< Осия 5 >

1 Слушайте это, священники, и внимайте, дом Израилев, и приклоните ухо, дом царя; ибо вам будет суд, потому что вы были западнею в Массифе и сетью, раскинутою на Фаворе.
Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’ Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran’ ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
2 Глубоко погрязли они в распутстве; но Я накажу всех их.
Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.
3 Ефрема Я знаю, и Израиль не сокрыт от Меня; ибо ты блудодействуешь, Ефрем, и Израиль осквернился.
Izaho mahalala an’ i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
4 Дела их не допускают их обратиться к Богу своему, ибо дух блуда внутри них, и Господа они не познали.
Tsy avelan’ ny ataony hiverina amin’ Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.
5 И гордость Израиля унижена в глазах их; и Израиль и Ефрем падут от нечестия своего; падет и Иуда с ними.
Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
6 С овцами своими и волами своими пойдут искать Господа и не найдут Его: Он удалился от них.
Hitondra ny ombiny aman’ ondriny izy ka handeha hitady an’ i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
7 Господу они изменили, потому что родили чужих детей; ныне новый месяц поест их с их имуществом.
Nivadika tamin’ i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon’ ny voaloham-bolana izy mbamin’ ny zara-lovany.
8 Вострубите рогом в Гиве, трубою в Раме; возглашайте в Беф-Авене: за тобою, Вениамин!
Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
9 Ефрем сделается пустынею в день наказания; между коленами Израилевыми Я возвестил это.
Ho lao Efraima, raha mby amin’ ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin’ ny firenen’ Isiraely.
10 Вожди Иудины стали подобны передвигающим межи: изолью на них гнев Мой, как воду.
Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano.
11 Угнетен Ефрем, поражен судом; ибо захотел ходить вслед суетных.
Ampahorina Efraima sady voatorotoron’ ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin’ olombelona izy,
12 И буду как моль для Ефрема и как червь для дома Иудина.
Koa amin’ i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin’ ny taranak’ i Joda dia toy ny fositra.
13 И увидел Ефрем болезнь свою, и Иуда - свою рану, и пошел Ефрем к Ассуру, и послал к царю Иареву; но он не может исцелить вас и не излечит вас от раны.
Rehefa hitan’ i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin’ ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin’ i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.
14 Ибо Я как лев для Ефрема и как скимен для дома Иудина; Я, Я растерзаю и уйду; унесу, и никто не спасет.
Fa amin’ i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ ny taranak’ i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
15 Пойду, возвращусь в Мое место, доколе они не признают себя виновными и не взыщут лица Моего.
Handeha hody any amin’ ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.

< Осия 5 >