< Isaya 25 >

1 Haiwa, Jehovha ndimi Mwari wangu; ndichakukudzai uye ndicharumbidza zita renyu, nokuti nokutendeka kukuru makaita zvinhu zvinoshamisa, zvinhu zvamakaronga kare kare.
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin’ ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
2 Makaita kuti guta rive dutu ramarara, guta rakakomberedzwa rikava dongo, nhare yavatorwa haichazova gutazve; haichazovakwazve.
Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan’ ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny;
3 Naizvozvo vanhu vane simba vachakukudzai; maguta endudzi dzine utsinye achakuremekedzai.
Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan’ ny firenena lozabe.
4 Manga muri utiziro hwavarombo, utiziro hwaanoshayiwa mukutambudzika kwake, uye dumba panguva yemvura zhinji nomumvuri pakupisa kwezuva. Nokuti kufema kwavano utsinye kwakafanana nemvura zhinji inorovera parusvingo,
Fa fiarovana mafy ho an’ ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an’ ny malahelo amin’ ny fahoriany, fierena amin’ ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
5 uye kwakafanana nokupisa kwerenje. Munonyaradza bope ravatorwa; sokupisa kunotonhodzwa nomumvuri wegore, naizvozvo rwiyo rwavane utsinye rwanyaradzwa.
Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban’ ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin’ ny hainandro resin’ ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran’ ny olon-dozabe.
6 Pamusoro pegomo iri, Jehovha Wamasimba Ose achagadzirira vanhu vose mutambo wezvakakora, namabiko ewaini yakare, nyama yakanakisa uye newaini yakaisvonaka.
Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hanao fanasana ho an’ ny firenena rehetra eto amin’ ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ ny zavatra matavy, fanasana amin’ ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
7 Pamusoro pegomo iri, achaparadza chifukidziro chinoputira marudzi ose, mucheka unofukidza ndudzi dzose;
Ary hofoanany eto amin’ ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
8 iye achamedza rufu nokusingaperi. Wamasimba Ose achapisika misodzi kubva pazviso zvose; achabvisa kunyadziswa kwavanhu vake panyika yose. Jehovha ataura.
Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
9 Pazuva iro vachati, “Zvirokwazvo uyu ndiye Mwari wedu; takavimba naye, iye akatiponesa. Uyu ndiye Jehovha, takavimba naye; ngatifarei tifarisise muruponeso rwake.”
Ary holazaina amin’ izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny isika.
10 Ruoko rwaJehovha ruchagara pagomo iri, asi Moabhu achatsikwa-tsikwa pasi pake, samashanga anotsikwa-tsikwa mumupfudze.
Fa hipetraka amin’ ity tendrombohitra ity ny tànan’ i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin’ izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin’ ny rano ao am-pahitra;
11 Vachatambanudza maoko avo mariri, somushambiri anotambanudza maoko ake kuti ashambire. Mwari achaderedza kuzvikudza kwavo, kunyange vachigona kuita zvakanaka namaoko avo,
Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan’ izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany.
12 Achakoromora nhare yako yamasvingo akakwirira agoaputsira pasi; achaakoromorera pasi, muguruva chaimo.
Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin’ ny tany, dia hatramin’ ny vovoka.

< Isaya 25 >