< امثال 8 >
آیا ندای حکمت را نمیشنوید و به آواز بصیرت گوش نمیدهید؟ | 1 |
Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
حکمت دم دروازههای شهر و سر چهارراهها و جلوی در هر خانهای ایستاده، میگوید: | 2 |
Eo an-tampon’ ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
Eo anilan’ ny vavahady, amin’ ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
«ای مردم، شما را صدا میزنم. | 4 |
Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin’ ny zanak’ olombelona.
ای انسانهای جاهل و نادان به ندای من گوش دهید و زیرکی و فهم کسب کنید. | 5 |
Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
به من گوش دهید، زیرا سخنان من گرانبهاست. من حقیقت و راستی را بیان میکنم و از ناراستی نفرت دارم. | 6 |
Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ ny molotro.
Fa ny marina ihany no holazain’ ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ ny molotro.
سخنان من بر حق است و کسی را گمراه نمیکند. | 8 |
Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
سخنان من برای کسی که گوش شنوا داشته باشد واضح و روشن است. | 9 |
Miharihary avokoa izy, raha amin’ ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ ny efa nahazo fahalalana.
تعلیمی که من میدهم از طلا و نقره گرانبهاتر است. | 10 |
Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
ارزش من از یاقوت بیشتر است و هیچ چیز را نمیتوان با من مقایسه کرد. | 11 |
Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
«من حکمتم و از زیرکی و دانایی و بصیرت برخوردار میباشم. | 12 |
Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava.
اگر کسی خداترس باشد، از بدی نفرت خواهد داشت. من از غرور و تکبر، رفتار و گفتار نادرست متنفرم. | 13 |
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
«منم که هدایت میکنم و فهم و بصیرت میبخشم. به نیروی من پادشاهان سلطنت میکنند و قضات به عدل و انصاف قضاوت مینمایند. | 14 |
Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny;
تمام رهبران و بزرگان جهان به کمک من حکمرانی میکنند. | 16 |
Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany.
«من کسانی را که مرا دوست دارند، دوست میدارم. آنانی که در جستجوی من باشند مرا خواهند یافت. | 17 |
Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
ثروت و حرمت، اموال و موفقیت در اختیار من است. | 18 |
Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
بخششهای من از طلای ناب و نقرهٔ خالص بهتر است. | 19 |
Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
راههای من عدل و حق است. | 20 |
Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina,
ثروت حقیقی از آن کسانی است که مرا دوست دارند، زیرا من خزانههای ایشان را پر میسازم. | 21 |
Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
«در ابتدا، قبل از آفرینش عالم هستی، خداوند مرا با خود داشت. | 22 |
Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany, Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha.
از ازل، پیش از به وجود آمدن جهان، من شکل گرفتم. | 23 |
Izaho notendreny hatramin’ ny fahagola, Eny, hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
قبل از پیدایش اقیانوسها و چشمههای پر آب، | 24 |
Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
قبل از آنکه کوهها و تپهها به وجود آیند، | 25 |
Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
قبل از آنکه خدا زمین و صحراها و حتی خاک را بیافریند من به وجود آمدم. | 26 |
Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ ny vovo-tany ambonin’ izao rehetra izao.
«هنگامی که خدا آسمان را استوار ساخت و افق را بر سطح آبها کشید من آنجا بودم. | 27 |
Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ ny lalina Izy,
وقتی ابرها را در آسمان گسترانید و چشمهها را از اعماق جاری نمود، | 28 |
Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ ny lalina,
وقتی حدود دریاها را تعیین کرد تا آبها از آن تجاوز نکنند و وقتی اساس زمین را بنیاد نهاد، | 29 |
Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,
من نزد او معمار بودم. موجب شادی همیشگی او بودم و در حضورش شادی میکردم. | 30 |
Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
دنیا و انسانهایی که او آفریده بود مایهٔ خوشی من بودند. | 31 |
Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona.
«پس ای جوانان به من گوش دهید، زیرا همهٔ کسانی که از دستورهای من پیروی میکنند سعادتمندند. | 32 |
Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
به نصیحت من گوش کنید؛ عاقل باشید و نصیحت مرا رد نکنید. | 33 |
Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
خوشا به حال کسی که به من گوش دهد و هر روز جلوی در خانهٔ من انتظار مرا بکشد، | 34 |
Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako.
زیرا هر که مرا بیابد حیات را یافته و خداوند را خشنود ساخته است؛ | 35 |
Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah;
اما کسی که مرا از دست بدهد به جانش لطمه میزند، آنانی که از من متنفر باشند مرگ را دوست دارند.» | 36 |
Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.