanga rotonyanya kupenga. Saka vakamubvunza vakati, “Ko, tinofanira kuitei kwauri kuti gungwa ritidzikamire?”
Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina.
12 Akapindura achiti, “Ndisimudzei mundikande mugungwa, ipapo richanyarara. Ndinoziva kuti mhosva yangu ndiyo yaita kuti dutu guru iri rikuwirei.”
Ary hoy izy tamin’ ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin’ ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.
13 Pachinzvimbo chaizvozvo varume vakaedza napavaigona napo kuti vadzokere kunyika. Asi vakakoniwa, nokuti gungwa rakatonyanyisa kupenga kupfuura zvapakutanga.
Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin’ ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
14 Ipapo vakachema kuna Jehovha vakati, “Haiwa Jehovha, tapota musatiuraya nemhaka youpenyu hwomunhu uyu. Musatipa mhosva yokuuraya munhu asina mhaka, nokuti, iyemi Jehovha maita sokuda kwenyu.”
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ ny ain’ ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
15 Ipapo vakatora Jona vakamukanda mugungwa, uye gungwa rikanyarara pakupenga kwaro.
Dia nobetain’ izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin’ ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina.
16 Nokuda kwaizvozvi vakatya Jehovha kwazvo, uye vakabayira Jehovha chibayiro vakaita mhiko kwaari.
Dia natahotra an’ i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah sady nivoady.
17 Asi Jehovha akatuma hove huru kuti izomedza Jona, uye Jona akava mudumbu mehove kwamazuva matatu nousiku hutatu.
Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’ i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon’ ilay hazandrano hateloan’ andro sy hateloan’ alina.

< Jona 1 >