< Екзодул 2 >

1 Ун ом дин каса луй Леви луасе де невастэ пе о фатэ а луй Леви.
Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ ny mpianakavin’ i Levy lasa naka vady tamin’ ny zanakavavin’ i Levy.
2 Фемея ачаста а рэмас ынсэрчинатэ ши а нэскут ун фиу. А вэзут кэ есте фрумос ши л-а аскунс трей лунь.
Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
3 Немайпутынд сэ-л аскундэ, а луат ун сикриаш де папурэ, пе каре л-а унс ку лут ши ку смоалэ, а пус копилул ын ел ши л-а ашезат ынтре трестий, пе малул рыулуй.
Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ i Neily ny fiara.
4 Сора копилулуй пындя ла о депэртаре оарекаре, ка сэ вадэ че аре сэ и се ынтымпле.
Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
5 Фата луй Фараон с-а коборыт ла рыу сэ се скалде, ши фетеле каре о ынсоцяу се плимбау пе марӂиня рыулуй. Еа а зэрит сикриашул ын мижлокул трестиилор ши а тримис пе роаба ей сэ-л я.
Ary nidina ny zanakavavin’ i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron’ i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin’ i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
6 Л-а дескис ши а вэзут копилул: ера ун бэецаш каре плынӂя. Й-а фост милэ де ел ши а зис: „Есте ун копил де-ал евреилор!”
Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan’ ny zanaky ny Hebreo ity.
7 Атунч, сора копилулуй а зис фетей луй Фараон: „Сэ мэ дук сэ-ць кем о дойкэ динтре фемеиле евреилор ка сэ-ць алэптезе копилул?”
Dia hoy kosa ny anabaviny tamin’ ny zanakavavin’ i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
8 „Ду-те”, й-а рэспунс фата луй Фараон. Ши фата с-а дус ши а кемат пе мама копилулуй.
Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin’ ny zaza.
9 Фата луй Фараон й-а зис: „Я копилул ачеста, алэптязэ-ми-л ши ыць вой плэти.” Фемея а луат копилул ши л-а алэптат.
Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
10 Копилул а крескут ши еа л-а адус фетей луй Фараон, ши ел й-а фост фиу. Й-а пус нумеле Мойсе „кэч”, а зис еа, „л-ам скос дин апе”.
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ ny zanakavavin’ i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin’ ny rano no nangalako azy.
11 Ын время ачея, Мойсе, крескынд маре, а ешит пе ла фраций сэй ши а фост мартор ла мунчиле лор греле. А вэзут пе ун еӂиптян каре бэтя пе ун евреу, унул динтре фраций луй.
Ary tamin’ izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin’ ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin’ ny Hebreo rahalahiny.
12 С-а уйтат ын тоате пэрциле ши, вэзынд кэ ну есте нимень, а оморыт пе еӂиптян ши л-а аскунс ын нисип.
Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin’ ny fasika ny faty.
13 А ешит ши ын зиуа урмэтоаре ши ятэ кэ дой еврей се чертау. А зис челуй че н-авя дрептате: „Пентру че ловешть пе семенул тэу?”
Ary nony ampitson’ iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin’ ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
14 Ши омул ачела а рэспунс: „Чине те-а пус пе тине май-маре ши жудекэтор песте ной? Ну кумва ай де гынд сэ мэ оморь ши пе мине кум ай оморыт пе еӂиптянул ачела?” Мойсе с-а темут ши а зис: „Ну май ынкапе ындоялэ кэ фаптул есте куноскут.”
Fa hoy izy: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan’ ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr’ olona izany!
15 Фараон а афлат че се петрекусе ши кэута сэ-л омоаре пе Мойсе. Дар Мойсе а фуӂит динаинтя луй Фараон ши а локуит ын цара Мадиан. А шезут лынгэ о фынтынэ.
Ary rehefa ren’ i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an’ i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan’ i Farao ka nonina tany amin’ ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan’ ny lavaka fantsakana izy.
16 Преотул дин Мадиан авя шапте фете. Еле ау венит сэ скоатэ апэ ши ау умплут жгябуриле ка сэ адапе турма татэлуй лор.
Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman’ osin-drainy.
17 Дар ау венит пэсторий ши ле-ау луат ла гоанэ. Атунч, Мойсе с-а скулат, ле-а ажутат ши ле-а адэпат турма.
Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman’ osiny.
18 Кынд с-ау ынторс еле ла татэл лор, Реуел, ел а зис: „Пентру че вэ ынтоарчець аша де курынд азь?”
Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?
19 Еле ау рэспунс: „Ун еӂиптян не-а скэпат дин мына пэсторилор ши кяр не-а скос апэ ши а адэпат турма.”
Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman’ osy.
20 Ши ел а зис фетелор: „Унде есте? Пентру че аць лэсат аколо пе омул ачела? Кемаци-л сэ мэнынче пыне!”
Ary hoy izy tamin’ ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.
21 Мойсе с-а хотэрыт сэ локуяскэ ла омул ачела, каре й-а дат де невастэ пе фийкэ-са Сефора.
Ary sitrak’ i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin’ i Mosesy.
22 Еа а нэскут ун фиу, кэруя ел й-а пус нумеле Гершом „кэч”, а зис ел, „локуеск ка стрэин ынтр-о царэ стрэинэ”.
Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ ny tanin’ ny firenena hafa aho.
23 Дупэ мултэ време, ымпэратул Еӂиптулуй а мурит, ши копиий луй Исраел ӂемяу ынкэ дин причина робией ши скотяу стригэте дезнэдэждуите. Стригэтеле ачестя, пе каре ли ле смулӂя робия, с-ау суит пынэ ла Думнезеу.
Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny Zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’ Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
24 Думнезеу а аузит ӂеметеле лор ши Шь-а адус аминте де легэмынтул Сэу фэкут ку Авраам, Исаак ши Иаков.
Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
25 Думнезеу а привит спре копиий луй Исраел ши а луат куноштинцэ де ей.
Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak’ Isiraely ka nahafantatra azy.

< Екзодул 2 >