< Бытие 14 >

1 И было во дни Амрафела, царя Сеннаарского, Ариоха, царя Елласарского, Кедорлаомера, царя Еламского, и Фидала, царя Гоимского,
Ary tamin’ ny andron’ i Amrafela, mpanjakan’ i Sinara, sy Arioka, mpanjakan’ i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan’ i Elama, ary Tidala, mpanjakan’ ny Goïma,
2 пошли они войною против Беры, царя Содомского, против Бирши, царя Гоморрского, Шинава, царя Адмы, Шемевера, царя Севоимского, и против царя Белы, которая есть Сигор.
dia nandeha izy ireo ka nanafika an’ i Bera, mpanjakan’ i Sodoma, sy Birsa, mpanjakan’ i Gomora, sy Sinaba, mpanjakan’ i Adma, sy Semebera, mpanjakan’ i Zeboïma, ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany).
3 Все сии соединились в долине Сиддим, где ныне море Соленое.
Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’ i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
4 Двенадцать лет были они в порабощении у Кедорлаомера, а в тринадцатом году возмутились.
Fa efa nanompo an’ i Kedorlaomera roa ambin’ ny folo taona ireo, fa tamin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo kosa dia niodina izy.
5 В четырнадцатом году пришел Кедорлаомер и цари, которые с ним, и поразили Рефаимов в Аштероф-Карнаиме, Зузимов в Гаме, Эмимов в Шаве-Кириафаиме,
Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaïta tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
6 и Хорреев в горе их Сеире, до Эл-Фарана, что при пустыне.
ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seïra hatrany El-parana, izay eo anilan’ ny efitra.
7 И возвратившись оттуда, они пришли к источнику Мишпат, который есть Кадес, и поразили всю страну Амаликитян, и также Аморреев, живущих в Хацацон-Фамаре.
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
8 И вышли царь Содомский, царь Гоморрский, царь Адмы, царь Севоимский и царь Белы, которая есть Сигор; и вступили в сражение с ними в долине Сиддим,
Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora sy ny mpanjakan’ i Adma sy ny mpanjakan’ i Zeboïma ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ ireo teo an-dohasahan’ i Sidima,
9 с Кедорлаомером, царем Еламским, Фидалом, царем Гоимским, Амрафелом, царем Сеннаарским, Ариохом, царем Елласарским, - четыре царя против пяти.
dia tamin’ Kedorlaomera, mpanjakan’ i Elama, sy Tidala, mpanjakan’ ny Goïma sy Amrafela, mpanjakan’ i Sinara ary Arioka, mpanjakan’ i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin’ ny mpanjaka dimy.
10 В долине же Сиддим было много смоляных ям. И цари Содомский и Гоморрский, обратившись в бегство, упали в них, а остальные убежали в горы.
Ary ny lohasahan’ i Sidima, dia be lavak’ asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
11 Победители взяли все имущество Содома и Гоморры и весь запас их и ушли.
Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra, dia lasa nandeha.
12 И взяли Лота, племянника Аврамова, жившего в Содоме, и имущество его и ушли.
Ary namabo ny zana-drahalahin’ i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin’ ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
13 И пришел один из уцелевших и известил Аврама Еврея, жившего тогда у дубравы Мамре, Аморреянина, брата Эшколу и брата Анеру, которые были союзники Аврамовы.
Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’ i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre Amorita, rahalahin’ i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’ i Abrama.
14 Аврам, услышав, что Лот сродник его взят в плен, вооружил рабов своих, рожденных в доме его, триста восемнадцать, и преследовал неприятелей до Дана;
Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin’ ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana.
15 и, разделившись, напал на них ночью, сам и рабы его, и поразил их, и преследовал их до Ховы, что по левую сторону Дамаска;
Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr’ i Damaskosy.
16 и возвратил все имущество и Лота, сродника своего, и имущество его возвратил, также и женщин и народ.
Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin’ ny vehivavy sy ny vahoaka.
17 Когда он возвращался после поражения Кедорлаомера и царей, бывших с ним, царь Содомский вышел ему навстречу в долину Шаве, что ныне долина царская;
Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma hitsena an’ i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan’ ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an’ i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
18 и Мелхиседек, царь Салимский, вынес хлеб и вино, он был священник Бога Всевышнего, -
Ary Melkizedeka, mpanjakan’ i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra.
19 и благословил его, и сказал: благословен Аврам от Бога Всевышнего, Владыки неба и земли;
Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin’ Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
20 и благословен Бог Всевышний, Который предал врагов твоих в руки твои. Аврам дал ему десятую часть из всего.
Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen’ i Abrama azy ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra.
21 И сказал царь Содомский Авраму: отдай мне людей, а имение возьми себе.
Ary hoy ny mpanjakan’ i Sodoma tamin’ i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
22 Но Аврам сказал царю Содомскому: поднимаю руку мою к Господу Богу Всевышнему, Владыке неба и земли,
Fa hoy Abrama tamin’ ny mpanjakan’ i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin’ i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
23 что даже нитки и ремня от обуви не возьму из всего твоего, чтобы ты не сказал: я обогатил Аврама;
fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’ izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an’ i Abrama,
24 кроме того, что съели отроки, и кроме доли, принадлежащей людям, которые ходили со мною; Анер, Эшкол и Мамрий пусть возьмут свою долю.
afa-tsy izay efa nohanin’ ny zatovo sy ny anjaran’ ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin’ ireo ny anjarany.

< Бытие 14 >