< روت 2 >

در بیت‌لحم مرد ثروتمندی به نام بوعز زندگی می‌کرد که از بستگان اِلیمِلِک شوهر نعومی بود. 1
Ary nisy havan’ ny vadin’ i Naomy avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
روزی روت به نعومی گفت: «اجازه بده به کشتزارها بروم و در زمین کسی که به من اجازهٔ خوشه‌چینی بدهد خوشه‌هایی را که بعد از درو باقی می‌ماند، جمع کنم.» نعومی گفت: «بسیار خوب دخترم، برو.» 2
Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin’ i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian’ izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.
پس روت به کشتزار رفته، مشغول خوشه‌چینی شد. اتفاقاً کشتزاری که او در آن خوشه می‌چید از آن بوعز، خویشاوند اِلیمِلِک شوهر نعومی بود. 3
Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian’ ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin’ ny tanimbarin’ i Boaza, izay avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, izy.
در این وقت، بوعز از شهر به کشتزار آمد. او به دروگران سلام کرده، گفت: «خداوند با شما باشد.» آنها نیز در جواب گفتند: «خداوند تو را برکت دهد.» 4
Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin’ ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.
سپس بوعز از سرکارگرش پرسید: «این زنی که خوشه می‌چیند کیست؟» 5
Dia hoy Boaza tamin’ ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak’ iza moa io zazavavy io?
او جواب داد: «این همان زن موآبی است که همراه نعومی از موآب آمده است. 6
Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an’ i Naomy avy tany amin’ ny tany Moaba io;
او امروز صبح به اینجا آمد و از من اجازه گرفت تا به دنبال دروگران خوشه بچیند. از صبح تا حالا مشغول خوشه‌چینی است و فقط کمی زیر سایبان استراحت کرده است.» 7
fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian’ ny mpijinja eny anelanelan’ ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin’ ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.
بوعز پیش روت رفت و به او گفت: «گوش کن دخترم، به کشتزار دیگری نرو، همین‌جا با کنیزان من باش و در کشتراز من به دنبال دروگران خوشه‌چینی کن. به کارگرانم دستور داده‌ام که مزاحم تو نشوند. هر وقت تشنه شدی برو و از کوزه‌های آبِ آنها بنوش.» 8
Dia hoy Boaza tamin’ i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan’ ny zatovovavy.
9
Aoka ny masonao ho amin’ ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ ny siny, ka misotroa amin’ izay antsakain’ ny zatovo.
روت رو بر زمین نهاد و از او تشکر کرد و گفت: «چرا با اینکه می‌دانید من یک بیگانه‌ام، مرا مورد لطف خود قرار می‌دهید؟» 10
Dia niondrika sy niankohoka tamin’ ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
بوعز جواب داد: «می‌دانم پس از مرگ شوهرت چقدر به مادر شوهرت محبت کرده‌ای و چگونه به خاطر او پدر و مادر و زادگاه خود را ترک کرده و با وی به اینجا آمده‌ای تا در میان قومی زندگی کنی که آنها را نمی‌شناختی. 11
Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan’ ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin’ ny firenena tsy mbola fantatrao.
خداوند، پاداش این فداکاری تو را بدهد و از سوی یهوه خدای اسرائیل که زیر بالهایش پناه گرفته‌ای، اجر کامل به تو برسد.» 12
Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.
روت در پاسخ وی گفت: «سرور من، شما نسبت به من خیلی لطف دارید. من حتی یکی از کنیزان شما نیز به حساب نمی‌آیم ولی با وجود این با سخنانتان مرا دلداری می‌دهید!» 13
Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin’ ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ ny zatovovavinao aza aho.
وقت نهار، بوعز او را صدا زده، گفت: «بیا غذا بخور.» روت رفت و پیش دروگرها نشست و بوعز خوراکی پیش او گذاشت و روت خورد و سیر شد و از آن خوراکی مقداری نیز باقی ماند. 14
Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
وقتی روت به سرکارش رفت، بوعز به دروگرانش گفت: «بگذارید او هر جا می‌خواهد خوشه جمع کند حتی در میان بافه‌ها، و مزاحم او نشوید. در ضمن عمداً خوشه‌هایی از بافه‌ها بیرون کشیده، بر زمین بریزید تا او آنها را جمع کند.» 15
Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian’ i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan’ ny amboara aza, ka aza maninona azy.
16
Ary asio latsadatsaka avy amin’ ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy.
روت تمام روز در آن کشتزار خوشه‌چینی کرد. غروب، آنچه را که جمع کرده بود کوبید و حدود ده کیلو جو به دست آمد. 17
Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan’ ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.
او آن را با باقیماندهٔ خوراک ظهر برداشته به شهر پیش مادرشوهرش برد. 18
Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan’ ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin’ ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.
نعومی گفت: «دخترم، امروز در کجا خوشه‌چینی کردی؟ خدا به آن کسی که به تو توجه نموده است برکت دهد.» روت همهٔ ماجرا را برای مادرشوهرش تعریف کرد و گفت که نام صاحب کشتزار بوعز است. 19
Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin’ ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran’ ny lehilahy, izay tompon’ ny tanimbary nitsimponako androany
نعومی به عروس خود گفت: «خداوند او را برکت دهد! خداوند به شوهر مرحوم تو احسان نموده و لطف خود را از ما دریغ نداشته است. آن شخص از بستگان نزدیک ماست که می‌تواند ولی ما باشد.» 20
Dia hoy Naomy tamin’ ny vinantonivavy: Hotahin’ i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin’ ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan’ izay mahavotra antsika izy.
روت به مادرشوهرش گفت: «او به من گفت که تا پایان فصل درو می‌توانم در کشتزارش به دنبال دروگرانش خوشه‌چینی کنم.» 21
Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan’ ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.
نعومی گفت: «بله دخترم، بهتر است با کنیزان بوعز خوشه‌چینی کنی. برای تو کشتزار بوعز از هر جای دیگری امن‌تر است.» 22
Ary hoy Naomy tamin’ i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin’ ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.
پس روت تا پایان فصل درو جو و گندم نزد کنیزان بوعز به خوشه‌چینی مشغول شد. او همچنان با مادرشوهرش زندگی می‌کرد. 23
Ary izy tsy nety nisaraka tamin’ ny zatovovavin’ i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin’ ny rafozani-vavy Izy.

< روت 2 >