< 2-я Царств 10 >

1 Спустя несколько времени умер царь Аммонитский, и воцарился вместо него сын его Аннон.
Ary rehefa afaka izany, dia maty ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, ka Hanona zanany no nanjaka nandimby azy.
2 И сказал Давид: окажу я милость Аннону, сыну Наасову, за благодеяние, которое оказал мне отец его. И послал Давид слуг своих утешить Аннона об отце его. И пришли слуги Давидовы в землю Аммонитскую.
Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ ny tanin’ ny taranak’ i Amona ny mpanompon’ i Davida.
3 Но князья Аммонитские сказали Аннону, господину своему: неужели ты думаешь, что Давид из уважения к отцу твоему прислал к тебе утешителей? не для того ли, чтобы осмотреть город и высмотреть в нем и после разрушить его, прислал Давид слуг своих к тебе?
Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak’ i Amona tamin’ i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan’ i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan’ i Davida ireo mpanompony ireo hankatỳ aminao?
4 И взял Аннон слуг Давидовых, и обрил каждому из них половину бороды, и обрезал одежды их наполовину, до чресл, и отпустил их.
Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5 Когда донесли об этом Давиду, то он послал к ним навстречу, так как они были очень обесчещены. И велел царь сказать им: оставайтесь в Иерихоне, пока отрастут бороды ваши, и тогда возвратитесь.
Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin’ i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin’ ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.
6 И увидели Аммонитяне, что они сделались ненавистными для Давида; и послали Аммонитяне нанять Сирийцев из Беф-Рехова и Сирийцев Сувы двадцать тысяч пеших, у царя Амаликитского Маахи тысячу человек и из Истова двенадцать тысяч человек.
Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan’ i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin’ ny mpanjakan’ i Maka, olona arivo lahy, ary tamin’ ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
7 Когда услышал об этом Давид, то послал Иоава со всем войском храбрых.
Ary nony ren’ i Davida izany, dia naniraka an’ i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
8 И вышли Аммонитяне и расположились к сражению у ворот, а Сирийцы Сувы и Рехова, и Истова, и Маахи, стали отдельно в поле.
Ary ny taranak’ i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan’ ny vavahady; ary ny Syriana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny an-tsaha kosa.
9 И увидел Иоав, что неприятельское войско было поставлено против него и спереди и сзади, и избрал воинов из всех отборных в Израиле, и выстроил их против Сирийцев;
Ary rehefa hitan’ i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin’ ireo voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin’ ny Syriana.
10 остальную же часть людей поручил Авессе, брату своему, чтоб он выстроил их против Аммонитян.
Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’ i Abisay rahalahiny halahany hiady amin’ ny taranak’ i Amona.
11 И сказал Иоав: если Сирийцы будут одолевать меня, ты поможешь мне; а если Аммонитяне тебя будут одолевать, я приду к тебе на помощь;
Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao.
12 будь мужествен, и будем стоять твердо за народ наш и за города Бога нашего, а Господь сделает, что Ему угодно.
Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ny tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
13 И вступил Иоав в народ, который был у него, в сражение с Сирийцами, и они побежали от него.
Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin’ ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo.
14 Аммонитяне же, увидев, что Сирийцы бегут, побежали от Авессы и ушли в город. И возвратился Иоав от Аммонитян и пришел в Иерусалим.
Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan’ i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak’ i Amona ka tonga tany Jerosalema.
15 Сирийцы, видя, что они поражены Израильтянами, собрались вместе.
Ary nony hitan’ ny Syriana fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nivory izy.
16 И послал Адраазар и призвал Сирийцев, которые за рекою Халамаком, и пришли они к Еламу; а Совак, военачальник Адраазаров, предводительствовал ими.
Ary Hadadezera naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin’ ny Ony; ary dia tonga tany Helama izy; ary Sobaka, komandin’ ny miaramilan’ i Hadadezera, no nitarika azy.
17 Когда донесли об этом Давиду, то он собрал всех Израильтян, и перешел Иордан и пришел к Еламу. Сирийцы выстроились против Давида и сразились с ним.
Ary nony nambara tamin’ i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’ i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin’ i Davida, ka dia rafitra ny ady.
18 И побежали Сирийцы от Израильтян. Давид истребил у Сирийцев семьсот колесниц и сорок тысяч всадников; поразил и военачальника Совака, который там и умер.
Ary vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin’ ny Syriana Davida sady namely an’ i Sobaka koa, ilay komandin’ ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
19 Когда все цари покорные Адраазару увидели, что они поражены Израильтянами, то заключили мир с Израильтянами и покорились им. А Сирийцы боялись более помогать Аммонитянам.
Ary nony hitan’ ny mpanjaka rehetra izay nanoa an’ i Hadadezera fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’ ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak’ i Amona intsony.

< 2-я Царств 10 >