< တီတး 3 >

1 တေ ယထာ ဒေၑာဓိပါနာံ ၑာသကာနာဉ္စ နိဃ္နာ အာဇ္ဉာဂြာဟိဏ္ၑ္စ သရွွသ္မဲ သတ္ကရ္မ္မဏေ သုသဇ္ဇာၑ္စ ဘဝေယုး
Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ ny asa tsara rehetra,
2 ကမပိ န နိန္ဒေယု ရ္နိဝွိရောဓိနး က္ၐာန္တာၑ္စ ဘဝေယုး သရွွာန် ပြတိ စ ပူရ္ဏံ မၖဒုတွံ ပြကာၑယေယုၑ္စေတိ တာန် အာဒိၑ၊
tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ ny olona rehetra.
3 ယတး ပူရွွံ ဝယမပိ နိရ္ဗ္ဗောဓာ အနာဇ္ဉာဂြာဟိဏော ဘြာန္တာ နာနာဘိလာၐာဏာံ သုခါနာဉ္စ ဒါသေယာ ဒုၐ္ဋတွေရ္ၐျာစာရိဏော ဃၖဏိတား ပရသ္ပရံ ဒွေၐိဏၑ္စာဘဝါမး၊
Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
4 ကိန္တွသ္မာကံ တြာတုရီၑွရသျ ယာ ဒယာ မရ္တ္တျာနာံ ပြတိ စ ယာ ပြီတိသ္တသျား ပြာဒုရ္ဘာဝေ ဇာတေ
Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
5 ဝယမ် အာတ္မကၖတေဘျော ဓရ္မ္မကရ္မ္မဘျသ္တန္နဟိ ကိန္တု တသျ ကၖပါတး ပုနရ္ဇန္မရူပေဏ ပြက္ၐာလနေန ပြဝိတြသျာတ္မနော နူတနီကရဏေန စ တသ္မာတ် ပရိတြာဏာံ ပြာပ္တား
dia tsy avy tamin’ ny asa amin’ ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ ny fanasan’ ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ ny Fanahy Masìna,
6 သ စာသ္မာကံ တြာတြာ ယီၑုခြီၐ္ဋေနာသ္မဒုပရိ တမ် အာတ္မာနံ ပြစုရတွေန ဝၖၐ္ဋဝါန်၊
Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
7 ဣတ္ထံ ဝယံ တသျာနုဂြဟေဏ သပုဏျီဘူယ ပြတျာၑယာနန္တဇီဝနသျာဓိကာရိဏော ဇာတား၊ (aiōnios g166)
mba hohamarinina amin’ ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
8 ဝါကျမေတဒ် ဝိၑွသနီယမ် အတော ဟေတောရီၑွရေ ယေ ဝိၑွသိတဝန္တသ္တေ ယထာ သတ္ကရ္မ္မာဏျနုတိၐ္ဌေယုသ္တထာ တာန် ဒၖဎမ် အာဇ္ဉာပယေတိ မမာဘိမတံ၊ တာနျေဝေါတ္တမာနိ မာနဝေဘျး ဖလဒါနိ စ ဘဝန္တိ၊
Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’ izay efa mino an’ Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
9 မူဎေဘျး ပြၑ္နဝံၑာဝလိဝိဝါဒေဘျော ဝျဝသ္ထာယာ ဝိတဏ္ဍာဘျၑ္စ နိဝရ္တ္တသွ ယတသ္တာ နိၐ္ဖလာ အနရ္ထကာၑ္စ ဘဝန္တိ၊
Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
10 ယော ဇနော ဗိဘိတ္သုသ္တမ် ဧကဝါရံ ဒွိရွွာ ပြဗောဓျ ဒူရီကုရု,
Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
11 ယတသ္တာဒၖၑော ဇနော ဝိပထဂါမီ ပါပိၐ္ဌ အာတ္မဒေါၐကၑ္စ ဘဝတီတိ တွယာ ဇ္ဉာယတာံ၊
satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
12 ယဒါဟမ် အာရ္တ္တိမာံ တုခိကံ ဝါ တဝ သမီပံ ပြေၐယိၐျာမိ တဒါ တွံ နီကပလော် မမ သမီပမ် အာဂန္တုံ ယတသွ ယတသ္တတြဲဝါဟံ ၑီတကာလံ ယာပယိတုံ မတိမ် အကာရ္ၐံ၊
Rehefa maniraka an’ i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
13 ဝျဝသ္ထာပကး သီနာ အာပလ္လုၑ္စဲတယေား ကသျာပျဘာဝေါ ယန္န ဘဝေတ် တဒရ္ထံ တော် ယတ္နေန တွယာ ဝိသၖဇျေတာံ၊
Mazotoa hamoaka an’ i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
14 အပရမ် အသ္မဒီယလောကာ ယန္နိၐ္ဖလာ န ဘဝေယုသ္တဒရ္ထံ ပြယောဇနီယောပကာရာယာ သတ္ကရ္မ္မာဏျနုၐ္ဌာတုံ ၑိက္ၐန္တာံ၊
Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
15 မမ သင်္ဂိနး သဝွေ တွာံ နမသ္ကုရွွတေ၊ ယေ ဝိၑွာသာဒ် အသ္မာသု ပြီယန္တေ တာန် နမသ္ကုရု; သရွွေၐု ယုၐ္မာသွနုဂြဟော ဘူယာတ်၊ အာမေန်၊
Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin’ ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.

< တီတး 3 >