< 2 Кроничь 30 >

1 Езекия а тримис соль ын тот Исраелул ши Иуда ши а скрис скрисорь ши луй Ефраим ши луй Манасе ка сэ винэ ла Каса Домнулуй ла Иерусалим сэ прэзнуяскэ Паштеле ын чинстя Домнулуй Думнезеулуй луй Исраел.
Ary Hezekia naniraka tany amin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’ i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
2 Ымпэратул, кэпетенииле луй ши тоатэ адунаря цинусерэ сфат ла Иерусалим ка Паштеле сэ фие прэзнуите ын луна а доуа,
Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin’ ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana ny Paska amin’ ny volana faharoa.
3 кэч ну путяу фи прэзнуите ла время лор, пентру кэ преоций ну се сфинцисерэ ын нумэр дестул де маре ши попорул ну се адунасе ла Иерусалим.
Nefa tsy nahatandrina azy tamin’ izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema.
4 Лукрул авынд ынкувиинцаря ымпэратулуй ши а ынтреӂий адунэрь,
Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany.
5 ау хотэрыт сэ дя де весте ын тот Исраелул, де ла Беер-Шеба пынэ ла Дан, ка сэ винэ ла Иерусалим сэ прэзнуяскэ Паштеле ын чинстя Домнулуй Думнезеулуй луй Исраел. Кэч демулт ну май фусесерэ прэзнуите дупэ кум ера скрис.
Dia nandidy handefa teny eran’ ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan’ ny olona hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.
6 Алергэторий с-ау дус ку скрисориле ымпэратулуй ши кэпетениилор луй ын тот Исраелул ши Иуда. Ши, дупэ порунка ымпэратулуй, ау зис: „Копий ай луй Исраел, ынтоарчеци-вэ ла Домнул Думнезеул луй Авраам, Исаак ши Исраел, ка сэ Се ынтоаркэ ши Ел ла вой, рэмэшицэ скэпатэ дин мына ымпэрацилор Асирией!
Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ ny mpanjaka hoe: Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’ izay sisa aminareo izay tsy azon’ ny tànan’ ireo mpanjakan’ i Asyria.
7 Ну фиць ка пэринций воштри ши ка фраций воштри, каре ау пэкэтуит ымпотрива Домнулуй Думнезеулуй пэринцилор лор ши пе каре де ачея й-а дат прадэ пустиирий, кум ведець.
Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy.
8 Ну вэ ынцепениць грумазул ка пэринций воштри; даць мына Домнулуй, вениць ла Сфынтул Луй Локаш, пе каре л-а сфинцит пе вечие, ши служиць Домнулуй Думнезеулуй востру, пентру ка мыния Луй апринсэ сэ се абатэ де ла вой.
Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ ny razanareo, fa atolory an’ i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin’ ny fitoerany masìna, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
9 Дакэ вэ ынтоарчець ла Домнул, фраций воштри ши фиий воштри вор гэси милэ ла чей че й-ау луат робь ши се вор ынтоарче ын царэ. Кэч Домнул Думнезеул востру есте милостив ши ындурэтор ши ну-Шь ва ынтоарче Фаца де ла вой, дакэ вэ ынтоарчець ла Ел.”
Fa raha miverina amin’ i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan’ izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin’ ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
10 Алергэторий ау мерс астфел дин четате ын четате, прин цара луй Ефраим ши Манасе, пынэ ла Забулон. Дар ей рыдяу ши ышь бэтяу жок де ей.
Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin’ ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin’ ny Zebolona; fa nihomehezan’ ny olona sy novazivaziny foana izy.
11 Ынсэ кыцьва оамень дин Ашер, дин Манасе ши Забулон с-ау смерит ши ау венит ла Иерусалим.
Kanefa kosa ny tamin’ ny Asera sy ny Manase ary ny Zebolona dia nisy ihany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
12 Ын Иуда, де асеменя, мына луй Думнезеу а лукрат ши ле-а дат о сингурэ инимэ ка сэ-й факэ сэ ымплиняскэ порунка ымпэратулуй ши а кэпетениилор, дупэ Кувынтул Домнулуй.
Ary ny tànan’ Andriamanitra dia napetrany tamin’ ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’ i Jehovah.
13 Ун попор ын маре нумэр с-а адунат ла Иерусалим сэ прэзнуяскэ Сэрбэтоаря Азимилор ын луна а доуа: а фост о адунаре фоарте маре.
Ary tamin’ ny volana faharoa dia nisy olona maro nivory tany Jerosalema hitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia fivoriana lehibe tokoa.
14 С-ау скулат ши ау ындепэртат алтареле пе каре се жертфя ын Иерусалим ши пе тоате ачеля пе каре се адучя тэмые ши ле-ау арункат ын пырыул Кедрон.
Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
15 Ау жертфит апой Паштеле ын зиуа а пайспрезечя а луний а доуа. Преоций ши левиций, плинь де рушине, с-ау сфинцит ши ау адус ардерь-де-тот ын Каса Домнулуй.
Dia namono ny Paska izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
16 Ей шедяу ын локул лор обишнуит, дупэ леӂя луй Мойсе, омул луй Думнезеу, ши преоций стропяу сынӂеле пе каре-л луау дин мына левицилор.
Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan’ ny Levita.
17 Фииндкэ ын адунаре ерау мулць иншь каре ну се сфинцисерэ, левиций ау ынжунгият ей жертфеле де Паште пентру тоць чей че ну ерау кураць, ка сэ ле ынкине Домнулуй.
Fa nisy maro tao amin’ ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an’ i Jehovah.
18 Кэч о маре парте дин попор, мулць дин Ефраим, Манасе, Исахар ши Забулон, ну се курэцисерэ ши ау мынкат Паштеле ну дупэ челе скрисе. Дар Езекия с-а ругат пентру ей зикынд: „Домнул, каре есте бун, сэ ерте пе тоць
Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an’ ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
19 чей че шь-ау пус инима сэ кауте пе Домнул Думнезеул пэринцилор лор, мэкар кэ н-ау фэкут сфынта курэцире!”
izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan’ ny fitoerana masìna aza izy.
20 Домнул а аскултат пе Езекия ши а ертат попорул.
Ary Jehovah nihaino an’ i Hezekia ka nahasitrana ny olona.
21 Астфел, копиий луй Исраел каре се афлау ла Иерусалим ау прэзнуит Сэрбэтоаря Азимилор шапте зиле, ку маре букурие. Ши, ын фиекаре зи, левиций ши преоций лэудау пе Домнул ку инструменте каре рэсунау ын чинстя Луй.
Ary ny Zanak’ isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an’ i Jehovah isan’ andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’ i Jehovah.
22 Езекия а ворбит инимий тутурор левицилор, каре арэтау о маре причепере пентру служба Домнулуй. Шапте зиле ау мынкат добитоачеле жертфите, адукынд жертфе де мулцумире ши лэудынд пе Домнул Думнезеул пэринцилор лор.
Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an’ i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
23 Тоатэ адунаря а фост де пэрере сэ май прэзнуяскэ алте шапте зиле. Ши ау прэзнуит ку букурие ынкэ шапте зиле.
Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin’ ny hafaliana izy.
24 Кэч Езекия, ымпэратул луй Иуда, дэдусе адунэрий о мие де вицей ши шапте мий де ой, яр кэпетенииле й-ау дат о мие де вицей ши зече мий де ой, ши мулць преоць се сфинцисерэ.
Fa Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy fito arivo ho an’ ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy iray alina ho an’ ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.
25 Ши с-а букурат тоатэ адунаря луй Иуда, ши преоций, ши левиций, ши тот попорул венит дин Исраел, ши стрэиний вениць дин цара луй Исраел сау ашезаць ын Иуда.
Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin’ ny Isiraely mbamin’ ny vahiny izay avy tany amin’ ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.
26 А фост маре веселие ла Иерусалим. Де пе время луй Соломон, фиул луй Давид, ымпэратул луй Исраел, ну май фусесе ла Иерусалим аша чева.
Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema; fa hatramin’ ny andron’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tany Jerosalema.
27 Преоций ши левиций с-ау скулат ши ау бинекувынтат попорул. Гласул лор а фост аузит ши ругэчуня лор а ажунс пынэ ла черурь, пынэ ла локуинца сфынтэ а Домнулуй.
Dia nitsangana ny Levita sy ny mpisorona ka nitso-drano ny olona; ary nohenoin’ Andriamanitra ny feony, ka niakatra ho any an-danitra, fonenany masìna, ny fivavany.

< 2 Кроничь 30 >