< Matendu 18 >

1 Pa aga, Paulu kawukiti Aseni, kagenda Korintu.
Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto.
2 Aku Korintu, kamwoniti Myawudi yumu wamshema Akula, muntu gwa Pontu. Akula pamuhera na Mdala gwakuwi yawamshema Prisila, wawuyiti kulawa Italiya mashaka galaa aga toziya Kayisari Klawudi kaweriti kalagaliriti Wayawudi woseri wawuki Rumi. Paulu kagenditi kuwalola,
Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin’ izy mivady Paoly.
3 na toziya womberi waweriti wanyawa wa kusona mahema handa yomberi, Paulu katamiti na womberi katenda lihengu.
Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.
4 Kila lishaka lya kwoyera katenditi magambiziyanu mnumba ya Mlungu pakajeriti kukwega Wayawudi na Wagiriki.
Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin’ ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.
5 Pa Sila na Timotewu kusoka kulawa Makedoniya, Paulu kanjiti kutumiya shipindi shakuwi shoseri kwajili ya kubwera, kawalanguziya Wayawudi handa Yesu ndo Kristu.
Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin’ ny teny Paoly ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
6 Pawamkomiti Paulu na kwanja kumwigilanga, yomberi kapunda nguwu zakuwi kulongolu kwawu pakalonga, “Pamwagamira ulamaweni, neni nahera likosa lyoseri kulawirana na shitwatira ashi. Na kwanjira vinu hanuwagenderi wantu yawawera ndiri Wayawudi.”
Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin’ izao sisa izao dia hankany amin’ ny jentilisa aho.
7 Su, kalawa panu kagenda kutama ukaya kwa muntu yumu mguwira Mlungu yawamshema Titu Yustu, mweni kaya yakuwi iweriti pakwegera na numba ya Mlungu ilii.
Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon’ ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin’ ny synagoga.
8 Krispu, mkulu gwa numba ya Mlungu ilii, kamjimiriti Mtuwa yomberi pamuhera na walongu wakuwi woseri. Wakorintu wavuwa waupikiniriti ujumbi awu, wajimira na kubatiziwa.
Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
9 Lishaka limu pashiru, Mtuwa kamgambiriti Paulu mmaonu, “Nagutira, gwendereyi kubwera pota kuwuya kumbeli,
Ary ny Tompo niteny tamin’ i Paoly tamin’ ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangìna;
10 Mana neni napanu pamwera nagwenga. Kwa hera mundu yakajera kukutenda toziya panu palushi pana wantu wavua wauwega waneni.”
fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin’ ity tanàna ity Aho.
11 Su, Paulu katamiti aku pakafunda shisoweru sha Mlungu pakati pawu kwa shipindi sha shinja shimu na nusu.
Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin’ Andriamanitra teo aminy.
12 Kumbiti shipindi Galiu pakaweriti mkulu gwa mkowa gwa Akaya, Wayawudi wambatiti Paulu kwa pamwera na kumjega kumahakama.
Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an’ i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin’ ny fitsarana,
13 Watakula, “Tumsitaki muntu ayu toziya ya kuwasongiziya wantu wamjimiri Mlungu kwa ntambu yawasingana na malagaliru.”
ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin’ Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna.
14 Pamberi hera Paulu keniyanji kutakula, Galiu kawagambiriti Wayawudi, “Mpikinireni mwenga Wayawudi! Handa nakaka shitwatira ashi meshiweri likosa ama ukondola neni menweri kala kuwapikinira.
Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin’ ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo aho;
15 Kumbiti handa lishawuli lya ukakatala kuusu visoweru na matawu na malagaliru genu, mwamuwi maweni. Neni nfira ndiri kuwera mtoza gwa vitwatira avi!”
fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.
16 Su, kawawinga kulawa kumahakama.
Ary nandroaka azy hiala teo anoloan’ ny fitsarana izy.
17 Na womberi woseri wambata Sosteni mweni kaweriti mlongoziya gwa numba ya Mlungu, womberi wamkoma palaa palii palongoru pa shizyungu. Kumbiti Galiu kalishera ndiri shitwatira ashi ata padidini.
Ary izy rehetra nisambotra an’ i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan’ ny fitsarana. Nefa tsy nahoan’ i Galio izany zavatra izany.
18 Paulu kendereyiti kulikala aku Korintu kwa mashaka gatangala. Shakapanu kawagambiriti kwahere, kakwena mtumbwi kagenda Siriya pakawera na Prisila na Akula. Aku Kenkireya, kamogiti viri zakuwi toziya ya kulapa kwakalilapiti.
Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.
19 Wagenditi Efesu na panu Paulu kawalekiti Prisikila na Akula, pakagenda mnumba ya Mlungu, kankulitakuziyana na Wayawudi.
Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin’ ny synagoga ka niady hevitra tamin’ ny Jiosy.
20 Wamluwiti katami nawomberi shipindi shitali nentu, kumbiti kafiriti ndiri.
Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,
21 Su pakaweriti kankuwuka, katakuliti, “Mlungu pakafira hanizi kwamwenga kayi.” Kawuka Efesu kwa meli.
fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon’ Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
22 Yomberi pakasokiti mlushi lwa Kaisariya, yomberi kagenditi Yerusalemu kushilamusiya shipinga sha wantu yawamjimira Yesu, shakapanu kagenditi Antiokiya.
Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.
23 Katama aku katepu hera, shakapanu kendereyiti na mwanja kwa kupitira seemu za Firigiya na Galatiya kankuwatula moyu wafundwa woseri.
Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
24 Myawudi yumu yawamshema Apolu, mwiwuka gwa Alekizandiriya, kiziti Efesu. Kaweriti muntu kana luhala lwa kuyowera na yakawera na marifa makulu ga Malembu Mananagala.
Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin’ ny Soratra Masìna.
25 Kaweriti kafundwa kuusu njira ayi ya Mtuwa na pakawera motumotu, kabweriti na kufunda kwa unakaka showeru sha Yesu tembera kaweriti kapata ubatizu wa Yohani hera.
Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan’ ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin’ i Jesosy, kanefa ny batisan’ i Jaona ihany no fantany.
26 Prisila na Akula pawampikaniriti kankuyowera kwa ugangamala mnumba ya Mlungu, wamtoliti kwawu wamfunda njira ayi ya Mlungu kwa unakaka nentu.
Ary izy niteny tamin’ ny fahasahiana teo amin’ ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ ny lalan’ Andriamanitra.
27 Apolu pakaamuiti kugenda Akaya, walongu walii wampananiti moyu kwa kuwalembera wafundwa kulii Akaya wamyangi. Pakiziti aku, kaweziti kwa utanga wa manemu ga Mlungu, kuwatangitira nentu walongu walii wawapatiti kuwera wajimira,
Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;
28 Toziya kendereyiti kuwakanka Wayawudi paweru pakawalanguziya kwa visoweru vya Malembu Mananagala kuwera Yesu ndo Kristu.
fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ ny olona ka naneho marimarina tamin’ ny Soratra Masìna fa Jesosy no Kristy.

< Matendu 18 >