< Псалми 42 >

1 Као што кошута тражи потоке, тако душа моја тражи Тебе, Боже!
Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila. Nataon’ ny Koraïta. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ ony no anirian’ ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
2 Жедна је душа моја Бога, Бога Живога, кад ћу доћи и показати се лицу Божијем?
Mangetaheta an’ Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra?
3 Сузе су ми хлеб дан и ноћ, кад ми сваки дан говоре: Где је Бог твој?
Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’ alina, amin’ ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
4 Душа се моја пролива кад се опомињем како сам ходио сред многог људства; ступао у дом Божји, а људство празнујући певаше и подвикиваше.
Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’ Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
5 Што си клонула, душо моја, и што си жалосна? Уздај се у Бога; јер ћу Га још славити, Спаситеља мог и Бога мог.
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’ Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ ny tavany.
6 Клонула је у мени душа зато што Те помињем у земљи јорданској, на Ермону, на гори малој.
Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin’ ny tanin’ i Jordana sy amin’ ireo Hermona ary amin’ ny tendrombohitra Mizara.
7 Бездана бездану дозива гласом слапова Твојих; све воде Твоје и вали Твоји на мене навалише.
Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
8 Дању је јављао Господ милост своју, а ноћу Му је песма у мене, молитва Богу живота мог.
Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin’ Andriamanitry ny aiko.
9 Рећи ћу Богу, граду свом: Зашто си ме заборавио? Зашто идем сетан од пакости непријатељеве?
Hoy izaho amin’ Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ ny fahavaloko?
10 Који ми пакосте, пребијајући кости моје, ругају ми се говорећи ми сваки дан: Где ти је Бог?
Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan’ andro: Aiza izay Andriamanitrao?
11 Што си клонула, душо моја, и што си жалосна? Уздај се у Бога; јер ћу Га још славити, Спаситеља мог и Бога мог.
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’ Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.

< Псалми 42 >