< Ezechiela 30 >

1 I doszło do mnie słowo PANA mówiące:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 Synu człowieczy, prorokuj i mów: Tak mówi Pan BÓG: Zawódźcie, [mówiąc]: Ach, jakiż to dzień!
Ry zanak’ olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
3 Bliski bowiem jest dzień, bliski jest dzień PANA; będzie to dzień pochmurny i czas pogan.
Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron’ i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
4 I spadnie miecz na Egipt, i będzie wielka trwoga w Etiopii, gdy polegną zabici w Egipcie, gdy zabiorą jego dostatek i jego fundamenty będą zburzone.
Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
5 Etiopia, Put i Lud, cała różnorodna ludność, Kub i mieszkańcy sprzymierzonej ziemi padną [razem] z nimi od miecza.
Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.
6 Tak mówi PAN: Upadną ci, którzy wspierają Egipt, i runie pycha jego mocy. Od wieży Sewene padną w niej od miecza, mówi Pan BÓG.
Izao no lazain’ i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an’ i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan’ ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
7 I będą spustoszeni wśród spustoszonych ziem, a ich miasta znajdą się wśród zburzonych miast.
Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao.
8 I poznają, że ja jestem PANEM, gdy rozpalę ogień w Egipcie, i wszyscy jego pomocnicy zostaną skruszeni.
Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.
9 W tym dniu posłańcy wyruszą ode mnie w okrętach na postrach spokojnej ziemi Etiopii; i ogarnie ich wielka trwoga, jaka była w dniu [porażki] Egiptu. Oto bowiem nadchodzi.
Amin’ izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin’ ny andro namelezana an’ i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
10 Tak mówi Pan BÓG: Położę kres mnóstwu Egiptu przez rękę Nabuchodonozora, króla Babilonu.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak’ i Egypta.
11 On i z nim jego lud, najsrożsi z narodów, będą sprowadzeni, aby zniszczyć tę ziemię. Dobędą swe miecze przeciw Egiptowi i napełnią ziemię pobitymi.
Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin’ ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an’ i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.
12 Wysuszę rzeki i sprzedam ziemię w ręce niegodziwych. Ręką cudzoziemców spustoszę ziemię wraz ze wszystkim, co ją napełnia. Ja, PAN, [to] powiedziałem.
Hahatankina an’ i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan’ ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.
13 Tak mówi Pan BÓG: Zniszczę bożki i usunę posągi z Nof, i nie będzie już księcia w ziemi Egiptu. Ześlę strach na ziemię Egiptu.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin’ ny tany Egypta;
14 Spustoszę Patros, rozniecę ogień w Soan i wykonam sąd w No.
Handrava an’ i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an’ i No;
15 Wyleję swoją zapalczywość na Sin, twierdzę Egiptu, i wytracę tłumy z No.
Hampidina ny fahatezerako amin’ i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
16 Rozniecę ogień w Egipcie, Sin będzie cierpieć z bólu, No zostanie zniszczone i Nof będzie codziennie dręczone.
Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian’ ny fahavalo antoandro.
17 Młodzieńcy z Awen i Pibeset polegną od miecza, te [miasta] pójdą do niewoli.
Ny zatovon’ i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.
18 W Tachpanches dzień ogarną ciemności, gdy złamię tam jarzma Egiptu, i ustanie w nim pycha jego mocy. Okryje go chmura i jego córki pójdą do niewoli.
Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan’ i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; Ho voasaron’ ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.
19 Tak wykonam sądy nad Egiptem. I poznają, że ja jestem PANEM.
Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an’ i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
20 W roku jedenastym, w pierwszym miesiącu, siódmego [dnia miesiąca], doszło do mnie słowo PANA mówiące:
Ary tamin’ ny andro fahafito tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
21 Synu człowieczy, złamałem ramię faraona, króla Egiptu, i oto nie będzie ono obwiązane w celu uleczenia ani nie zostanie owinięte bandażami, ani nie będzie związane, by je wzmocnić, aby mogło trzymać miecz.
Ry zanak’ olona, ny sandrin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
22 Dlatego tak mówi Pan BÓG: Oto jestem przeciwko faraonowi, królowi Egiptu, skruszę mu ramiona, zarówno to mocne, jak i to złamane, i wytrącę miecz z jego ręki.
Koa izany no nanaovan’ i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.
23 I rozproszę Egipcjan między narodami, i rozrzucę ich po ziemiach.
Dia haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin’ ny tany samy hafa.
24 Wzmocnię ramiona króla Babilonu i włożę swój miecz w jego ręce, a ramiona faraona złamię i będzie przed nim stękał, jak stęka śmiertelnie zraniony.
Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin’ ny mpanjakan’ i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin’ i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan’ ny voatrabaka izy.
25 Wzmocnię – mówię – ramiona króla Babilonu, a ramiona faraona upadną; i poznają, że ja jestem PANEM, gdy włożę swój miecz w ręce króla Babilonu, aby go wyciągnął na ziemię Egiptu.
Eny, hampahatanjahiko ny sandrin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin’ i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.
26 I rozproszę Egipcjan między narodami, i rozrzucę ich po ziemiach. I poznają, że jestem PANEM.
Dia haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin’ ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

< Ezechiela 30 >