< Римљанима 9 >

1 Истину говорим тако ми Христа, не лажем, то ми сведочи савест моја Духом Светим:
Milaza ny marina ao amin’ i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin’ ny Fanahy Masìna koa ny fieritreretako,
2 Да ми је врло жао и срце ме моје боли без престанка;
fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ ny foko.
3 Јер бих желео да ја сам будем одлучен од Христа за браћу своју која су ми род по телу,
Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin’ i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo,
4 Која су Израиљци, којих је посинаштво и слава, и завет и закон, и богомољство, и обећања;
izay Isiraelita sady manana ny fananganan’ anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
5 Којих су и оци, и од којих је Христос по телу, који је над свима, Бог благословен ва век. Амин. (aiōn g165)
azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin’ izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
6 А није могуће да реч Божија прође: јер нису сви Израиљци који су од Израиља;
Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’ Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ ny Isiraely no Isiraely.
7 Нити су сви деца који су семе Авраамово, него у Исаку, рече, назваће ти се семе.
Ary na dia taranak’ i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’ isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
8 То јест, нису оно деца Божија што су по телу деца, него деца обећања примају се за семе.
Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
9 Јер је ово реч обећања: У ово време доћи ћу и у Саре ће бити син.
Fa izao no filàzan’ ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha.
10 Не само, пак, она него и Ревека, кад затрудне од самог Исака, оца нашег.
Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan’ anaka tamin’ ny anankiray, dia tamin’ isaka razantsika;
11 Јер још док се деца не беху родила, ни учинила добра ни зла, да остане Божија наредба по избору,
fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran’ ny fikasan’ Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin’ ny asa, fa avy amin’ izay miantso),
12 Не за дела, него Оног ради који позива рече јој се: Већи ће служити мањем,
dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny;
13 Као што стоји написано: Јаков ми омиле, а на Исава омрзох.
araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako.
14 Шта ћемо, дакле, на то рећи? Еда ли је неправда у Бога? Боже сачувај!
Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin’ Andriamanitra? Sanatria izany!
15 Јер Мојсију говори: Кога ћу помиловати, помиловаћу, и на кога ћу се смиловати, смиловаћу се.
Fa hoy Izy tamin’ i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.
16 Тако, дакле, нити стоји до оног који хоће, ни до оног који трчи, него до Бога који помилује.
Koa dia tsy avy amin’ izay maniry na amin’ izay mihazakazaka izany, fa avy amin’ Andriamanitra Izay miantra.
17 Јер писмо говори Фараону: Зато те исто подигох да на теби покажем силу своју, и да се разгласи име моје по свој земљи.
Fa hoy ny Soratra Masìna tamin’ i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin’ ny tany rehetra.
18 Тако, дакле, кога хоће милује, а кога хоће отврдоглави.
Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
19 Рећи ћеш ми: Зашто нас још криви? Јер ко се може супротити вољи Његовој?
Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
20 А ко си ти, о човече! Да противно одговараш Богу? Еда ли рукотворина говори мастору свом: Зашто си ме тако начинио?
Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an’ Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin’ izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
21 Или зар лончар нема власти над калом да од једне гуке начини један суд за част а други за срамоту?
Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
22 А кад хтеде Бог да покаже гнев свој и да објави силу своју, поднесе с великим трпљењем судове гнева који су приправљени за погибао.
Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’ izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
23 И да покаже богатство славе своје на судима милости које приправи за славу;
mba hampahafantarina koa ny haren’ ny voninahiny amin’ izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
24 Које нас и дозва не само од Јевреја него и од незнабожаца,
dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ ny jentilisa koa,
25 Као што и у Јосији говори: Назваћу народ својим који није мој народ, и нељубазницу љубазницом.
araka izay lazainy eo amin’ i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala;
26 И биће на месту, где им се рече: Ви нисте мој народ; тамо ће се назвати синови Бога Живога.
Ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak’ Andriamanitra velona.
27 А Исаија виче за Израиља: Ако буде број синова Израиљевих као песак морски, остатак ће се спасти.
Ary Isaia milaza ny amin’ ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Zanak’ isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
28 Јер ће Он извршити реч своју, и наскоро ће извршити по правди, да, испуниће Господ наскоро реч своју на земљи.
fa amin’ ny fahatanterahana faingana no hanefan’ i Jehovah ny teniny ambonin’ ny tany;
29 И као што прорече Исаија: Да нам није Господ Саваот оставио семена, онда бисмо били као Содом и Гомор.
ary araka izay nolazain’ Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon’ ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma sy tonga tahaka an’ i Gomora isika.
30 Шта ћемо, дакле, рећи? Да незнабошци који не тражише правде докучише правду, али правду од вере.
Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin’ ny finoana?
31 А Израиљ тражећи закон правде не докучи закон правде.
fa ny Isiraely, izay nitady lalàn’ ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
32 Зашто? Јер не тражи из вере него из дела закона; јер се спотакоше на камен спотицања,
Nahoana moa? Satria tsy tamin’ ny finoana, fa toa tamin’ ny asa, ka tafintohina tamin’ ny vato mahatafintohina izy;
33 Као што стоји написано: Ево мећем у Сиону камен спотицања и стену саблазни; и који га год верује неће се постидети.
araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra.

< Римљанима 9 >