< Dhanieri 9 >

1 Mugore rokutanga raDhariasi mwanakomana waAhasuerasi (chizvarwa cheMedhia), uyo akaitwa mutongi pamusoro poumambo hwavaBhabhironi,
Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Dariosa, zanak’ i Ahasoerosy, avy amin’ ny taranaky ny Mediana, izay nampanjakaina tamin’ ny fanjakan’ ny Kaldeana,
2 mugore rokutanga rokutonga kwake, ini Dhanieri, ndakanzwisisa kubva muMagwaro, sezvakataura shoko raJehovha rakapiwa kuna Jeremia muprofita, kuti Jerusarema richagara riri dongo kwamakore makumi manomwe.
tamin’ ny taona voalodany nanjakany, izaho Daniela nahalala tamin’ ny boky ny isan’ ny taona nampahafantarin’ ny tenin’ i Jehovah an’ i Jeremia mpaminany, izay hahataperan’ ny fito-polo taona amin’ ny hahafoanan’ i Jerosalema.
3 Saka ndakatendeukira kuna Ishe Mwari ndikamukumbira mukunyengetera nokuteterera, ndichitsanya, uye ndikafuka nguo dzamasaga namadota.
Ary nampanatrehiko an’ Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana ary ny lavenona.
4 Ndakanyengetera kuna Jehovha Mwari wangu ndikareurura ndichiti: “Haiwa Ishe, Mwari mukuru anotyisa, iye anochengeta sungano yake yorudo navose vanomuda uye vanoteerera mirayiro yake,
Ary nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
5 takatadza tikaita zvakaipa. Takaita zvinhu zvakaipa uye takakumukirai; takatsauka tikava kure nemitemo nemirayiro yenyu.
efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin’ ny didinao sy ny fitsipikao izahay,
6 Hatina kuteerera varanda venyu vaprofita, vakataura muzita renyu kumadzimambo, machinda edu namadzibaba edu, uye nokuvanhu vose venyika.
ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin’ ny anaranao tamin’ ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.
7 “Ishe, imi makarurama, asi nhasi takafukidzwa nenyadzi, vanhu veJudha navanhu veJerusarema navaIsraeri vose, vari pedyo navose vari kure, munyika dzose kwamakatiparadzira nokuda kwokusatendeka kwedu kwamuri.
Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin’ izao anio izao, dia an’ ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin’ ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoany izay nandisoany taminao;
8 Haiwa Jehovha, isu namadzimambo edu, machinda edu namadzibaba edu takafukidzwa nenyadzi nokuti takakutadzirai.
eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an’ ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay.
9 Ishe Mwari wedu ndiye ane ngoni uye anokanganwira, kunyange dai takamumukira.
An’ ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay
10 Hatina kuteerera Jehovha Mwari wedu kana kuchengeta mirayiro yaakatipa kubudikidza navaranda vake vaprofita.
ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay.
11 VaIsraeri vose vakadarika murayiro wenyu ndokutsauka, vachiramba kukuteererai imi. “Naizvozvo kutukwa nokutonga kwaakapika kwakanyorwa mumurayiro waMozisi, muranda waMwari, zvakadururirwa pamusoro pedu, nokuti takakutadzirai imi.
Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.
12 Makazadzisa mashoko akataurwa pamusoro pedu napamusoro pamadzishe edu nokuuyisa pamusoro pedu njodzi huru. Hakuna kumbova nechinhu chakaitwa pasi pedenga rose chakafanana nezvakaitwa paJerusarema.
Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin’ ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.
13 Sezvazvakanyorwa muMurayiro waMozisi, njodzi iyi yose yakawira pamusoro pedu, kunyange zvakadaro hatina kutsvaka nyasha dzaJehovha Mwari wedu nokutendeuka kubva pazvivi zvedu tichiteerera chokwadi chenyu.
Araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy no nahatongavan’ izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin’ ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.
14 Jehovha haana kunonoka kuuyisa njodzi pamusoro pedu, nokuti Jehovha Mwari wedu akarurama pazvinhu zvose zvaanoita; asi hatina kumuteerera.
Koa izany no nitehirizan’ i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin’ ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.
15 “Zvino, imi Ishe Mwari wedu, makabudisa vanhu venyu kubva muIjipiti noruoko rune simba uye mukazviitira zita rinogara kusvikira iye nhasi, takatadza, takaita zvakaipa.
Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’ izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.
16 Haiwa Ishe, dzorai kutsamwa kwenyu nehasha dzenyu kubva paJerusarema, guta renyu nechikomo chenyu chitsvene, nokuda kwamabasa enyu ose akarurama. Zvivi zvedu nezvakaipa zvamadzibaba edu zvakaita kuti Jerusarema nevanhu zvive chinhu chinosekwa neavo vose vakatipoteredza.
Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin’ i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masìna, fa ny helokay sy ny fahotan’ ny razanay no nahatonga an’ i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin’ izay rehetra manodidina anay.
17 “Zvino, imi Mwari wedu, inzwai minyengetero nemikumbiro yomuranda wenyu. Haiwa Ishe, nokuda kwenyu, mutarire nenyasha pamusoro petemberi yenyu yakaparara.
Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin’ ny fitoeranao masìna izay efa foana, satria Tompo Hianao.
18 Rerekai nzeve yenyu imi Mwari, uye munzwe; zarurai meso enyu muone kuparadza kweguta rakatumidzwa Zita renyu. Hatikumbiri kwamuri nokuda kwokuti takarurama, asi nokuda kwenyasha dzenyu huru.
Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin’ ny anaranao; fa tsy amin’ ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ ny halehiben’ ny indrafonao.
19 Haiwa Ishe, inzwai! Haiwa Ishe kanganwirai! Haiwa Ishe, inzwai muite! Haiwa Mwari wangu, nokuda kwenyu musanonoka, nokuti vanhu venyu neguta renyu vakatumidzwa Zita renyu.”
Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin’ ny anaranao.
20 Pandakanga ndichitaura uye ndichinyengetera, ndichireurura chivi changu nechivi chavanhu vangu vaIsraeri ndichiisa chikumbiro changu kuna Jehovha Mwari wangu nokuda kwechikomo chake chitsvene,
Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ ny fahotan’ ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitro ho an’ ny tendrombohitra masin’ Andriamanitro,
21 ndichiri pakunyengetera, Gabhurieri, murume wandakanga ndaona muchiratidzo changu chokutanga, akasvika pandiri achibhururuka kwazvo nenguva inenge yechibayiro chamadekwana.
eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin’ ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.
22 Akandirayira uye akati kwandiri, “Dhanieri, ndauya zvino kuzokupa njere nokunzwisisa.
Ary izy nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho.
23 Pawakangotanga kunyengetera, mhinduro yakabva yapiwa, ndiyo yandauya kuzokuudza, nokuti iwe unokudzwa kwazvo. Naizvozvo rangarira shoko iri uye unzwisise chiratidzo:
Tamin’ ny niantombohan’ ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.
24 “Vhiki makumi manomwe dzakatemerwa vanhu vako uye neguta rako dzvene kuti vapedze kudarika kwavo, varege kutadza, kana kuyanana nezvakaipa, vauye nokururama kusingaperi, kusimbisa chiratidzo nechiprofita nokuzodza iye mutsvene-tsvene.
Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masìna, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masìna indrindra.
25 “Uzive uye unzwisise izvi: Kubva pakupiwa kwechirevo chokuvandudza nokuvaka Jerusarema kusvikira Muzodziwa, iye mutongi, auya, kuchava nevhiki nomwe uye vhiki makumi matanhatu nembiri. Richavakwa rine migwagwa uye nomugero, asi munguva dzokutambudzika.
Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory.
26 Shure kwevhiki makumi matanhatu nembiri, Muzodziwa achagurwa uye achashaya chinhu. Vanhu vomutongi vachasvika vagoparadza guta nenzvimbo tsvene. Kuguma kuchauya sokudira kwemvura. Hondo icharamba iripo kusvikira kumagumo, uye kuparadzwa kwakatemwa kare.
Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
27 Achasimbisa sungano navazhinji kwevhiki imwe. Pakati pevhiki achagumisa chibayiro nechipiriso. Uye pano rumwe rutivi rwetemberi achaisa chinyangadzo chinokonzera kuparadzwa, kusvikira kuguma kwakatemwa kwadururirwa pamusoro pake.”
Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin’ ny antsasaky ny herinandro, ary amin’ ny elatry ny fahavetavetana no nihavian’ ny mpandrava, hatramin’ ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin’ ny mpandrava.

< Dhanieri 9 >