< حِزِقیال 46 >

خداوند یهوه می‌فرماید: «دروازهٔ شرقی حیاط داخلی، شش روز هفته بسته باشد، ولی در روز شَبّات و روزهای اول ماه باز شود. 1
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny vavahadin’ ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin’ ny Sabata sy amin’ ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
حاکم از حیاط بیرونی وارد اتاق بزرگ محوطهٔ دروازه شود و کنار چارچوب دروازه بایستد و در حالی که کاهن، قربانی سوختنی و قربانی سلامتی او را تقدیم می‌کند، در آستانهٔ دروازه عبادت کند، سپس از دروازه خارج شود. دروازه تا غروب باز بماند. 2
Dia hiditra avy any ivelany amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin’ ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin’ ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.
قوم باید در روزهای شَبّات و روزهای اول ماه، جلوی این دروازه خداوند را پرستش نمایند. 3
Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah eo am-bavahady amin’ ny Sabata sy amin’ ny andro voaloham-bolana.
«قربانیهای سوختنی که حاکم در روزهای شَبّات به خداوند تقدیم می‌کند، شش بره بی‌عیب و یک قوچ بی‌عیب باشند. 4
Ary ny fanatitra dorana izay haterin’ ny mpanjaka ho an’ i Jehovah amin’ ny andro Sabata dia zanak’ ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
هدیهٔ آردی که او با هر قوچ تقدیم می‌کند، باید یک ایفه باشد، ولی برای بره‌ها هر مقدار هدیه که بخواهد می‌تواند بدهد. همراه هر ایفه آرد، یک هین روغن زیتون نیز تقدیم کند. 5
Ary ny fanatitra hohanina fanampin’ ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin’ ireo zanak’ ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan’ efaha.
در روز اول ماه، یک گاو جوان بی‌عیب، شش بره و یک قوچ بی‌عیب بیاورد. 6
ary amin’ ny andro voaloham-bolana dia vantotr’ ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak’ ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo.
هدیهٔ آردی که او با هر گاو تقدیم می‌کند باید یک ایفه باشد و برای هر قوچ نیز یک ایفه. ولی برای بره‌ها هر مقدار هدیه که بخواهد می‌تواند بدهد، همراه هر ایفه آرد، یک هین روغن زیتون نیز تقدیم کند. 7
Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr’ ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin’ ny zanak’ ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan’ efaha.
«حاکم باید از راه اتاق بزرگ دروازه داخل شده، از همان راه نیز خارج شود. 8
Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany ary amin’ ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
اما هنگام عیدها، وقتی قوم برای عبادت خداوند می‌آیند، کسانی که از دروازهٔ شمالی وارد خانهٔ خدا می‌شوند باید از دروازهٔ جنوبی خارج شوند و کسانی که از دروازهٔ جنوبی وارد شده‌اند باید از دروازهٔ شمالی بیرون بروند. هیچ‌کس حق ندارد از دروازه‌ای که وارد شده خارج شود، بلکه باید از دروازهٔ مقابل بیرون رود. 9
Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin’ ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin’ ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin’ ilay vavahady nidirany izy, fa amin’ izay tandrifiny ihany no hivoahany
در این عیدها، حاکم باید همراه مردم باشد، وقتی آنها داخل می‌شوند او نیز داخل شود و وقتی خارج می‌شوند او هم خارج شود. 10
Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin’ ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
«بنابراین، در عیدها و جشنهای مقدّس، با هر گاو جوان یک ایفه آرد تقدیم شود و با هر قوچ هم یک ایفه؛ ولی برای بره‌ها هر مقدار که بخواهند می‌توانند هدیه کنند. همراه هر ایفه آرد، یک هین روغن زیتون نیز تقدیم شود. 11
Ary amin’ ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr’ ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin’ ny zanak’ ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran’ ny hina isan-efaha.
هر وقت که حاکم بخواهد هدیهٔ داوطلبانه تقدیم کند، خواه هدیهٔ او قربانی سوختنی باشد و خواه قربانی سلامتی، باید دروازهٔ شرقی حیاط داخلی برایش باز شود تا بتواند قربانیهایش را مثل قربانیهای روز شَبّات تقدیم کند. بعد او باید از همان راه بیرون برود و پشت سر او دروازه بسته شود. 12
Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an’ i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin’ ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
«هر روز صبح باید یک برهٔ یک ساله بی‌عیب، به عنوان قربانی سوختنی به خداوند تقدیم شود. 13
Ary zanak’ ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan’ andro ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
همچنین هر روز صبح هدیهٔ آردی که از یک ششم ایفه آرد نرم و یک سوم هین روغن زیتون تشکیل شده باشد، تقدیم شود. این یک قانون دائمی است که هر روز صبح یک بره و هدیهٔ آردی همراه با روغن زیتون به عنوان قربانی روزانه، به خداوند تقدیم شود.» 14
Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin’ ny efaha sy diloilo ampahatelon’ ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
15
Ary toy izany no anatero ny zanak’ ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.
خداوند یهوه می‌فرماید: «اگر حاکم قطعه زمینی به یکی از پسرانش هدیه کند، آن زمین برای همیشه به او تعلق خواهد داشت. 16
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an’ ny anankiray amin’ ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan’ ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
ولی اگر به یکی از غلامانش زمینی ببخشد، آن غلام فقط می‌تواند آن زمین را تا سال آزادی خود نگه دارد. بعد آن زمین باید به حاکم پس داده شود. دارایی حاکم فقط به پسرانش به ارث می‌رسد. 17
Fa raha manome zavatra avy amin’ ny lovany ho an’ ny anankiray amin’ ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan’ ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin’ ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an’ ny zanany ihany.
حاکم حق ندارد ملک افراد قومم را غصب نماید و ایشان را از میان ملک خودشان بیرون کند. اگر او بخواهد به پسرانش زمینی ببخشد باید از املاک خود بدهد.» 18
Ary tsy haka amin’ ny lovan’ ny vahoaka hampiala azy amin’ ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin’ ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan’ ny oloko hiala amin’ ny zara-taniny.
سپس، آن مرد از دری که کنار دروازه بود، مرا به اتاقهای مقدّس کاهنان که رو به شمال بودند آورد. آنجا در انتهای سمت غربی اتاقها، او جایی را به من نشان داد 19
Dia nentiny niditra tamin’ ny fidirana eo anilan’ ny vavahady aho ho ao amin’ ireo efi-trano masin’ ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin’ ny faran’ ny andrefana.
و گفت: «در اینجا کاهنان گوشت قربانی جرم و قربانی گناه را می‌پزند و با آردی که هدیه می‌شود نان درست می‌کنند. این کارها را در اینجا انجام می‌دهند تا چیزی از این قربانیهای مقدّس به حیاط بیرونی برده نشود و به قوم صدمه‌ای نرسد.» 20
Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan’ ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin’ ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
بار دیگر مرا به حیاط بیرونی آورد و به هر یک از چهار گوشهٔ حیاط برد. در هر گوشهٔ حیاط، اتاق بزرگی به طول بیست متر و عرض پانزده متر دیدم. 21
Dia nentiny nivoaka ho any amin’ ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin’ ny kianja; ary, indro, ao amin’ ny isan-joron’ ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
22
Teny amin’ ny zorony efatra amin’ ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
دور تا دور داخل این اتاق طاقچه‌ای سنگی چسبیده به دیوار با اجاقی در زیر آن قرار داشت که برای طبخ به کار می‌رفت. 23
Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin’ izany rafitra manodidina izany.
او به من گفت: «خادمین خانهٔ خدا قربانیهایی را که قوم تقدیم می‌کنند، در این اتاقها می‌پزند.» 24
Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon’ ny mpahandro, izay fahandroan’ ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin’ ny olona.

< حِزِقیال 46 >