< ပြကာၑိတံ 7 >

1 အနန္တရံ စတွာရော ဒိဝျဒူတာ မယာ ဒၖၐ္ဋား, တေ ပၖထိဝျာၑ္စတုရ္ၐု ကောဏေၐု တိၐ္ဌနတး ပၖထိဝျာံ သမုဒြေ ဝၖက္ၐေၐု စ ဝါယု ရျထာ န ဝဟေတ် တထာ ပၖထိဝျာၑ္စတုရော ဝါယူန် ဓာရယန္တိ၊
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin’ ny tany, na amin’ ny ranomasina, na amin’ ny hazo akory aza.
2 အနန္တရံ သူရျျောဒယသ္ထာနာဒ် ဥဒျန် အပရ ဧကော ဒူတော မယာ ဒၖၐ္ဋး သော'မရေၑွရသျ မုဒြာံ ဓာရယတိ, ယေၐု စရ္တုၐု ဒူတေၐု ပၖထိဝီသမုဒြယော ရှိံသနသျ ဘာရော ဒတ္တသ္တာန် သ ဥစ္စဲရိဒံ အဝဒတ်၊
Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ ny feo mahery nanao hoe:
3 ဤၑွရသျ ဒါသာ ယာဝဒ် အသ္မာဘိ ရ္ဘာလေၐု မုဒြယာင်္ကိတာ န ဘဝိၐျန္တိ တာဝတ် ပၖထိဝီ သမုဒြော တရဝၑ္စ ယုၐ္မာဘိ ရ္န ဟိံသျန္တာံ၊
Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin’ ny handrin’ ny mpanompon’ Andriamanitsika.
4 တတး ပရံ မုဒြာင်္ကိတလောကာနာံ သံချာ မယာၑြာဝိ၊ ဣသြာယေလး သရွွဝံၑာယာၑ္စတုၑ္စတွာရိံၑတ္သဟသြာဓိကလက္ၐလောကာ မုဒြယာင်္ကိတာ အဘဝန်,
Ary nahare ny isan’ izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ isiraely rehetra.
5 အရ္ထတော ယိဟူဒါဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ ရူဗေဏဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ ဂါဒဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ,
Avy tamin’ ny firenen’ i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ ny firenen’ i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Gada roa arivo amby iray alina.
6 အာၑေရဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ နပ္တာလိဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ မိနၑိဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ,
Avy tamin’ ny firenen’ i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Manase roa arivo amby iray alina.
7 ၑိမိယောနဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ လေဝိဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ ဣၐာခရဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ,
Avy tamin’ ny firenen’ i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ Isakara roa arivo amby iray alina.
8 သိဗူလူနဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ ယူၐဖဝံၑေ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ ဗိနျာမီနဝံၑေ စ ဒွါဒၑသဟသြာဏိ လောကာ မုဒြာင်္ကိတား၊
Avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
9 တတး ပရံ သရွွဇာတီယာနာံ သရွွဝံၑီယာနာံ သရွွဒေၑီယာနာံ သရွွဘာၐာဝါဒိနာဉ္စ မဟာလောကာရဏျံ မယာ ဒၖၐ္ဋံ, တာန် ဂဏယိတုံ ကေနာပိ န ၑကျံ, တေ စ ၑုဘြပရိစ္ဆဒပရိဟိတား သန္တး ကရဲၑ္စ တာလဝၖန္တာနိ ဝဟန္တး သိံဟာသနသျ မေၐၑာဝကသျ စာန္တိကေ တိၐ္ဌန္တိ,
Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
10 ဥစ္စဲးသွရဲရိဒံ ကထယန္တိ စ, သိံဟာသနောပဝိၐ္ဋသျ ပရမေၑသျ နး သ္တဝး၊ သ္တဝၑ္စ မေၐဝတ္သသျ သမ္ဘူယာတ် တြာဏကာရဏာတ်၊
dia niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, sy ho an’ ny Zanak’ ondry.
11 တတး သရွွေ ဒူတား သိံဟာသနသျ ပြာစီနဝရ္ဂသျ ပြာဏိစတုၐ္ဋယသျ စ ပရိတသ္တိၐ္ဌန္တး သိံဟာသနသျာန္တိကေ နျူဗ္ဇီဘူယေၑွရံ ပြဏမျ ဝဒန္တိ,
Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ ny loholona sy ny zava-manan’ aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’ Andriamanitra
12 တထာသ္တု ဓနျဝါဒၑ္စ တေဇော ဇ္ဉာနံ ပြၑံသနံ၊ ၑော်ရျျံ ပရာကြမၑ္စာပိ ၑက္တိၑ္စ သရွွမေဝ တတ်၊ ဝရ္တ္တတာမီၑွရေ'သ္မာကံ နိတျံ နိတျံ တထာသ္တွိတိ၊ (aiōn g165)
nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an’ Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
13 တတး ပရံ တေၐာံ ပြာစီနာနာမ် ဧကော ဇနော မာံ သမ္ဘာၐျ ဇဂါဒ ၑုဘြပရိစ္ဆဒပရိဟိတာ ဣမေ ကေ? ကုတော ဝါဂတား?
Ary ny anankiray tamin’ ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?
14 တတော မယောက္တံ ဟေ မဟေစ္ဆ ဘဝါနေဝ တတ် ဇာနာတိ၊ တေန ကထိတံ, ဣမေ မဟာက္လေၑမဓျာဒ် အာဂတျ မေၐၑာဝကသျ ရုဓိရေဏ သွီယပရိစ္ဆဒါန် ပြက္ၐာလိတဝန္တး ၑုက္လီကၖတဝန္တၑ္စ၊
Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry.
15 တတ္ကာရဏာတ် တ ဤၑွရသျ သိံဟာသနသျာန္တိကေ တိၐ္ဌန္တော ဒိဝါရာတြံ တသျ မန္ဒိရေ တံ သေဝန္တေ သိံဟာသနောပဝိၐ္ဋော ဇနၑ္စ တာန် အဓိသ္ထာသျတိ၊
Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’ alina eo amin’ ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
16 တေၐာံ က္ၐုဓာ ပိပါသာ ဝါ ပုန ရ္န ဘဝိၐျတိ ရော်ဒြံ ကောပျုတ္တာပေါ ဝါ တေၐု န နိပတိၐျတိ,
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.
17 ယတး သိံဟာသနာဓိၐ္ဌာနကာရီ မေၐၑာဝကသ္တာန် စာရယိၐျတိ, အမၖတတောယာနာံ ပြသြဝဏာနာံ သန္နိဓိံ တာန် ဂမယိၐျတိ စ, ဤၑွရော'ပိ တေၐာံ နယနဘျး သရွွမၑြု ပြမာရ္က္ၐျတိ၊
Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony.

< ပြကာၑိတံ 7 >