< Matäuj 10 >
1 A LAO kotin molipe penaer japwilim a tounpadak ekriamen ap kotiki on irail manaman, en poedi nen jaut akan, pwen kauj ir wei o kamauiala jon en jomau o luet karoj.
Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra.
2 A iet mar en wanporon ekriamen: Men maj Jimon, me maraneki Petruj, o ri a Andreaj, o lakopuj nain Jepedauj, o ri a loanej;
Ary izao no anaran’ ny Apostoly roa ambin’ ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
3 Pilipuj o Partolomauj, Tomaj o Matauj jaunopwei men, Iakopuj nain Alpauj, Lepauj, me pil adaneki Tadauj;
Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak’ i Alfeo,
4 Jimon men Kana o Iudaj Ijkariot men panala i.
sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
5 Ekriamen pukat, me Iejuj kotin poronela, kotiki on irail kujoned eu majani: Komail der weweid nani al en men liki kan o der pedelon on nan kanim en Jamaria.
Ireo roa ambin’ ny folo lahy ireo dia nirahin’ i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin’ ny lalan’ ny jentilisa, ary aza miakatra amin’ izay tanànan’ ny Samaritana,
6 A kola ren jip akan en jaun Ijrael, me jalonalar
fa aleo mankany amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely.
7 A in omail kokola komail padapadak indada: Wein nan lan korendor.
Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
8 Kakeada me jomau kan, o kamauroda, me melar akan, kamakelekeleda, me tuketuk kan, o kauje wei tewil akan; a duen komail aleer ni tiak en kijakij, iduen komail pan kijakij weita.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9 Komail der wewa kold, de jilper, de mata nan omail ed akan.
Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ ny fehin-kibonareo,
10 Pil der ed en jailok, de jakit riau, de jut, de jokon, pwe toundodok me war on kan a kijin mana.
na kitapom-batsy ho amin’ izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.
11 A ma komail pan pedelon on nan kanim laud de tikitik eu, raparapaki, ma meamen mi lole, me war on; ari, komail pan mondi re a, lao komail pan ko wei jan.
Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.
12 A ma komail pan pedelon on nan im o, komail pan ranamau on tou a kan.
Ary raha vao miditra ao amin’ ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.
13 O ma re war on, omail popol pan ko on irail; a ma re jowar, omail popol pan pure don komail.
Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.
14 A waja kij meamen jota pan kajamo komail, de jota men ron omail padak, komail ari pedoi jan nan im o de kanim, ap jepede jan pwel ni na omail.
Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’ izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ ny tongotrareo.
15 Melel I indai on komail, nan a pan monai on jap en Jodom o Komora ni ran en kadeik o jan kanim o.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma sy Gomora amin’ ny andro fitsarana noho ny ho amin’ izany tanàna izany.
16 Kilan I kadar komail la duete jip akan nan pun en kidi en wel: komail ari lolekon dueta jerpent, a tiak mau dueta muroi.
Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.
17 Perki aramaj, pwe re pan panalan komail kapun kan, o re pan kame komail nan ar jinakoke kan.
Ary mitandrema ianareo noho ny amin’ ny olona; fa hatolony ho amin’ ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ ny synagogany ianareo;
18 O Komail pan wijike won kaun o nanmarki kai pweki nai, pwen kadede on irail, o on men liki kan.
ary ho entiny eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ ny jentilisa.
19 Irail lao panala komail, ede madamadaua duen tiak en omail pan lokaia; pwe a pan ko on komail, ni auer o me komail pan inda.
Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’ izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.
20 Pwe kaidin komail, me lokaia, a Nen en Jam omail, me pan kalokaia komail.
Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
21 A pirien eu, amen pan panala amen, pwen kamela, a jam na jeri, a jeri ko pan u on ar papa o nono, o jauaja, pwe ira on kamela.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.
22 O komail pan tantat ren aramaj karoj pweki ad ai; a me pan dadaurata, lei imwi i me pan dorola.
Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
23 A ma re pan kame komail nan eu kanim, komail ari tanala nan eu. Pwe melel I indai on komail, komail jota pan kanikiala kanim en Ijrael karoj, Nain aramaj lao pwarador?
Ary raha manenjika anareo amin’ ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin’ ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan’ ny Zanak’ olona.
24 Tounpadak jota kin laude jan a jaunpadak, de ladu laude jan a monjap.
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.
25 A itar on tounpadak, en paroki on a jaunpadak o ladu dueta a monjap. Ma re kaadaneki kaun en im o Peeljepup, nan melel kaualap, re pil pan wiai on toun im akan dueta.
Fa ampy amin’ ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
26 Komail ari der majak irail, pwe jota me rir kot, me jo pan janjaleda, o me okiok, me jo pan kadiarokad
Koa amin’ izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
27 Me I indai on komail nan rotorot, i me komail katiti nan marain; o me pan ko on nan jalon omail, i me komail pan kalok jili pon im akan.
Izay lazaiko aminareo ao amin’ ny maizina, dia ambarao eo amin’ ny mazava, ary izay ren’ ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ ny tampon-trano.
28 Komail der majak irail, me kin kemela pali war, ap jota kak on kamela pali nen. A komail majak melel i, me kak on kajopokela pali war o nen nan pweleko. (Geenna )
Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ ny helo. (Geenna )
29 Jiok riamen jota kin netila ni denar eu? Ari jo, jota amen ira pan pupedi nan pwel, ma jota pwilijan Jam omail.
Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ ireny ho latsaka amin’ ny tany, raha tsy avelan’ ny Rainareo.
30 Ari pit en mon? omail karoj me wadawad penaer.
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
31 Komail ari der majak, pwe komail me mau jan jiok toto.
Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
32 Meamen pan ponaja ia mon aramaj, nan i me I pan ponaja ren Jam ai me ketiket, nanlan.
Ary amin’ izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
33 A meamen ponjaja ia mon aramaj nan i me I pil pan ponjaja ren Jam ai, me ketiket nanlan.
Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
34 Eder kiki on, me Ikodon kamuei maula jappa; kaidin muei mau, me I kokido, a kodlaj pot.
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
35 Pwe I kodon kaliak toror pajan aramaj on jam a, o jeripein on in a, a li o on en a paud a nono.
Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ ny rafozanivavy;
36 O pein toun im en aramaj amen pan a imwintiti.
ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony.
37 Me pok on jam de in a lapa jan a pok on ia, nan a jowar ia. O me pok on na putak de jeripein lapa jan a pok on ia, nan a jowar ia.
Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
38 A me jo ale a lopu o idauen ia do, nan a jowar ia.
Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
39 Me pan diar maur, i me pan katia jan, a me kajela maur a pweki nai, i me pan diarada.
Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
40 Meamen kajamo komail, kin kajamo ia, a me kin kajamo ia, nan a kin kajamo i, me kadar ia do.
Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.
41 Meamen kajamo jaukop amen ni mar en jaukop, pan ale pwain en jaukop amen. Me kajamo pun amen ni mar en me pun amen pan ale pwain en me pun amen.
Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ ny olona marina.
42 O meamen pan ki on dal en pil lamelamur eu, pwe amen tikitik pukat en nim, ni mar en tounpadak amen, melel I indai on komail, a jota pan katia jan pwain a.
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ ny kapoaka ihany aza hosotroin’ ny anankiray amin’ ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.