< Псалтирь 72 >

1 О Соломоне. Боже! даруй царю Твой суд и сыну царя Твою правду,
Nataon’ i Solomona.
2 да судит праведно людей Твоих и нищих Твоих на суде;
Hitsara ny olonao amin’ ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin’ ny fahitsiana.
3 да принесут горы мир людям и холмы правду;
Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ ny olona, eny, ny havoana koa amin’ ny fahamarinana.
4 да судит нищих народа, да спасет сынов убогого и смирит притеснителя, -
Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
5 и будут бояться Тебя, доколе пребудут солнце и луна, в роды родов.
Hatahotra anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
6 Он сойдет, как дождь на скошенный луг, как капли, орошающие землю;
Hidina tahaka ny ranonorana amin’ ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin’ ny tany.
7 во дни его процветет праведник, и будет обилие мира, доколе не престанет луна;
Ny marina hitrebona amin’ ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
8 он будет обладать от моря до моря и от реки до концов земли;
Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
9 падут пред ним жители пустынь, и враги его будут лизать прах;
Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
10 цари Фарсиса и островов поднесут ему дань; цари Аравии и Савы принесут дары;
Ny mpanjakan’ i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan’ i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
11 и поклонятся ему все цари; все народы будут служить ему;
Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
12 ибо он избавит нищего, вопиющего и угнетенного, у которого нет помощника.
Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
13 Будет милосерд к нищему и убогому, и души убогих спасет;
Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ ny malahelo.
14 от коварства и насилия избавит души их, и драгоценна будет кровь их пред очами его;
Hanavotra ny fanahiny amin’ ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.
15 и будет жить, и будут давать ему от золота Аравии, и будут молиться о нем непрестанно, всякий день благословлять его;
Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan’ andro no hisaorany azy.
16 будет обилие хлеба на земле, наверху гор; плоды его будут волноваться, как лес на Ливане, и в городах размножатся люди, как трава на земле;
Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany.
17 будет имя его вовек; доколе пребывает солнце, будет передаваться имя его; и благословятся в нем племена, все народы ублажат его.
Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
18 Благословен Господь Бог, Бог Израилев, един творящий чудеса,
Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
19 и благословенно имя славы Его вовек, и наполнится славою Его вся земля. Аминь и аминь.
Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.
20 Кончились молитвы Давида, сына Иесеева.
Tapitra ny fivavak’ i Davida, zanak’ i Jese.

< Псалтирь 72 >