< Jeremia 41 >

1 Mumwedzi wechinomwe, Ishumaeri mwanakomana waNetania, mwanakomana waErishama, uyo akanga ari worudzi rwamambo, uye akanga ari mumwe wamachinda amambo, akauya ane varume gumi kuna Gedharia mwanakomana waAhikami, paMizipa. Vachiri kudya pamwe chete ipapo,
Ary tamin’ ny volana fahafito dia tonga tany amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak’ i Netania, zanak’ i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
2 Ishumaeri mwanakomana waNetania navarume gumi vakanga vanaye vakasimuka vakabaya Gedharia mwanakomana waAhikami, mwanakomana waShafani, nomunondo, vakamuuraya iye akanga agadzwa namambo weBhabhironi kuti ave mubati wenyika iyo.
Dia nitsangana Isimaela, zanak’ i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.
3 Ishumaeri akaurayawo vaJudha vose vaiva naGedharia paMizipa, pamwe chete navarwi veBhabhironi vaivapo.
Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’ i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin’ Isimaela avokoa.
4 Zuva rakatevera kuurayiwa kwaGedharia, pasati pava nomunhu aizviziva,
Ary nony ampitson’ ny andro namonoana an’ i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
5 varume makumi masere vaibva kuShekemu, neShiro neSamaria vakasvikapo vakaveura ndebvu dzavo, vakabvarura nguo dzavo uye vakazvicheka-cheka, vachiuya nezvipiriso zvezviyo nezvinonhuhwira kuimba yaJehovha.
dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon’ i Jehovah.
6 Ishumaeri mwanakomana waNetania akabuda paMizipa kuti andovachingamidza, akafamba achichema. Paakasangana navo, akati kwavari, “Uyai kuna Gedharia mwanakomana waAhikami.”
Ary Isimaela, zanak’ i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny am-pandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama.
7 Vakati vapinda muguta, Ishumaeri mwanakomana waNetania navarume vakanga vanaye vakavauraya ndokuvakanda mugomba.
Ary nony tonga tao afovoan’ ny tanàna izy ireo, dia novonoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, mbamin’ ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
8 Asi vamwe vavo gumi vakati kuna Ishumaeri, “Musatiuraya! Isu tine gorosi nebhari, namafuta uye nouchi, zvakavigwa musango.” Naizvozvo akavarega akasavauraya pamwe chete navamwe.
Fa nisy folo lahy tamin’ ireo nanao tamin’ Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin’ ny namany.
9 Zvino gomba raakakandira mitumbi yose yavarume vaakanga auraya pamwe chete naGedharia ndiro rakanga racherwa naMambo Asa kuti azvidzivirire kubva kuna Bhaasha mambo weIsraeri. Ishumaeri mwanakomana waNetania akarizadza navakaurayiwa.
Ary ilay lavaka nanarian’ Isimaela ny fatin’ ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan’ i Gedalia, dia ilay efa nataon’ i Asa mpanjaka mba hiereny an’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, dia nofenoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, faty.
10 Ishumaeri akatapa vanhu vose vakanga vari paMizipa, vanasikana vamambo pamwe chete navamwe vose vakanga vasara ikoko, vaiswa naNebhuzaradhani mukuru wavarindi pasi paGedharia mwanakomana waAhikami. Ishumaeri mwanakomana waNetania akavatapa ndokubvapo achida kuti ayambukire kuvaAmoni.
Ary nentin’ Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak’ andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama; eny, Isimaela, zanak’ i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin’ ny taranak’ i Amona izy.
11 Johanani mwanakomana waKarea namachinda ose ehondo vaiva naye vakati vanzwa pamusoro pemhaka dzose dzakanga dzaparwa naIshumaeri mwanakomana waNetania,
Fa nony ren’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon’ Isimaela, zanak’ i Netania,
12 vakatora varume vose ndokuenda kundorwa naIshumaeri mwanakomana waNetania. Vakanomubatira pedyo nedziva guru reGibheoni.
dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania ary hitany teo amoron’ ny kamory ao Gibeona izy.
13 Vanhu vose vaiva naIshumaeri vakati vachiona Johanani mwanakomana waKarea navakuru vehondo vakanga vainaye, vakafara.
Ary ny olona rehetra izay tao amin’ Isimaela, nony nahita an’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
14 Vanhu vose vakanga vatapwa naIshumaeri paMizipa vakadzoka vakaenda kuna Johanani mwanakomana waKarea.
Ary ny olona rehetra izay nentin’ Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an’ i Johanana, zanak’ i Karea.
15 Asi Ishumaeri mwanakomana waNetania navarume vasere vakapunyuka kubva kuna Johanani vakatizira kuvaAmoni.
Fa Isimaela, zanak’ i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an’ i Johanana ka lasa nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
16 Ipapo Johanani mwanakomana waKarea navakuru vose vehondo vaiva naye vakatungamirira vose vakasara kubva paMizipa avo vaakanga anunura kubva kuna Ishumaeri mwanakomana waNetania shure kwokunge auraya Gedharia mwanakomana waAhikami, vaiti: varwi, vakadzi, vana namachinda edare vaakanga abva navo kuGibheoni.
Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania, avy tany Mizpa, taorian’ ny namonoany an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
17 Vakaenderera mberi ndokunomira vava paGeruti Kimihami pedyo neBheterehema parwendo rwavo rwokuenda kuIjipiti
ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin’ i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.
18 kuti vatize vaBhabhironi. Vakanga vachitya nokuti Ishumaeri mwanakomana waNetania akanga auraya Gedharia mwanakomana waAhikami, uyo akanga agadzwa kuti ave mubati wenyika iyo namambo weBhabhironi.
tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak’ i Netania, efa namono an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, izay notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.

< Jeremia 41 >