< Иов 6 >

1 И отвечал Иов и сказал:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 о, если бы верно взвешены были вопли мои, и вместе с ними положили на весы страдание мое!
Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin’ ny mizana izy sy ny fahoriako!
3 Оно верно перетянуло бы песок морей! Оттого слова мои неистовы.
Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
4 Ибо стрелы Вседержителя во мне; яд их пьет дух мой; ужасы Божии ополчились против меня.
Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
5 Ревет ли дикий осел на траве? мычит ли бык у месива своего?
Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin’ ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin’ ny fihinany?
6 Едят ли безвкусное без соли, и есть ли вкус в яичном белке?
Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin’ atody?
7 До чего не хотела коснуться душа моя, то составляет отвратительную пищу мою.
Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
8 О, когда бы сбылось желание мое и чаяние мое исполнил Бог!
Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen’ Andriamanitra ahy anie izay iriko!
9 О, если бы благоволил Бог сокрушить меня, простер руку Свою и сразил меня!
Ka ho sitrak’ Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
10 Это было бы еще отрадою мне, и я крепился бы в моей беспощадной болезни, ибо я не отвергся изречений Святаго.
Dia hahita fiononana amin’ izany aho ka hiravoravo na dia amin’ ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin’ ny Iray Masìna aho.
11 Что за сила у меня, чтобы надеяться мне? и какой конец, чтобы длить мне жизнь мою?
Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho?
12 Твердость ли камней твердость моя? и медь ли плоть моя?
Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
13 Есть ли во мне помощь для меня, и есть ли для меня какая опора?
Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
14 К страждущему должно быть сожаление от друга его, если только он не оставил страха к Вседержителю.
Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
15 Но братья мои неверны, как поток, как быстро текущие ручьи,
Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
16 которые черны от льда и в которых скрывается снег.
Izay mainty azon’ ny ranomandry Sady iafenan’ ny oram-panala;
17 Когда становится тепло, они умаляются, а во время жары исчезают с мест своих.
Fa raha taninin’ ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin’ ny fitoerany izy;
18 Уклоняют они направление путей своих, заходят в пустыню и теряются;
Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
19 смотрят на них дороги Фемайские, надеются на них пути Савейские,
Ny antokon’ i Tema mitazana, ny andian’ i Sheba manantena azy;
20 но остаются пристыженными в своей надежде; приходят туда и от стыда краснеют.
Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
21 Так и вы теперь ничто: увидели страшное и испугались.
Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
22 Говорил ли я: дайте мне, или от достатка вашего заплатите за меня;
Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin’ ny fanananareo,
23 и избавьте меня от руки врага, и от руки мучителей выкупите меня?
Ary vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalo aho, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpitohatoha?
24 Научите меня, и я замолчу; укажите, в чем я погрешил.
Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
25 Как сильны слова правды! Но что доказывают обличения ваши?
Endrey ny herin’ ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
26 Вы придумываете речи для обличения? На ветер пускаете слова ваши.
Ny amin’ ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin’ ny rivotra ny tenin’ ny olona mamoy fo.
27 Вы нападаете на сироту и роете яму другу вашему.
Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
28 Но прошу вас, взгляните на меня; буду ли я говорить ложь пред лицом вашим?
Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
29 Пересмотрите, есть ли неправда? пересмотрите, - правда моя.
Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
30 Есть ли на языке моем неправда? Неужели гортань моя не может различить горечи?
Moa misy heloka va eo amin’ ny lelako?

< Иов 6 >