< خروج 30 >

«مذبحی از چوب اقاقیا برای سوزاندن بخور بساز. 1
Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
این مذبح باید به شکل چهارگوش و به طول و عرض نیم متر و بلندی یک متر باشد، و شاخهایش با مذبح یکپارچه باشد. 2
Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
روکش مذبح و شاخهای آن از طلای خالص باشد. قابی دور تا دور آن از طلا درست کن. 3
Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.
در دو طرف مذبح، زیر قاب طلایی، دو حلقه از طلا برای قرار گرفتن چوبها بساز تا با آنها مذبح را حمل کنند. 4
Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin’ ny koronosiny, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran’ ny bao ireo hilanjana azy.
این چوبها باید از درخت اقاقیا تهیه شوند و روکش طلا داشته باشند. 5
Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.
مذبح بخور را بیرون پرده‌ای که روبروی صندوق عهد قرار گرفته بگذار. من در آنجا با تو ملاقات خواهم کرد. 6
Ary apetraho eo anoloan’ ny efitra izay manakona ny fiaran’ ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
هر روز صبح که هارون، روغن داخل چراغها می‌ریزد و آنها را آماده می‌کند، باید بر آن مذبح، بخور خوشبو بسوزاند. 7
Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
هر روز عصر نیز که چراغها را روشن می‌کند باید در حضور خداوند بخور بسوزاند. این عمل باید مرتب نسل اندر نسل انجام شود. 8
ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
بخور غیر مجاز، قربانی سوختنی و هدیهٔ آردی روی آن تقدیم نکنید و هدیهٔ نوشیدنی بر آن نریزید. 9
Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
«هارون باید سالی یکبار با پاشیدن خون قربانی گناه، بر شاخهای مذبح، آن را تقدیس نماید. این عمل باید هر سال مدام نسل اندر نسل انجام شود، چون این مذبح برای خداوند بسیار مقدّس است.» 10
Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ ny ran’ ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby; ho masìna indrindra ho an’ i Jehovah izany.
سپس خداوند به موسی فرمود: 11
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe;
«هر موقع بنی‌اسرائیل را سرشماری می‌کنی هر کسی که شمرده می‌شود، باید برای جان خود به من فدیه دهد تا هنگام سرشماری بلایی بر قوم نازل نشود. 12
Raha maka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’ i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
فدیه‌ای که او باید بپردازد نیم مثقال نقره برحسب مثقال عبادتگاه است که باید به من تقدیم شود. 13
Izao no haloan’ izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masìna (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
تمام افراد بیست ساله و بالاتر باید سرشماری شوند و این هدیه را به من بدهند. 14
Izay rehetra voalamina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah.
کسی که ثروتمند است از این مقدار بیشتر ندهد و آن که فقیر است کمتر ندهد، چون این کفاره را برای جانهای خود به من می‌دهند. 15
Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
پول کفاره را که از بنی‌اسرائیل می‌گیری، برای تعمیر و نگهداری خیمهٔ ملاقات صرف کن. پرداخت این فدیه باعث می‌شود که من به یاد بنی‌اسرائیل باشم و جان ایشان را حفظ کنم.» 16
Ary handray ny vola avotra amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao, ka hataonao amin’ ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
سپس خداوند به موسی فرمود: 17
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
«حوضی از مفرغ با پایه‌ای مفرغین برای شستشو بساز. آن را بین خیمهٔ ملاقات و مذبح بگذار و از آب پر کن. 18
Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
هارون و پسرانش باید دست و پای خود را با این آب بشویند. 19
Ary eo no hanasan’ i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
وقتی آنها می‌خواهند به خیمه ملاقات وارد شوند و نیز وقتی بر مذبح، هدیهٔ مخصوص به من تقدیم می‌کنند، باید با این آب شستشو کنند تا نمیرند. 20
Raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin’ ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah,
آنها باید دستها و پاهای خود را با این آب بشویند و گرنه خواهند مرد. هارون و پسرانش و نسلهای آیندهٔ آنها باید این دستورها را همیشه رعایت کنند.» 21
dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin’ ny taranany fara mandimby.
خداوند به موسی فرمود: 22
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
«این مواد خوشبوی مخصوص را تهیه کن: شش کیلوگرم مُر خالص، سه کیلوگرم دارچین خوشبو، سه کیلوگرم نی معطر، 23
Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak’ izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
شش کیلوگرم سلیخه (که همگی به مثقال عبادتگاه وزن شده‌اند). آنگاه چهار لیتر روغن زیتون روی آنها بریز، 24
sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masìna, ary diloilon’ oliva eran’ ny hina;
و از ترکیب آنها روغن مقدّس مسح درست کن. 25
dia amboary ho diloilo fanosorana masìna izany, ho zavatra aharoharo, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masìna izany.
سپس این روغن را برای مسح خیمهٔ ملاقات، صندوق عهد، 26
Ary hosory amin’ izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran’ ny Vavolombelona,
میز با تمام ظروف آن، چراغدان با تمام وسایل آن، مذبح بخور، 27
sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin’ ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
مذبح هدیهٔ سوختنی و هر چه که متعلق به آن است، حوض و پایه‌های آن به کار ببر. 28
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
آنها را تقدیس کن تا کاملاً مقدّس شوند و هر کسی نتواند به آن دست بزند. 29
Ary hamasino ireo mba ho masìna indrindra; ary ho masìna izay rehetra manendry azy.
با روغنی که درست می‌کنی هارون و پسرانش را مسح نموده، تقدیس کن تا کاهنان من باشند. 30
Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
به بنی‌اسرائیل بگو که این روغن در نسلهای شما روغن مسح مقدّس من خواهد بود. 31
Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masìna ho Ahy hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
نباید این روغن را روی افراد معمولی بریزید و حق ندارید شبیه آن را درست کنید، چون مقدّس است و شما هم باید آن را مقدّس بدانید. 32
Aoka tsy hihosoran’ ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masìna izy ka ho masìna aminareo.
اگر کسی از این روغن درست کند و یا اگر بر شخصی که کاهن نیست بمالد، از میان قوم اسرائیل منقطع خواهد شد.» 33
Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin’ ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
سپس خداوند به موسی فرمود: «برای ساختن بخور از این مواد خوشبو به مقدار مساوی استفاده کن: میعه، اظفار، قنه و کندر خالص. 34
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
با استفاده از روش سازندگان بخور، از ترکیب این مواد خوشبو با نمک، بخور خالص و مقدّس درست کن. 35
Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masìna.
قدری از آن را بکوب و در خیمۀ ملاقات پیش صندوق عهد، جایی که با تو ملاقات می‌کنم بگذار. این بخور کاملاً مقدّس خواهد بود. 36
Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan’ ny Vavolombelona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masìna indrindra ho anareo izany.
هرگز بخوری با این ترکیب برای خود درست نکنید، چون این بخور از آن من است و باید آن را مقدّس بشمارید. 37
Ary ny amin’ ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masìna aminao ho an’ i Jehovah izany.
هر کس بخوری مانند این بخور برای خودش تهیه کند، از میان قوم اسرائیل منقطع خواهد شد.» 38
Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.

< خروج 30 >