< Књига пророка Јоне 2 >

1 И замоли се Јона Господу Богу свом из трбуха рибљег,
Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ ny hazandrano Jona
2 И рече: Завапих у невољи својој ка Господу, и услиши ме; из утробе гробне повиках, и Ти чу глас мој. (Sheol h7585)
ka nanao hoe: Niantso an’ i Jehovah tamin’ ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. (Sheol h7585)
3 Јер си ме бацио у дубине, у срце мору, и вода ме оптече; све поплаве Твоје и вали Твоји прелазише преко мене.
Fa efa natsipinao tao amin’ ny lalina aho, Dia tao amin’ ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
4 И рекох: Одбачен сам испред очију Твојих; али ћу још гледати свету цркву Твоју.
Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masìna ihany.
5 Оптекоше ме воде до душе, бездана ме опколи, сита омота ми се око главе.
Ny rano nanarona ahy hatramin’ ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
6 Сиђох до крајева горских, преворнице земаљске нада мном су довека; али Ти извади живот мој из јаме, Господе Боже мој.
Tafalatsaka tany amin’ ny fanambanin’ ny tendrombohitra aho; Ny hidin’ ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
7 Кад нестајаше душа моја у мени, поменух Господа, и молитва моја дође к Теби, у свету цркву Твоју.
Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an’ i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin’ ny tempolinao masìna.
8 Који држе лажне таштине, остављају своју милост.
Izay mivavaka amin’ ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
9 А ја ћу Ти гласом захвалним принети жртву, испунити што сам заветовао; спасење је у Господа.
Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An’ i Jehovah ny famonjena.
10 И Господ заповеди риби, те избљува Јону на земљу.
Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ ny tany maina Jona.

< Књига пророка Јоне 2 >