< I Samuela 16 >

1 Tedy rzekł Pan do Samuela: I pókiż ty będziesz żałował Saula, gdyżem go Ja odrzucił, aby nie królował nad Izraelem? Napełnij róg twój oliwą, a pójdź, poślę cię do Isajego Betlehemczyka; bom tam sobie upatrzył między syny jego króla.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an’ i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’ i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ ny zanany Aho.
2 I rzekł Samuel: Jakoż mam iść? Bo usłyszy Saul, i zabije mię. I odpowiedział Pan: Weźmij z sobą jałowicę z stada, i rzeczesz: Przyszedłem, abym ofiarował Panu.
Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren’ i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho.
3 I wezwiesz Isajego na ofiarę, a Ja tobie oznajmię, co masz czynić; i pomażesz mi tego, o którym ci powiem.
Ary antsoy Jese mba ho any amin’ ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
4 I uczynił Samuel, jako mu powiedział Pan, a przyszedł do Betlehem; a ulękłszy się starsi miasta, zabieżeli mu, i mówili: Spokojneli jest przyjście twoje?
Ary Samoela nanao izay nolazain’ i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
5 I rzekł: Spokojne; przyszedłem, abym ofiarował Panu. Poświęćcież się, a pójdźcie ze mną na ofiarę. I poświęcił Isajego, i syny jego, a wezwał ich na ofiarę.
Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ ny fanatitra.
6 A gdy przyszli, ujrzał Elijaba, i rzekł: Zaiste ten jest przed Panem pomazaniec jego.
Ary nony tonga ireo, dia nijery an’ i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr’ i Jehovah tokoa ity eto anatrehany.
7 Lecz rzekł Pan do Samuela: Nie patrz na urodę jego, ani na wysokość wzrostu jego, gdyżem go odrzucił. Albowiem Ja nie patrzę na to, na co patrzy człowiek; bo człowiek patrzy na to, co jest przed oczyma, ale Pan patrzy na serce.
Fa hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ ny olona no fijerin’ i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
8 Zawołał tedy Isaj Abinadaba, i kazał mu iść przed Samuela; który rzekł: I tego nie obrał Pan.
Ary Jese niantso an’ i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah.
9 Potem kazał przyjść Isaj Sammie, a on rzekł: I tego nie obrał Pan.
Ary Jese dia nampandalo an’ i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin’ i Jehovah.
10 Tedy kazał przyjść Isaj siedmiu synom swoim przed Samuela. I rzekł Samuel do Isajego: Nie obrał Pan i tych.
Ary Jese nampandalo fito lahy tamin’ ny zanany teo anatrehan’ i Samoela. Fa hoy Samoela tamin’ i Jese: Tsy nofidin’ i Jehovah ireto.
11 Potem rzekł Samuel do Isajego: Wszyscyż to już synowie? Odpowiedział: Jeszcze został najmłodszy, który pasie owce. Tedy rzekł Samuel do Isajego: Poślijże, a przywiedź go; boć nie usiądziemy, aż on tu przyjdzie.
Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin’ i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
12 A tak posłał i przywiódł go; a on był lisowaty, i wdzięcznych oczu, a piękny na wejrzeniu. Tedy rzekł Pan: Wstań, a pomaż go, boć ten jest.
Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.
13 Wziąwszy tedy Samuel róg z oliwą, pomazał go w pośród braci jego. I został Duch Pański nad Dawidem od onegoż dnia, i na potem. Zatem Samuel wstał, i poszedł do Ramaty.
Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ ny rahalahiny; ary ny Fanahin’ i Jehovah dia nilatsaka tamin’ i Davida hatramin’ iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
14 A Duch Pański odstąpił od Saula, i trwożył go duch zły od Pana.
Fa ny Fanahin’ i Jehovah efa niala tamin’ i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah nampahatahotra azy.
15 I rzekli słudzy Saulowi do niego: Oto teraz Duch Boży zły trwoży cię:
Ary hoy ny mpanompon’ i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra mampahatahotra anao.
16 Niech rozkaże Pan nasz, a słudzy twoi, którzy są przed tobą, poszukają męża, coby umiał grać na harfie, że gdy cię napadnie Duch Boży zły, zagra ręką swą, a ulżyć się.
Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin’ Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin’ ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.
17 Rzekł tedy Saul do sług swoich: Upatrzcie mi proszę męża, coby dobrze grać umiał, a przywiedźcie do mnie.
Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko.
18 I odpowiedział jeden z sług, i rzekł: Otom widział syna Isajego Betlehemczyka, który umie grać, a jest człowiek mężny, i rycerski, i sprawny, i gładki, a Pan jest z nim.
Dia namaly ny anankiray amin’ ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin’ ny zanak’ i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
19 Posłał tedy Saul posły do Isajego, mówiąc: Poślij do mnie Dawida, syna twego, który jest przy stadzie.
Ary Saoly dia naniraka tany amin’ i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
20 Tedy wziąwszy Isaj osła, chleb, i flaszkę wina, wziąwszy i koziołka jednego z stada, posłał przez Dawida, syna swego, Saulowi.
Ary Jese naka mofo tokony ho zakan’ ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak’ osy, ka nampitondrainy an’ i Davida zanany ho an’ i Saoly ireo.
21 A gdy przyszedł Dawid do Saula, stanął przed nim; a rozmiłował się go bardzo, i był u niego za wyrostka broń noszącego.
Ary Davida tonga tany amin’ i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.
22 I posłał Saul do Isajego, mówiąc: Niech stoi proszę Dawid przedemną; bo znalazł łaskę w oczach moich.
Ary Saoly naniraka tany amin’ i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.
23 I bywało, gdy przychodził Duch Boży na Saula, że wziąwszy Dawid harfę, grał ręką swą; tedy Saul miał ulżenie, i lepiej się miał, bo odchodził od niego on duch zły.
Ary raha nisy fanahy avy tany amin’ Andriamanitra tonga tao amin’ i Saoly, dia noraisin’ i Davida ny lokanga ka notendren’ ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.

< I Samuela 16 >