< Књига пророка Језекиља 14 >
1 Потом дођоше к мени неки од старешина Израиљевих и седоше преда ме.
Dia nisy loholon’ ny Isiraely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako.
2 И дође ми реч Господња говорећи:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
3 Сине човечји, ови су људи ставили у срца своја гадне богове своје, и метнули су преда се о шта се спотичу на безакоње своје; траже ли ме доиста?
Ry zanak’ olona, ireto olona ireto efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hety hanontanian’ ireto va Aho?
4 Зато говори им и реци им: Овако вели Господ Господ: Ко је год од дома Израиљевог ставио у срце своје гадне богове своје и метнуо преда се о шта се спотиче на безакоње своје, па дође к пророку, ја Господ одговорићу му кад дође за мноштво гадних богова његових,
Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny amin’ ny olona rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
5 Да ухватим дом Израиљев за срце њихово што су се одвратили од мене сви за гадним боговима својим.
mba hisamborako ny taranak’ Isiraely amin’ ny fony, satria efa nihemotra niala tamiko izy rehetra noho ny sampiny.
6 Зато реци дому Израиљевом: Овако вели Господ Господ: Обратите се и одступите од гадних богова својих, одвратите лице своје од свих гадова својих.
Koa ataovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny.
7 Јер ко би год од дома Израиљевог или од иностранаца који живе у Израиљу одступио од мене, и ставио у срце своје гадне богове своје, и метнуо преда се о шта ће се спотицати на безакоње своје, па би дошао к пророку да ме упита преко њега, њему ћу одговорити ја сам Господ собом.
Fa na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny izay mivahiny eo amin’ ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro;
8 И окренућу лице своје према том човеку, и учинићу од њега знак и причу, и истребићу га из народа свог, те ћете познати да сам ја Господ.
ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin’ ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
9 И ако би се пророк преварио, те рекао што, ја Господ преварих оног пророка, и дигнућу руку своју на њ, и истребићу га из народа свог Израиља.
Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin’ ny Isiraely oloko izy.
10 И понеће обојица своје безакоње: како је безакоње оног који пита тако ће бити и пророково безакоње,
Ary hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin’ ny helok’ izay manontany aminy koa,
11 Да више дом Израиљев не одступа од мене и да се више не скврне свакојаким преступима својим, него да ми буду народ, и ја да им будем Бог, говори Господ Господ.
mba tsy hialan’ ny taranak’ Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin’ ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah Tompo.
12 Опет ми дође реч Господња говорећи:
Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
13 Сине човечји, ако ми која земља згреши учинивши неверу, и ја дигнем руку своју на њу и сломим јој потпору у хлебу, и пустим на њу глад и истребим у њој људе и стоку,
Ry zanak’ olona, raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan’ ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
14 Ако би у њој била ова три човека: Ноје, Данило и Јов, они ће правдом својом избавити душе своје, говори Господ Господ.
na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo.
15 Ако пустим љуте звери у земљу, те поморе људе, и она опусти да нико не може пролазити од зверја;
Raha mampandeha biby masiaka eo amin’ ny tany Aho, ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon’ olona aleha noho ny biby,
16 Ако би у њој била та три човека, тако ја жив био, говори Господ Господ, неће избавити синове ни кћери, него ће се сами избавити, а земља ће опустети.
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.
17 Или ако мач пустим на ту земљу, и кажем: Мачу, прођи ту земљу, да истребим у њој људе и стоку;
Ary raha mitondra sabatra mamely izany tany izany Aho ka manao hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany, ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby,
18 Ако би та три човека била у њој, тако ја био жив, говори Господ Господ, неће избавити синове ни кћери, него ће се сами избавити.
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
19 Или ако пустим помор на земљу и излијем гнев свој на њу да би крв текла да истребим у њој људе и стоку;
Ary raha mandefa ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako, dia amin’ ny fandatsahan-drà mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,
20 Ако би Ноје, Данило и Јов били у њој, тако ја жив био, говори Господ Господ, неће избавити сина ни кћери, него ће своје душе избавити правдом својом.
na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.
21 Јер овако вели Господ Господ: А камо ли кад пустим четири љута зла своја, мач и глад и зле звери и помор на Јерусалим, да истребим у њему људе и стоку.
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an’ i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
22 И опет, гле, неколико ће их остати у њему који ће се избавити, синови или кћери, они ће изаћи к вама, и видећете пут њихов и дела њихова, и утешићете се за зло које ћу пустити на Јерусалим, за све што ћу пустити на њ.
Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin’ ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin’ i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.
23 И они ће вас утешити кад видите пут њихов и дела њихова; и познаћете да нисам без узрока учинио шта сам год учинио у њему, говори Господ Господ.
Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.