< 2 Књига о царевима 12 >
1 Седме године Јујеве поче царовати Јоас, и царова четрдесет година у Јерусалиму. Матери му беше име Сивија из Вирсавеје.
Ary tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
2 И чињаше Јоас што је право пред Господом докле га год учаше свештеник Јодај.
Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tamin’ ny androny rehetra izay nanoloran’ i Joiada mpisorona saina azy.
3 Али висине не бише оборене; народ још приношаше жртве и кађаше на висинама.
Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin’ ny fitoerana avo ihany.
4 И Јоас рече свештеницима: Сав новац посвећени, што се доноси у дом Господњи, новац оних који иду у бој, и новац од уцене свачије, и сав новац што ко доноси од своје воље у дом Господњи.
Ary hoy Joasy tamin’ ny mpisorona: Ny vola amin’ ny zava-masìna rehetra izay nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah, dia ny volan’ ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin’ ny tomban’ olona ary ny vola rehetra Izay nentin’ ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon’ i Jehovah,
5 Нека свештеници узимају, сваки од свог познаника, и они нека оправљају што је трошно у дому где се год нађе да треба оправити.
aoka horaisin’ ny mpisorona amin’ ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin’ ny trano, na amin’ inona na amin’ inona no hitany misy simba.
6 Али до године двадесет треће царовања Јоасовог свештеници још не оправише шта беше трошно у дому.
Kanjo hatramin’ ny fahatelo amby roa-polo taona nanjakan’ i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin’ ny trano.
7 Тада цар Јоас дозва Јодаја свештеника и остале свештенике, и рече им: Зашто не оправљате што је трошно у дому? Одселе не узимајте новац од својих познаника, јер треба да вратите да се оправи што је трошно у дому.
Ka dia niantso an’ i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin’ ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin’ ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin’ ny trano ny vola.
8 И свештеници присташе да не узимају новац од народа и да не оправљају (они) што је трошно у дому.
Ary ny mpisorona nanaiky tsy handray vola amin’ ny olona intsony sady tsy hanamboatra ny simba amin’ ny trano.
9 Тада свештеник Јодај узе један ковчег, и прореза рупу на заклопцу, и метну га код олтара с десне стране како се улази у дом Господњи; и свештеници који чуваху врата меташе у њ све новце који се доношаху у дом Господњи.
Fa Joiada mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo anilan’ ny alitara tamin’ ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao an-tranon’ i Jehovah.
10 А кад виђаху да има много новаца у ковчегу, тада долажаше писар царев с поглаваром свештеничким, и избројавши свезиваху новце који би се нашли у дому Господњем.
Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sady nisainy.
11 Потом даваху готове новце онима који управљаху послом и стараху се за дом Господњи, а они их издаваху дрводељама и посленицима који оправљаху дом Господњи,
Ary ny vola voalanja dia natolotr’ ireo ho eo an-tanan’ ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin’ ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon’ i Jehovah
12 И зидарима и каменарима, и да се добавља дрво и тесано камење, да се оправи шта беше трошно у дому Господњем, и да се добави све што требаше да се оправи дом.
sy ho amin’ ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ ny tranon’ i Jehovah sy holanina amin’ izay rehetra hanamboarana azy.
13 Али новцима који доношаху у дом Господњи не грађаху чаша сребрних за дом Господњи, ни виљушака, ни котлића, ни труба, нити каквих судова златних ни сребрних;
Nefa tsy nisy lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay fanaka volamena sy volafotsy na inona na inona, natao ho amin’ ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny volafotsy nampidirina tao;
14 Него их даваху онима који беху над послом да се оправи за њих дом Господњи.
fa nomeny ny mpiasa izany ka nentin’ ireo nanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
15 И не тражаху рачуна од људи којима предаваху новце да издају посленицима, јер верно рађаху.
Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo.
16 Новци за преступ и новци за грехе не доношаху се у дом Господњи; припадаху свештеницима.
Fa ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah, fa an’ ny mpisorona kosa izany.
17 Тада изађе Азаило, цар сирски, и удари на Гат и узе га; потом се окрете Азаило да иде на Јерусалим.
Ary tamin’ izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan’ i Syria, ary namely an’ i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an’ i Jerosalema koa izy.
18 А Јоас, цар Јудин узе све посвећене ствари, што Јосафат и Јорам и Охозија, оци његови цареви Јудини, беху посветили, и све што сам беше посветио, и све злато што се нађе у ризницама дома Господњег и дома царевог, и посла Азаилу цару сирском; и тако отиде од Јерусалима.
Ary Joasy, mpanjakan’ ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin’ ny mpanjakan’ ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin’ ny zavatra nohamasinin’ ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin’ ny rakitra, na ny tao an-tranon’ i Jehovah, na ny tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.
19 А остала дела Јоасова и све што је чинио, није ли то записано у дневнику царева Јудиних?
Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
20 А слуге његове подигоше се и побунише се, и убише Јоаса у дому Милону, куда се иде у Силу.
Ary nitsangana ny mpanompon’ i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo, ao am-pidinana mankany Sila.
21 Јоазахар, син Симеатов и Јозавад син Сомиров, слуге његове, убише га, те умре; и погребоше га код отаца његових у граду Давидовом; а на његово место зацари се Амасија, син његов.
Fa Jozakara, zanak’ i Simata, sy Jozabada, zanak’ i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.