< Исаия 49 >
1 Слушайте Меня, острова, и внимайте, народы дальние: Господь призвал Меня от чрева, от утробы матери Моей называл имя Мое;
Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’ ineny no efa nankalazainy ny anarako.
2 и соделал уста Мои как острый меч; тенью руки Своей покрывал Меня, и соделал Меня стрелою изостренною; в колчане Своем хранил Меня;
Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin’ ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
3 и сказал Мне: Ты раб Мой, Израиль, в Тебе Я прославлюсь.
Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
4 А Я сказал: напрасно Я трудился, ни на что и вотще истощал силу Свою. Но Мое право у Господа, и награда Моя у Бога Моего.
Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’ i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin’ ny asako dia ao amin’ Andriamanitro.
5 И ныне говорит Господь, образовавший Меня от чрева в раба Себе, чтобы обратить к Нему Иакова и чтобы Израиль собрался к Нему; Я почтен в очах Господа, и Бог Мой - сила Моя.
Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’ i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
6 И Он сказал: мало того, что Ты будешь рабом Моим для восстановления колен Иаковлевых и для возвращения остатков Израиля, но Я сделаю Тебя светом народов, чтобы спасение Мое простерлось до концов земли.
Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany.
7 Так говорит Господь, Искупитель Израиля, Святый Его, презираемому всеми, поносимому народом, рабу властелинов: цари увидят, и встанут; князья поклонятся ради Господа, Который верен, ради Святаго Израилева, Который избрал Тебя.
Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin’ Ilay hamavoin’ ny olona sy halan’ ny firenena ka tonga mpanompon’ ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin’ i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
8 Так говорит Господь: во время благоприятное Я услышал Тебя, и в день спасения помог Тебе; и Я буду охранять Тебя, и сделаю Тебя заветом народа, чтобы восстановить землю, чтобы возвратить наследникам наследия опустошенные,
Izao no lazain’ i Jehovah: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
9 сказать узникам: “выходите”, и тем, которые во тьме: “покажитесь”. Они при дорогах будут пасти, и по всем холмам будут пажити их;
ka hanao amin’ ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin’ izay ao amin’ ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany.
10 не будут терпеть голода и жажды, и не поразит их зной и солнце; ибо Милующий их будет вести их и приведет их к источникам вод.
Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
11 И все горы Мои сделаю путем, и дороги Мои будут подняты.
Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
12 Вот, одни придут издалека; и вот, одни от севера и моря, а другие из земли Синим.
Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ ny tany Sinima ireto.
13 Радуйтесь, небеса, и веселись, земля, и восклицайте, горы, от радости; ибо утешил Господь народ Свой и помиловал страдальцев Своих.
Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ ny olony mahantra.
14 А Сион говорил: “оставил меня Господь, и Бог мой забыл меня!”
Fa hoy Ziona’ Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoto efa nanadino ahy.
15 Забудет ли женщина грудное дитя свое, чтобы не пожалеть сына чрева своего? но если бы и она забыла, то Я не забуду тебя.
Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
16 Вот, Я начертал тебя на дланях Моих; стены твои всегда предо Мною.
Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
17 Сыновья твои поспешат к тебе, а разорители и опустошители твои уйдут от тебя.
Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
18 Возведи очи твои и посмотри вокруг, - все они собираются, идут к тебе. Живу Я! говорит Господь, - всеми ими ты облечешься, как убранством, и нарядишься ими, как невеста.
Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon’ ny ampakarina.
19 Ибо развалины твои и пустыни твои, и разоренная земля твоя будут теперь слишком тесны для жителей, и поглощавшие тебя удалятся от тебя.
Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin’ izany noho ny habetsahan’ ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.
20 Дети, которые будут у тебя после потери прежних, будут говорить вслух тебе: “тесно для меня место; уступи мне, чтобы я мог жить”.
Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
21 И ты скажешь в сердце твоем: кто мне родил их? я была бездетна и бесплодна, отведена в плен и удалена; кто же возрастил их? вот, я оставалась одинокою; где же они были?
Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
22 Так говорит Господь Бог: вот, Я подниму руку Мою к народам, и выставлю знамя Мое племенам, и принесут сыновей твоих на руках и дочерей твоих на плечах.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin’ ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
23 И будут цари питателями твоими, и царицы их кормилицами твоими; лицом до земли будут кланяться тебе и лизать прах ног твоих, и узнаешь, что Я Господь, что надеющиеся на Меня не постыдятся.
Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin’ andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
24 Может ли быть отнята у сильного добыча, и могут ли быть отняты у победителя взятые в плен?
Azo alaina eny amin’ ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?
25 Да! так говорит Господь: и плененные сильным будут отняты, и добыча тирана будет избавлена; потому что Я буду состязаться с противниками твоими и сыновей твоих Я спасу;
Nefa izao no lazain’ i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin’ izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
26 и притеснителей твоих накормлю собственною их плотью, и они будут упоены кровью своею, как молодым вином; и всякая плоть узнает, что Я Господь, Спаситель твой и Искупитель твой, Сильный Иаковлев.
Sady hampihinaniko ny nofon’ ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon’ ny ran’ ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.