< 1 Књига о царевима 13 >
1 А гле, човек Божји дође из земље Јудине с речју Господњом у Ветиљ, кад Јеровоам стајаше код олтара да кади.
Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
2 И повика пут олтара речју Господњом говорећи: Олтаре! Олтаре! Овако вели Господ: Ево, родиће се син дому Давидовом по имену Јосија, који ће на теби клати свештенике висина, који каде на теби, и људске ће кости спалити на теби.
Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
3 И учини знак истог дана говорећи: Ово је знак да је Господ то рекао: Ето, олтар ће се распасти и просуће се пепео што је на њему.
Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain’ i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
4 А кад цар Јеровоам чу речи човека Божијег које викаше олтару ветиљском, пружи руку своју с олтара говорећи: Држите га! Али усахну му рука коју пружи на њ, и не могаше је повратити к себи.
Ary nony ren’ i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin’ ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
5 А олтар се распаде, и просу се пепео с олтара по знаку који учини човек Божји речју Господњом.
Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra noho ny tenin’ i Jehovah.
6 Тада цар рече човеку Божијем: Припадни ка Господу Богу свом, и помоли се за ме да ми се поврати рука. И човек се Божји помоли Господу, и поврати се цару рука, и поста као што је била.
Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia nifona tamin’ i Jehovah, ka dia azon’ ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
7 И рече цар човеку Божијем: Ходи са мном кући мојој, и поткрепи се, и даћу ти дар.
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
8 Али човек Божји рече цару: Да ми даш по куће своје, не бих ишао с тобом нити бих јео хлеба ни воде пио у овом месту.
Fa hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra tamin’ ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho;
9 Јер ми је тако заповедио својом речју Господ говорећи: Не једи хлеба ни пиј воде, нити се враћај истим путем којим отидеш.
fa izao no tenin’ i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin’ izay lalana efa nalehanao.
10 И отиде другим путем, а не врати се оним којим беше дошао у Ветиљ.
Dia nandeha tamin’ ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin’ ilay nalehany ho any Betela.
11 А у Ветиљу живљаше један стари пророк, коме дође син његов и приповеди све што учини пророк Божји онај дан у Ветиљу, и речи које рече цару; и приповедише синови тог пророка оцу свом.
Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra androtr’ iny tao Betela; ary nolazain’ ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin’ ny mpanjaka.
12 А отац им рече: Којим је путем отишао? И показаше синови пут којим отиде човек Божји који беше дошао из земље Јудине.
Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
13 А он рече синовима својим: Осамарите ми магарца. И осамарише му магарца, те уседе на њ.
Ary hoy izy tamin’ ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.
14 И пође за човеком Божјим, и нађе га а он седи под храстом, па му рече: Јеси ли ти човек Божји што дође из земље Јудине? Он му одговори: Ја сам.
Ary dia nanaraka ilay lehilahin’ Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin’ ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.
15 А он му рече: Ходи са мном мојој кући да једеш хлеба.
Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.
16 Али он одговори: Не могу се вратити с тобом ни ићи с тобом; нити ћу јести хлеба ни пити воде с тобом у овом месту.
Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho,
17 Јер ми је речено речју Господњом: Не једи хлеба ни пиј воде онде, нити се враћај путем којим отидеш.
satria tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin’ ny lalana efa nalehanao.
18 А он му рече: и ја сам пророк као ти, и анђео Господњи рече ми речју Господњом говорећи: Врати га са собом у своју кућу нека једе хлеба и пије воде. Али му слага.
Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
19 И врати се с њим, те једе хлеба у његовој кући и пи воде.
Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
20 А кад сеђаху за столом, дође реч Господња пророку који га беше вратио;
Ary raha mbola nipetraka teo amin’ ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin’ ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin’ i Jehovah;
21 И повика на човека Божјег који беше дошао из земље Јудине, и рече: Овако вели Господ: Што ниси послушао реч Господњу, и ниси држао заповест коју ти је заповедио Господ Бог твој,
ary izy niteny mafy tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao,
22 Него си се вратио и јео хлеба и пио воде на месту за које ти је рекао: Не једи хлеба ни пиј воде; зато неће твоје тело доћи у гроб твојих отаца.
fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin’ ny tany izay nandraran’ i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.
23 И пошто се пророк ког беше вратио наједе хлеба и пошто се напи, осамари му магарца.
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan’ ilay mpaminany naveriny.
24 А кад отиде, удеси га лав на путу и закла га. И тело његово лежаше на путу и магарац стајаше код њега; такође и лав стајаше код тела.
Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan’ ny faty.
25 И гле, људи пролазећи видеше тело где лежи на путу и лава где стоји код тела, и дошавши јавише у граду у коме живљаше стари пророк.
Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan’ ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran’ ilay mpaminany antitra.
26 А кад то чу пророк који га беше вратио с пута, рече: Ово је човек Божји, који не послуша речи Господње, зато га даде Господ лаву да га растргне и усмрти по речи Господњој коју му рече.
Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin’ Andriamanitra nandà ny tenin’ i Jehovah izay; fa natolotr’ i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’ i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
27 И рече синовима својим говорећи: Осамарите ми магарца. И осамарише.
Ary izy niteny tamin’ ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy.
28 И отишавши, нађе тело где лежи на путу, и магарца и лава где стоје код тела: Лав не беше изјео тело ни магарца растргао.
Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan’ ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky.
29 Тада пророк подиже тело човека Божијег, и метнув га на магарца, однесе га натраг, и дође у град стари пророк да га ожали и погребе.
Ary nobetain’ ilay mpaminany ny fatin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nasampiny tamin’ ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.
30 И метну тело у свој гроб, и плакаху над њим говорећи: Јаох брате!
Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian’ ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
31 А пошто га погребе, рече синовима својим говорећи: Кад умрем, погребите ме у гробу где је погребен човек Божји, покрај костију његових метните кости моје.
Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin’ ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin’ ny fasana izay ilevenan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra, ka ataovy eo anilan’ ny taolany ny taolako;
32 Јер ће се зацело збити шта је огласио по речи Господњој за олтар ветиљски и за све куће висина које су по градовима самаријским.
fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin’ i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin’ ny alitara ao Betela sy amin’ ny trano rehetra eny amin’ ny fitoerana avo izay any an-tanànan’ i Samaria.
33 Пошто ово би, опет се Јеровоам не врати са свог злог пута; него опет начини из простог народа свештенике висинама; ко год хоћаше, томе он посвећиваше руке и тај постајаше свештеник висинама.
Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin’ ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin’ ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin’ ny fitoerana avo.
34 И то би на грех дому Јеровоамовом да би се истребио и да би га нестало са земље.
Ary dia tonga fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin’ ny tany.