< Књига пророка Михеја 6 >

1 Слушајте шта говори Господ: Устани, суди се с горама, и нека чују хумови глас твој.
Masìna ianareo, mihainoa izay lazain’ i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren’ ny havoana ny feonao.
2 Слушајте, горе и тврди темељи земаљски, парбу Господњу, јер Господ има парбу с народом својим, и с Израиљем се суди.
Mihainoa ny adin’ i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan’ ny tany; Fa Jehovah manana ady amin’ ny olony, Eny, amin’ ny Isiraely no ifandaharany.
3 Народе мој, шта сам ти учинио? И чим сам ти досадио? Одговори ми.
Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
4 Јер те изведох из земље мисирске и искупих из куће ропске и послах пред тобом Мојсија, Арона и Марију.
Fa nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin’ ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
5 Народе мој, опомени се шта науми Валак цар моавски и шта му одговори Валам, син Веоров, од Ситима до Галгала шта би, да познаш правду Господњу.
Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’ i Balaka, mpanjakan’ i Moaba, Sy izay navalin’ i Balama, zanak’ i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon’ i Jehovah.
6 Са чим ћу доћи пред Господа да се поклоним Богу Вишњем? Хоћу ли доћи преда Њ са жртвама паљеницама? С теоцима од године?
Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
7 Хоће ли Господу бити миле хиљаде овнова? Десетине хиљада потока уља? Хоћу ли дати првенца свог за преступ свој? Плод утробе своје за грех душе своје?
Ho sitrak’ i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ ny fanahiko?
8 Показао ти је, човече, шта је добро; и шта Господ иште од тебе осим да чиниш што је право и да љубиш милост и да ходиш смерно с Богом својим?
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’ i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena
9 Глас Господњи виче граду, и ко је мудар види име твоје; слушајте прут и Оног који га је одредио.
Manaitra ny tanàna ny feon’ i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.
10 Није ли јоште у кући безбожниковој благо неправо? И ефа крња, гадна?
Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon’ ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?
11 Хоће ли ми бити чист у кога су мерила лажна и у тобоцу преварно камење?
Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
12 Јер су богатуни његови пуни неправде, и становници говоре лаж, и у устима им је језик преваран.
Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
13 Зато ћу те и ја бити да оболиш, пустошићу те за грехе твоје.
Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin’ ny fandringanako anao noho ny helokao.
14 Ти ћеш јести, али се нећеш наситити, и падање твоје биће усред тебе; и склањаћеш, али нећеш избавити, и што избавиш предаћу мачу.
Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin’ ny sabatra.
15 Ти ћеш сејати, али нећеш жети; ти ћеш цедити маслине, али се нећеш намазати уљем, и маст, али нећеш пити вино.
Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;
16 Јер се држе уредбе Амријеве и сва дела дома Ахавовог, и ходите по саветима њиховим, да те предам у погибао, и становнике његове у подсмех, и носићете срамоту народа мог.
Fa fatra-pitandrina ny lalàn’ i Omry Sy ny asan’ ny taranak’ i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan’ ny oloko ianareo.

< Књига пророка Михеја 6 >