< 2 Мојсијева 1 >
1 Ово су имена синова Израиљевих који дођоше у Мисир, дођоше с Јаковом, сваки са својом породицом:
Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay niaraka tamin’ i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin’ ny ankohonany avy izy rehetra:
2 Рувим, Симеун, Левије и Јуда,
Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
3 Исахар, Завулон и Венијамин,
Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
4 Дан и Нефталим, Гад и Асир.
Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
5 А свега беше их од бедара Јаковљевих седамдесет душа с Јосифом, који беше у Мисиру.
Ary ny isan’ ny olona rehetra naterak’ i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
6 А Јосиф умре и сва браћа његова и сав онај нараштај.
Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’ izany taranaka rehetra izany.
7 И синови Израиљеви народише се и умножише се, и напредоваше и осилише веома, да их се земља напуни.
Ary ny Zanak’ Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
8 Тада наста нов цар у Мисиру, који не знаше за Јосифа;
Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an’ i Josefa.
9 И рече народу свом: Гле, народ синова Израиљевих већи је и силнији од нас.
Ary izy niteny tamin’ ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely efa maro sy mahery noho isika;
10 Него хајде мудро да поступамо с њима, да се не множе, и кад настане рат да не пристану с непријатељима нашим и не ударе на нас и не оду из земље.
andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ ny tany.
11 И поставише над њима настојнике да их муче тешким пословима; и грађаше народ Израиљев Фараону градове Питом и Рамесу.
Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’ i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
12 Али што га више мучаху то се више множаше и напредоваше, да се грожаху од синова Израиљевих.
Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’ Isiraely indrindra ny Egyptiana.
13 И жестоко нагоњаху Мисирци синове Израиљеве на послове,
Dia nampanompoin’ ny Egyptiana fatratra ny Zanak’ Isiraely,
14 И загорчаваху им живот тешким пословима, блатом и опекама и сваким радом у пољу, и сваким другим послом, на који их жестоко нагоњаху.
ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ ny fanompoana mafy, dia tamin’ ny feta sy ny biriky mbamin’ ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
15 И још заповеди цар мисирски бабицама јеврејским, од којих једној беше име Сефора, а другој Фува,
Ary ny mpanjakan’ i Egypta niteny tamin’ ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran’ ny anankiray, ary Poa no anaran’ ny anankiray)
16 И рече: Кад бабичите Јеврејке, и у порођају видите да је мушко, убијте га, а кад буде женско, нек остане живо.
ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin’ ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
17 Али се бабице бојаху Бога, и не чињаху како им рече цар мисирски, него остављаху децу у животу.
Nefa natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain’ ny mpanjakan’ i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
18 А цар мисирски дозва бабице, и рече им: Зашто то чините, те остављате у животу мушку децу?
Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan’ i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
19 А бабице рекоше Фараону: Јеврејке нису као жене Мисирке; јаче су; док им дође бабица, оне већ роде.
Fa hoy ny mpampivelona tamin’ i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.
20 И Бог учини добро бабицама; и народ се умножи и осили веома;
Dia nasian’ Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.
21 И што се бабице бојаху Бога, начини им куће.
Ary tamin’ izany, satria natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen’ Andriamanitra zanaka izy.
22 Тада заповеди Фараон свему народу свом говорећи: Сваког сина који се роди баците у воду, а кћери све остављајте у животу.
Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’ i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.