< ၁ ကရိန္ထိနး 15 >

1 ဟေ ဘြာတရး, ယး သုသံဝါဒေါ မယာ ယုၐ္မတ္သမီပေ နိဝေဒိတော ယူယဉ္စ ယံ ဂၖဟီတဝန္တ အာၑြိတဝန္တၑ္စ တံ ပုန ရျုၐ္မာန် ဝိဇ္ဉာပယာမိ၊
Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
2 ယုၐ္မာကံ ဝိၑွာသော ယဒိ ဝိတထော န ဘဝေတ် တရှိ သုသံဝါဒယုက္တာနိ မမ ဝါကျာနိ သ္မရတာံ ယုၐ္မာကံ တေန သုသံဝါဒေန ပရိတြာဏံ ဇာယတေ၊
izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
3 ယတော'ဟံ ယဒ် ယတ် ဇ္ဉာပိတသ္တဒနုသာရာတ် ယုၐ္မာသု မုချာံ ယာံ ၑိက္ၐာံ သမာရ္ပယံ သေယံ, ၑာသ္တြာနုသာရာတ် ခြီၐ္ဋော'သ္မာကံ ပါပမောစနာရ္ထံ ပြာဏာန် တျက္တဝါန်,
Fa natolotro anareo ho isan’ ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masìna,
4 ၑ္မၑာနေ သ္ထာပိတၑ္စ တၖတီယဒိနေ ၑာသ္တြာနုသာရာတ် ပုနရုတ္ထာပိတး၊
dia nalevina, ary natsangana tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masìna;
5 သ စာဂြေ ကဲဖဲ တတး ပရံ ဒွါဒၑၑိၐျေဘျော ဒရ္ၑနံ ဒတ္တဝါန်၊
ary niseho tamin’ i Kefasy Izy, dia vao tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy koa.
6 တတး ပရံ ပဉ္စၑတာဓိကသံချကေဘျော ဘြာတၖဘျော ယုဂပဒ် ဒရ္ၑနံ ဒတ္တဝါန် တေၐာံ ကေစိတ် မဟာနိဒြာံ ဂတာ ဗဟုတရာၑ္စာဒျာပိ ဝရ္တ္တန္တေ၊
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan’ ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
7 တဒနန္တရံ ယာကူဗာယ တတ္ပၑ္စာတ် သရွွေဘျး ပြေရိတေဘျော ဒရ္ၑနံ ဒတ္တဝါန်၊
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ i Jakoba Izy, dia tamin’ ny Apostoly rehetra.
8 သရွွၑေၐေ'ကာလဇာတတုလျော ယော'ဟံ, သော'ဟမပိ တသျ ဒရ္ၑနံ ပြာပ္တဝါန်၊
Ary faran’ izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
9 ဤၑွရသျ သမိတိံ ပြတိ ဒေါ်ရာတ္မျာစရဏာဒ် အဟံ ပြေရိတနာမ ဓရ္တ္တုမ် အယောဂျသ္တသ္မာတ် ပြေရိတာနာံ မဓျေ က္ၐုဒြတမၑ္စာသ္မိ၊
Fa izaho dia ambany indrindra amin’ ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra aho.
10 ယာဒၖၑော'သ္မိ တာဒၖၑ ဤၑွရသျာနုဂြဟေဏဲဝါသ္မိ; အပရံ မာံ ပြတိ တသျာနုဂြဟော နိၐ္ဖလော နာဘဝတ်, အနျေဘျး သရွွေဘျော မယာဓိကး ၑြမး ကၖတး, ကိန္တု သ မယာ ကၖတသ္တန္နဟိ မတ္သဟကာရိဏေၑွရသျာနုဂြဟေဏဲဝ၊
Fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
11 အတဧဝ မယာ ဘဝေတ် တဲ ရွာ ဘဝေတ် အသ္မာဘိသ္တာဒၖၑီ ဝါရ္တ္တာ ဃောၐျတေ သဲဝ စ ယုၐ္မာဘိ ရွိၑွာသေန ဂၖဟီတာ၊
Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
12 မၖတျုဒၑာတး ခြီၐ္ဋ ဥတ္ထာပိတ ဣတိ ဝါရ္တ္တာ ယဒိ တမဓိ ဃောၐျတေ တရှိ မၖတလောကာနာမ် ဥတ္ထိတိ ရ္နာသ္တီတိ ဝါဂ် ယုၐ္မာကံ မဓျေ ကဲၑ္စိတ် ကုတး ကထျတေ?
Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ ny maty, ahoana no ilazan’ ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ ny maty?
13 မၖတာနာမ် ဥတ္ထိတိ ရျဒိ န ဘဝေတ် တရှိ ခြီၐ္ဋော'ပိ နောတ္ထာပိတး
Fa raha tsy misy fitsanganan’ ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
14 ခြီၐ္ဋၑ္စ ယဒျနုတ္ထာပိတး သျာတ် တရှျသ္မာကံ ဃောၐဏံ ဝိတထံ ယုၐ္မာကံ ဝိၑွာသော'ပိ ဝိတထး၊
ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
15 ဝယဉ္စေၑွရသျ မၖၐာသာက္ၐိဏော ဘဝါမး, ယတး ခြီၐ္ဋ သ္တေနောတ္ထာပိတး ဣတိ သာက္ၐျမ် အသ္မာဘိရီၑွရမဓိ ဒတ္တံ ကိန္တု မၖတာနာမုတ္ထိတိ ရျဒိ န ဘဝေတ် တရှိ သ တေန နောတ္ထာပိတး၊
Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’ Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’ i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.
16 ယတော မၖတာနာမုတ္ထိတိ ရျတိ န ဘဝေတ် တရှိ ခြီၐ္ဋော'ပျုတ္ထာပိတတွံ န ဂတး၊
Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
17 ခြီၐ္ဋသျ ယဒျနုတ္ထာပိတး သျာတ် တရှိ ယုၐ္မာကံ ဝိၑွာသော ဝိတထး, ယူယမ် အဒျာပိ သွပါပေၐု မဂ္နာသ္တိၐ္ဌထ၊
ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany ianareo;
18 အပရံ ခြီၐ္ဋာၑြိတာ ယေ မာနဝါ မဟာနိဒြာံ ဂတာသ္တေ'ပိ နာၑံ ဂတား၊
dia very koa izay efa nodimandry ao amin’ i Kristy.
19 ခြီၐ္ဋော ယဒိ ကေဝလမိဟလောကေ 'သ္မာကံ ပြတျာၑာဘူမိး သျာတ် တရှိ သရွွမရ္တျေဘျော ဝယမေဝ ဒုရ္ဘာဂျား၊
Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
20 ဣဒါနီံ ခြီၐ္ဋော မၖတျုဒၑာတ ဥတ္ထာပိတော မဟာနိဒြာဂတာနာံ မဓျေ ပြထမဖလသွရူပေါ ဇာတၑ္စ၊
Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ ny maty tokoa Kristy ho santatr’ izay efa nodi-mandry.
21 ယတော ယဒွတ် မာနုၐဒွါရာ မၖတျုး ပြာဒုရ္ဘူတသ္တဒွတ် မာနုၐဒွါရာ မၖတာနာံ ပုနရုတ္ထိတိရပိ ပြဒုရ္ဘူတာ၊
Ary satria ny olona iray no nisehoan’ ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ ny fitsanganan’ ny maty.
22 အာဒမာ ယထာ သရွွေ မရဏာဓီနာ ဇာတာသ္တထာ ခြီၐ္ဋေန သရွွေ ဇီဝယိၐျန္တေ၊
Fa tahaka ny ahafatesan’ ny olona rehetra ao amin’ i Adama no ahaveloman’ ny olona rehetra kosa ao amin’ i Kristy.
23 ကိန္တွေကဲကေန ဇနေန နိဇေ နိဇေ ပရျျာယ ဥတ္ထာတဝျံ ပြထမတး ပြထမဇာတဖလသွရူပေန ခြီၐ္ဋေန, ဒွိတီယတသ္တသျာဂမနသမယေ ခြီၐ္ဋသျ လောကဲး၊
Nefa samy amin’ ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’ i Kristy amin’ ny fihaviany.
24 တတး ပရမ် အန္တော ဘဝိၐျတိ တဒါနီံ သ သရွွံ ၑာသနမ် အဓိပတိတွံ ပရာကြမဉ္စ လုပ္တွာ သွပိတရီၑွရေ ရာဇတွံ သမရ္ပယိၐျတိ၊
Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’ izay dia hatolony ho an’ Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
25 ယတး ခြီၐ္ဋသျ ရိပဝး သရွွေ ယာဝတ် တေန သွပါဒယောရဓော န နိပါတယိၐျန္တေ တာဝတ် တေနဲဝ ရာဇတွံ ကရ္တ္တဝျံ၊
Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ ny tongony.
26 တေန ဝိဇေတဝျော ယး ၑေၐရိပုး သ မၖတျုရေဝ၊
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
27 လိခိတမာသ္တေ သရွွာဏိ တသျ ပါဒယော ရွၑီကၖတာနိ၊ ကိန္တု သရွွာဏျေဝ တသျ ဝၑီကၖတာနီတျုက္တေ သတိ သရွွာဏိ ယေန တသျ ဝၑီကၖတာနိ သ သွယံ တသျ ဝၑီဘူတော န ဇာတ ဣတိ ဝျက္တံ၊
Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin’ ny tongony. Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan’ izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
28 သရွွေၐု တသျ ဝၑီဘူတေၐု သရွွာဏိ ယေန ပုတြသျ ဝၑီကၖတာနိ သွယံ ပုတြော'ပိ တသျ ဝၑီဘူတော ဘဝိၐျတိ တတ ဤၑွရး သရွွေၐု သရွွ ဧဝ ဘဝိၐျတိ၊
Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.
29 အပရံ ပရေတလောကာနာံ ဝိနိမယေန ယေ မဇ္ဇျန္တေ တဲး ကိံ လပ္သျတေ? ယေၐာံ ပရေတလောကာနာမ် ဥတ္ထိတိး ကေနာပိ ပြကာရေဏ န ဘဝိၐျတိ တေၐာံ ဝိနိမယေန ကုတော မဇ္ဇနမပိ တဲရင်္ဂီကြိယတေ?
Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin’ ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?
30 ဝယမပိ ကုတး ပြတိဒဏ္ဍံ ပြာဏဘီတိမ် အင်္ဂီကုရ္မ္မဟေ?
Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
31 အသ္မတ္ပြဘုနာ ယီၑုခြီၐ္ဋေန ယုၐ္မတ္တော မမ ယာ ၑ္လာဃာသ္တေ တသျား ၑပထံ ကၖတွာ ကထယာမိ ဒိနေ ဒိနေ'ဟံ မၖတျုံ ဂစ္ဆာမိ၊
Lazaiko marina, ry rahalahy, amin’ ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan’ andro aho.
32 ဣဖိၐနဂရေ ဝနျပၑုဘိး သာရ္ဒ္ဓံ ယဒိ လော်ကိကဘာဝါတ် မယာ ယုဒ္ဓံ ကၖတံ တရှိ တေန မမ ကော လာဘး? မၖတာနာမ် ဥတ္ထိတိ ရျဒိ န ဘဝေတ် တရှိ, ကုရ္မ္မော ဘောဇနပါနေ'ဒျ ၑွသ္တု မၖတျု ရ္ဘဝိၐျတိ၊
Raha araka ny fanaon’ olona no niadiako tamin’ ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’ izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
33 ဣတျနေန ဓရ္မ္မာတ် မာ ဘြံၑဓွံ၊ ကုသံသရ္ဂေဏ လောကာနာံ သဒါစာရော ဝိနၑျတိ၊
Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
34 ယူယံ ယထောစိတံ သစဲတနျာသ္တိၐ္ဌတ, ပါပံ မာ ကုရုဓွံ, ယတော ယုၐ္မာကံ မဓျ ဤၑွရီယဇ္ဉာနဟီနား ကေ'ပိ ဝိဒျန္တေ ယုၐ္မာကံ တြပါယဲ မယေဒံ ဂဒျတေ၊
Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’ Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
35 အပရံ မၖတလောကား ကထမ် ဥတ္ထာသျန္တိ? ကီဒၖၑံ ဝါ ၑရီရံ လဗ္ဓွာ ပုနရေၐျန္တီတိ ဝါကျံ ကၑ္စိတ် ပြက္ၐျတိ၊
Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
36 ဟေ အဇ္ဉ တွယာ ယဒ် ဗီဇမ် ဥပျတေ တဒ် ယဒိ န မြိယေတ တရှိ န ဇီဝယိၐျတေ၊
Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
37 ယယာ မူရ္တ္တျာ နိရ္ဂန္တဝျံ သာ တွယာ နောပျတေ ကိန္တု ၑုၐ္ကံ ဗီဇမေဝ; တစ္စ ဂေါဓူမာဒီနာံ ကိမပိ ဗီဇံ ဘဝိတုံ ၑက္နောတိ၊
ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary, na voa hafa;
38 ဤၑွရေဏေဝ ယထာဘိလာၐံ တသ္မဲ မူရ္တ္တိ ရ္ဒီယတေ, ဧကဲကသ္မဲ ဗီဇာယ သွာ သွာ မူရ္တ္တိရေဝ ဒီယတေ၊
fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.
39 သရွွာဏိ ပလလာနိ နဲကဝိဓာနိ သန္တိ, မနုၐျပၑုပက္ၐိမတ္သျာဒီနာံ ဘိန္နရူပါဏိ ပလလာနိ သန္တိ၊
Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an’ ny olona, ary hafa ny nofon’ ny biby, ary hafa ny nofon’ ny vorona, ary hafa ny an’ ny hazandrano.
40 အပရံ သွရ္ဂီယာ မူရ္တ္တယး ပါရ္ထိဝါ မူရ္တ္တယၑ္စ ဝိဒျန္တေ ကိန္တု သွရ္ဂီယာနာမ် ဧကရူပံ တေဇး ပါရ္ထိဝါနာဉ္စ တဒနျရူပံ တေဇော'သ္တိ၊
Ary misy tenan’ ny any an-danitra, ary misy tenan’ ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ ny etỳ an-tany.
41 သူရျျသျ တေဇ ဧကဝိဓံ စန္ဒြသျ တေဇသ္တဒနျဝိဓံ တာရာဏာဉ္စ တေဇော'နျဝိဓံ, တာရာဏာံ မဓျေ'ပိ တေဇသသ္တာရတမျံ ဝိဒျတေ၊
Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
42 တတြ လိခိတမာသ္တေ ယထာ, ‘အာဒိပုရုၐ အာဒမ် ဇီဝတ္ပြာဏီ ဗဘူဝ,’ ကိန္တွန္တိမ အာဒမ် (ခြီၐ္ဋော) ဇီဝနဒါယက အာတ္မာ ဗဘူဝ၊
Dia toy izany koa ny fitsanganan’ ny maty: Afafy amin’ ny fahalòvana izy, atsangana amin’ ny tsi-fahalòvana;
43 ယဒ် ဥပျတေ တတ် တုစ္ဆံ ယစ္စောတ္ထာသျတိ တဒ် ဂေါ်ရဝါနွိတံ; ယဒ် ဥပျတေ တန္နိရ္ဗ္ဗလံ ယစ္စောတ္ထာသျတိ တတ် ၑက္တိယုက္တံ၊
afafy amin’ ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin’ ny voninahitra; afafy amin’ ny fahalemena izy, atsangana amin’ ny hery;
44 ယတ် ၑရီရမ် ဥပျတေ တတ် ပြာဏာနာံ သဒ္မ, ယစ္စ ၑရီရမ် ဥတ္ထာသျတိ တဒ် အာတ္မနး သဒ္မ၊ ပြာဏသဒ္မသွရူပံ ၑရီရံ ဝိဒျတေ, အာတ္မသဒ္မသွရူပမပိ ၑရီရံ ဝိဒျတေ၊
afafy tena araka ny fomban’ aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban’ aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
45 တတြ လိခိတမာသ္တေ ယထာ, အာဒိပုရုၐ အာဒမ် ဇီဝတ္ပြာဏီ ဗဘူဝ, ကိန္တွန္တိမ အာဒမ် (ခြီၐ္ဋော) ဇီဝနဒါယက အာတ္မာ ဗဘူဝ၊
Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan’ aina; Adama farany natao fanahy mahavelona.
46 အာတ္မသဒ္မ န ပြထမံ ကိန္တု ပြာဏသဒ္မဲဝ တတ္ပၑ္စာဒ် အာတ္မသဒ္မ၊
Anefa tsy izay amin’ ny fanahy no voalohany, fa izay amin’ ny manan’ aina, dia vao izay amin’ ny fanahy.
47 အာဒျး ပုရုၐေ မၖဒ ဥတ္ပန္နတွာတ် မၖဏ္မယော ဒွိတီယၑ္စ ပုရုၐး သွရ္ဂာဒ် အာဂတး ပြဘုး၊
Ny olona voalohany avy amin’ ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
48 မၖဏ္မယော ယာဒၖၑ အာသီတ် မၖဏ္မယား သရွွေ တာဒၖၑာ ဘဝန္တိ သွရ္ဂီယၑ္စ ယာဒၖၑော'သ္တိ သွရ္ဂီယား သရွွေ တာဒၖၑာ ဘဝန္တိ၊
Izay amin’ ny tany dia tahaka ilay amin’ ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.
49 မၖဏ္မယသျ ရူပံ ယဒွဒ် အသ္မာဘိ ရ္ဓာရိတံ တဒွတ် သွရ္ဂီယသျ ရူပမပိ ဓာရယိၐျတေ၊
Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ ny tany no hitondrantsika ny endrik’ ilay any an-danitra koa.
50 ဟေ ဘြာတရး, ယုၐ္မာန် ပြတိ ဝျာဟရာမိ, ဤၑွရသျ ရာဇျေ ရက္တမာံသယောရဓိကာရော ဘဝိတုံ န ၑက္နောတိ, အက္ၐယတွေ စ က္ၐယသျာဓိကာရော န ဘဝိၐျတိ၊
Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.
51 ပၑျတာဟံ ယုၐ္မဘျံ နိဂူဎာံ ကထာံ နိဝေဒယာမိ၊
Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
52 သရွွဲရသ္မာဘိ ရ္မဟာနိဒြာ န ဂမိၐျတေ ကိန္တွန္တိမဒိနေ တူရျျာံ ဝါဒိတာယာမ် ဧကသ္မိန် ဝိပလေ နိမိၐဲကမဓျေ သရွွဲ ရူပါန္တရံ ဂမိၐျတေ, ယတသ္တူရီ ဝါဒိၐျတေ, မၖတလောကာၑ္စာက္ၐယီဘူတာ ဥတ္ထာသျန္တိ ဝယဉ္စ ရူပါန္တရံ ဂမိၐျာမး၊
fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.
53 ယတး က္ၐယဏီယေနဲတေန ၑရီရေဏာက္ၐယတွံ ပရိဟိတဝျံ, မရဏာဓီနေနဲတေန ဒေဟေန စာမရတွံ ပရိဟိတဝျံ၊
Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
54 ဧတသ္မိန် က္ၐယဏီယေ ၑရီရေ 'က္ၐယတွံ ဂတေ, ဧတသ္မန် မရဏာဓီနေ ဒေဟေ စာမရတွံ ဂတေ ၑာသ္တြေ လိခိတံ ဝစနမိဒံ သေတ္သျတိ, ယထာ, ဇယေန ဂြသျတေ မၖတျုး၊
Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona.
55 မၖတျော တေ ကဏ္ဋကံ ကုတြ ပရလောက ဇယး က္က တေ။ (Hadēs g86)
Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hadēs g86)
56 မၖတျေား ကဏ္ဋကံ ပါပမေဝ ပါပသျ စ ဗလံ ဝျဝသ္ထာ၊
Fa ny ota no fanindronan’ ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ ny ota.
57 ဤၑွရၑ္စ ဓနျော ဘဝတု ယတး သော'သ္မာကံ ပြဘုနာ ယီၑုခြီၐ္ဋေနာသ္မာန် ဇယယုက္တာန် ဝိဓာပယတိ၊
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
58 အတော ဟေ မမ ပြိယဘြာတရး; ယူယံ သုသ္ထိရာ နိၑ္စလာၑ္စ ဘဝတ ပြဘေား သေဝါယာံ ယုၐ္မာကံ ပရိၑြမော နိၐ္ဖလော န ဘဝိၐျတီတိ ဇ္ဉာတွာ ပြဘေား ကာရျျေ သဒါ တတ္ပရာ ဘဝတ၊
Koa amin’ izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo.

< ၁ ကရိန္ထိနး 15 >