< 2 Makoronike 27 >
1 Jotamu aiva namakore makumi maviri namashanu paakava mambo, uye akatonga muJerusarema kwamakore gumi namatanhatu. Amai vake vainzi Jerusha mwanasikana waZadhoki.
Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka.
2 Akaita zvakanaka pamberi paJehovha sezvakanga zvaitwa nababa vake Uzia, asi iye haana kuzopinda zvake mutemberi yaJehovha. Kunyange zvakadaro, vanhu vakaramba vachiita zvakaipa zvavo.
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay nataon’ i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.
3 Jotamu akavakazve Suo Rokumusoro retemberi yaJehovha akaita basa guru kwazvo parusvingo rwapagomo raOferi.
Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah sady nandrafitra be tamin’ ny mandan’ i Ofela koa.
4 Akavaka maguta muzvikomo zveJudhea, nenhare neshongwe mumatondo.
Ary nanao tanàna teny amin’ ny tany havoan’ i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an’ ala koa izy.
5 Jotamu akarwa namambo wavaAmoni akavakunda. Mugore iroro vaAmoni vakamuripa matarenda zana esirivha, nezviyero zvegorosi zviuru gumi, nezviyero zvebhari zviuru gumi. VaAmoni vakauyisa zvimwe chetezvo mugore rechipiri nerechitatu.
Ary niady tamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’ izany taona izany ny taranak’ i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan’ ny taranak’ i Amona ho azy tamin’ ny-taona faharoa sy fahatelo koa.
6 Jotamu akava nesimba kwazvo nokuti aifamba akatendeka pamberi paJehovha Mwari wake.
Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
7 Zvimwe zvakaitwa mukutonga kwaJotamu pamwe chete nehondo dzake dzose dzaakarwa nezvimwe zvinhu zvaakaita, zvakanyorwa mubhuku ramadzimambo eIsraeri neeJudha.
Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany.
8 Aiva namakore makumi maviri namashanu paakava mambo, uye akatonga muJerusarema kwamakore gumi namatanhatu.
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
9 Jotamu akazorora namadzibaba ake akavigwa muGuta raDhavhidhi. Uye Ahazi mwanakomana wake akamutevera paumambo.
Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan’ i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.