< ارمیا 38 >

اما شفطیا (پسر متان)، جدلیا (پسر فشحور)، یوکل (پسر شلمیا) و فشحور (پسر ملکیا) شنیدند که من به مردم چنین می‌گفتم: 1
Ary Safatia, zanak’ i Matana, sy Gedalia, zanak’ i Pasora, sy Jokala, zanak’ i Semelia, ary Pasora, zanak’ i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain’ i Jeremia tamin’ ny vahoaka rehetra nanao hoe:
«خداوند می‌فرماید: هر که در شهر بماند با شمشیر و قحطی و بیماری خواهد مرد، ولی هر که تسلیم بابِلی‌ها شود، زنده خواهد ماند. 2
Izao no lazain’ i Jehovah: Izay mitoetra amin’ ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
خداوند فرموده که پادشاه بابِل بی‌گمان اورشلیم را تصرف خواهد کرد!» 3
Izao no lazain’ i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona tokoa ka ho afany.
پس آنها با شنیدن این سخنان، نزد پادشاه رفتند و گفتند: «استدعا می‌کنیم که دستور بفرمایی این شخص را اعدام کنند، چون سخنانش روحیهٔ مردم و این چند سرباز باقی مانده را تضعیف می‌کند. او یک خائن است.» 4
Dia hoy ny mpanapaka tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin’ ity tanàna ity mbamin’ ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan’ ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
صدقیای پادشاه موافقت کرد و گفت: «بسیار خوب، هر طور صلاح می‌دانید، عمل کنید. من نمی‌توانم برخلاف میل شما کاری بکنم!» 5
Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.
پس آنها مرا از زندان بیرون آوردند و با طناب به داخل چاهی که متعلق به شاهزاده ملکیا بود، پایین فرستادند. آن چاه آب نداشت، ولی ته آن پر از گل و لای بود، و من در گل فرو رفتم. 6
Ary naka an’ i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin’ ny lavaka famorian-dranon’ i Malkia, zanak’ andriana, izay tao amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin’ ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin’ ny fotaka Jeremia.
عبدملک حبشی که خواجه سرا و از مقامات مهم دربار بود، شنید که مرا به سیاهچال انداخته‌اند. پس با عجله خود را به دروازهٔ بنیامین رساند، و به پادشاه که در آنجا مردم را به حضور می‌پذیرفت گفت: 7
Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an’ i Jeremia tao amin’ ny lavaka (nipetraka teo amin’ ny vavahadin’ ny Benjamina ny mpanjaka androtr’ iny),
8
dia nivoaka avy tao an-tranon’ ny mpanjaka izy ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe:
«ای سرور من، افراد تو کار ظالمانه‌ای کرده‌اند که ارمیا را در چاه انداخته‌اند. او در آنجا از گرسنگی خواهد مرد، چون در شهر یک تکه نان هم پیدا نمی‌شود.» 9
Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ ity firenena ity tamin’ i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin’ izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
پس پادشاه به عبدملک دستور داد که سی نفر را با خود ببرد و مرا پیش از آنکه بمیرم از چاه بیرون بیاورد. 10
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an’ i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
عبدملک بلافاصله همراه با این افراد به انبار کاخ رفت و از آنجا مقداری پارچه و لباسهای کهنه برداشت. سپس بر سر چاه آمد و آنها را برای من با طناب پایین فرستاد و 11
Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka eo ambanin’ ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin’ ny mahazaka ho ao amin’ ny lavaka izany ho ao amin’ i Jeremia.
به من گفت: «این پارچه‌ها و لباسهای کهنه را زیر بغلت بگذار تا وقتی تو را با طناب بالا می‌کشیم، اذیت نشوی!» وقتی من حاضر شدم، 12
Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin’ i Jeremia: Ataovy eo ambanin’ ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon’ i Jeremia izany;
مرا بیرون کشیدند و به زندان قصر پادشاه بازگرداندند تا همان جا بمانم. 13
ka dia nosintoniny tamin’ ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana izy.
پس از مدتی، صدقیای پادشاه، به دنبال من فرستاد و مرا در محل دروازهٔ سوم خانۀ خدا به حضور خود آورد و به من گفت: «از تو سؤالی دارم و می‌خواهم حقیقت را هر چه که هست، به من بگویی!» 14
Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an’ i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin’ ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
گفتم: «اگر حقیقت را بگویم، مرا خواهی کشت و اگر تو را راهنمایی و نصیحت کنم، گوش نخواهی کرد.» 15
Ary hoy Jeremia tamin’ i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
پس صدقیای پادشاه در نهان برای من قسم خورد و گفت: «به خداوند زنده که به ما حیات بخشیده، سوگند که تو را نخواهم کشت و به دست کسانی که تشنهٔ خونت هستند، نخواهم سپرد!» 16
Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin’ i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan’ ireto olona mitady ny ainao ireto.
آنگاه به صدقیا گفتم: «خداوند، خدای لشکرهای آسمان، خدای اسرائیل فرموده که اگر تسلیم پادشاه بابِل شوی، تو و خانواده‌ات زنده خواهید ماند و این شهر هم به آتش کشیده نخواهد شد؛ 17
Dia hoy Jeremia tamin’ i Zedekia: Izao ary no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin’ ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
ولی اگر تسلیم نشوی، بابِلی‌ها این شهر را تصرف کرده، به آتش خواهند کشید و تو نیز گرفتار خواهی شد!» 18
fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin’ ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.
پادشاه گفت: «من می‌ترسم تسلیم شوم، چون ممکن است بابِلی‌ها مرا به دست یهودیان طرفدار خود، بسپارند. آنگاه معلوم نیست چه بلایی بر سرم خواهند آورد.» 19
Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin’ i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.
جواب دادم: «یقین بدان که تو را به آنها نخواهند سپرد. استدعا می‌کنم که از کلام خداوند اطاعت نمایی. این به نفع توست، چون کشته نخواهی شد. 20
Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin’ i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
اما اگر نخواهی تسلیم شوی، خداوند در رؤیا به من نشان داد 21
Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon’ i Jehovah ahy:
که تمام زنانی که در کاخ سلطنتی باقی مانده‌اند، به دست فرماندهان سپاه بابِل خواهند افتاد. هنگامی که ایشان از کاخ بیرون برده می‌شوند، خواهند گفت:”دوستان نزدیک پادشاه به او خیانت کرده‌اند و در سختیها او را به حال خود رها نموده‌اند!“ 22
Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin’ ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao amin’ ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.
تمام زنان و فرزندانت به دست بابِلی‌ها خواهند افتاد و خود نیز موفق به فرار نخواهی شد و در چنگ پادشاه بابِل گرفتار خواهی گشت و این شهر در آتش خواهد سوخت!» 23
Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin’ ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin’ ny afo.
صدقیا گفت: «مواظب باش کسی از گفتگوی ما اطلاع پیدا نکند تا خطری متوجه جانت نباشد! 24
Dia hoy Zedekia tamin’ i Jeremia: Aoka tsy ho ren’ olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao.
هنگامی که درباریان باخبر شوند که با تو صحبت کرده‌ام، تو را به مرگ تهدید خواهند نمود تا از موضوع گفتگوی ما آگاهی یابند؛ 25
Fa raha ren’ ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin’ ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain’ ny mpanjaka taminao;
ولی به ایشان فقط بگو که به پادشاه التماس کردم که مرا به سیاهچال خانهٔ یوناتان باز نگرداند، چون در آنجا خواهم مرد!» 26
dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan’ ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin’ ny tranon’ i Jonatana.
همان‌طور هم شد. طولی نکشید که تمام بزرگان، نزد من آمدند و پرسیدند که با پادشاه چه گفتگویی داشته‌ام. من نیز همان‌گونه که پادشاه گفته بود، به آنها جواب دادم. ایشان هم نتوانستند کار دیگری بکنند، زیرا کسی سخنان من و پادشاه را نشنیده بود. 27
Ary nankany amin’ i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian’ ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.
به این ترتیب تا روزی که اورشلیم به دست بابِلی‌ها افتاد، در زندان قصر پادشاه ماندم. 28
Ary Jeremia nitoetra teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana mandra-pahatongan’ ny andro nanafahana an’ i Jerosalema.

< ارمیا 38 >