< 2 Reis 10 >

1 E tinha Acabe em Samaria setenta filhos; e escreveu cartas Jeú, e enviou-as a Samaria aos principais de Jezreel, aos anciãos e aos tutores de Acabe, dizendo:
Ary nisy zanak’ i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin’ ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin’ ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak’ i Ahaba nanao hoe:
2 Logo em chegando estas cartas a vós o que tendes os filhos de vosso senhor, e os que tendes carros e cavaleiros, a cidade fortificada, e as armas,
Ary raha tonga atỳ aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin’ ny tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),
3 Olhai qual é o melhor e ele mais reto dos filhos de vosso senhor, e ponde-o no trono de seu pai, e lutai pela casa de vosso senhor.
dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin’ ny zanakalahin’ ny tomponareo, ary apetraho amin’ ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an’ ny mpianakavin’ ny tomponareo.
4 Mas eles tiveram grande temor, e disseram: Eis que dois reis não puderam resistir-lhe, como lhe resistiremos nós?
Dia raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?
5 E o mordomo, e o governador da cidade, e os anciãos, e os tutores, enviaram a dizer a Jeú: Servos teus somos, e faremos tudo o que nos mandares: não elegeremos por rei a ninguém; tu farás o que bem te parecer.
Ary ny lehiben’ ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin’ i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
6 Ele então lhes escreveu a segunda vez dizendo: Se sois meus, e quereis obedecer-me, tomai os chefes dos homens filhos de vosso senhor, e vinde amanhã a estas horas a mim a Jezreel. E os filhos do rei, setenta homens, estavam com os principais da cidade, que os criavam.
Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan’ ireo zanakalahin’ ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin’ ireo lehiben’ ny tanàna, mpitaiza azy.
7 E quando as cartas chegaram a eles, tomaram aos filhos do rei, e degolaram setenta homens, e puseram suas cabeças em cestos, e enviaram-nas a Jezreel.
Ary nony efa tonga tany amin’ ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin’ i Jeho tany Jezirela.
8 E veio um mensageiro que lhe deu as novas, dizendo: Trouxeram as cabeças dos filhos do rei. E ele lhe disse: Ponde-as em dois amontoados à entrada da porta até a manhã.
Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan’ ny vavahady mandra-pahamarain’ ny andro.
9 Vinda a manhã, saiu ele, e estando em pé disse a todo o povo: Vós sois justos: eis que eu conspirei contra meu senhor, e o mateis: mas quem matou a todos estes?
Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin’ ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin’ ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto?
10 Sabei agora que da palavra do SENHOR que falou sobre a casa de Acabe, nada cairá em terra: e que o SENHOR fez o que disse por seu servo Elias.
Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy ny amin’ ny taranak’ i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an’ i Elia mpanompony.
11 Matou então Jeú a todos os que haviam restado da casa de Acabe em Jezreel, e a todos seus príncipes, e a todos seus familiares, e a seus sacerdotes, que não lhe restou ninguém.
Ka dia novonoin’ i Jeho izay sisa rehetra tamin’ ny taranak’ i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin’ ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.
12 E levantou-se dali, e veio a Samaria; e chegando ele no caminho a uma casa de tosa de pastores,
Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian’ ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho,
13 Achou ali aos irmãos de Acazias rei de Judá, e disse-lhes: Quem sois vós? E eles disseram: Somos irmãos de Acazias, e viemos a saudar aos filhos do rei, e aos filhos da rainha.
dia nifanena amin’ ny rahalahin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin’ i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin’ ny mpanjaka sy ny zanakalahin’ ny andriambavy.
14 Então ele disse: Prendei-os vivos. E depois que os tomaram vivos, eles os degolaram junto ao poço da casa de tosa, quarenta e dois homens, sem deixar ninguém deles.
Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin’ ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
15 Partindo-se logo dali encontrou-se com Jonadabe filho de Recabe; e depois que o saudou, disse-lhe: É reto teu coração, como o meu é reto com o teu? E Jonadabe disse: O é. Pois que o é, dá-me a mão. E ele lhe deu sua mão. Fê-lo logo subir consigo no carro.
Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an’ i Jonadaba, zanakalahin’ i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin’ i Jeho ho eo aminy teo anatin’ ny kalesy izy.
16 E disse-lhe: Vem comigo, e verás meu zelo pelo SENHOR. Puseram-no pois em seu carro.
Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an’ i Jehovah. Dia nentina teo amin’ ny kalesy izy.
17 E logo que havia Jeú chegado a Samaria, matou a todos os que haviam restado de Acabe em Samaria, até extirpá-los, conforme à palavra do SENHOR, que havia falado por Elias.
Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin’ ny tamingan’ i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy tamin’ i Elia.
18 E juntou Jeú todo o povo, e disse-lhes: Acabe serviu pouco a Baal; mas Jeú o servirá muito.
Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an’ i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.
19 Chamai-me, pois, logo a todos os profetas de Baal, a todos seus servos, e a todos seus sacerdotes; que não falte um, porque tenho um grande sacrifício para Baal; qualquer um que faltar, não viverá. Isto fazia Jeú com astúcia, para destruir aos que honravam a Baal.
Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin’ i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an’ i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon’ i Bala.
20 E disse Jeú: Santificai um dia solene a Baal. E eles convocaram.
Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana masìna ho an’ i Bala. Koa dia nanendry andro izy.
21 E enviou Jeú por todo Israel, e vieram todos os servos de Baal, que não faltou ninguém que não viesse. E entraram no templo de Baal, e o templo de Baal se encheu de fim a fim.
Ary Jeho naniraka tany amin’ ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon’ i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon’ i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
22 Então disse ao que tinha o cargo das vestiduras: Tira vestiduras para todos os servos de Baal. E ele lhes tirou vestimentas.
Dia hoy Jeho tamin’ ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon’ i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
23 E entrou Jeú com Jonadabe filho de Recabe no templo de Baal, e disse aos servos de Baal: Olhai e vede que por dita não haja aqui entre vós algum dos servos do SENHOR, a não ser somente os servos de Baal.
Ary Jeho sy Jonadaba, zanak’ i Rekaba, nankao an-tranon’ i Bala ka niteny tamin’ ny mpanompon’ i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon’ i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon’ i Bala ihany.
24 E quando eles entraram para fazer sacrifícios e holocaustos, Jeú pôs fora oitenta homens, e disse-lhes: Qualquer um que deixar vivo algum daqueles homens que eu pus em vossas mãos, sua vida será pela do outro.
Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
25 E depois que acabaram eles de fazer o holocausto, Jeú disse aos de seu guarda e aos capitães: Entrai, e matai-os; que não escape ninguém. E os feriram à espada: e os da guarda e os capitães os lançaram fora, e foram até a cidade do templo de Baal.
Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin’ ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midìra, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin’ ny tanàna nisy ny tranon’ i Bala.
26 E tiraram as estátuas da casa de Baal, e queimaram-nas.
Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon’ i Bala izy ka nandoro ireny.
27 E quebraram a estátua de Baal, e derrubaram a casa de Baal, e fizeram-na latrina, até hoje.
Ary nandrava ny tsangam-baton’ i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.
28 Assim extinguiu Jeú a Baal de Israel.
Toy izany no nandravan’ i Jeho an’ i Bala tsy ho amin’ ny Isiraely.
29 Contudo isso Jeú não se separou dos pecados de Jeroboão filho de Nebate, que fez pecar a Israel; a saber, seguindo o os bezerros de ouro que estavam em Betel e em Dã.
Nefa Jeho tsy dia niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin’ ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
30 E o SENHOR disse a Jeú: Porquanto fizeste bem executando o que era correto diante de meus olhos, e fizeste à casa de Acabe conforme a tudo o que estava em meu coração, teus filhos se sentarão no trono de Israel até a quarta geração.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin’ ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin’ ny taranak’ i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ny taranakao hatramin’ ny zafindohalika.
31 Mas Jeú não cuidou de andar na lei do SENHOR Deus de Israel com todo seu coração, nem se separou dos pecados de Jeroboão, o que havia feito pecar a Israel.
Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin’ ny lalàn’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ ny fony rehetra; fa tsy niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.
32 Em aqueles dias começou o SENHOR a diminuir o território de Israel: e feriu-os Hazael em todos os termos de Israel,
Tamin’ izany andro izany no niantombohan’ ny nanakelezan’ i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely rehetra
33 Desde o Jordão ao oriente, toda a terra de Gileade, de Gade, de Rúben, e de Manassés, desde Aroer que está junto ao ribeiro de Arnom, a Gileade e a Basã.
hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.
34 Os demais dos feitos de Jeú, e todas as coisas que fez, e toda sua valentia, não estão escritos no livro das crônicas dos reis de Israel?
Ary ny tantaran’ i Jeho sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
35 E dormiu Jeú com seus pais, e sepultaram-no em Samaria: e reinou em seu lugar Jeoacaz seu filho.
Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
36 O tempo que reinou Jeú sobre Israel em Samaria, foi vinte e oito anos.
Ary ny andro izay nanjakan’ i Jeho tamin’ ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.

< 2 Reis 10 >