< دوم سموئیل 8 >

پس از چندی، باز داوود به فلسطینی‌ها حمله کرده، آنها را شکست داد و مِتِگ‌اَمّاه را از دستشان گرفت. 1
Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin’ i Davida tamin’ ny tanan’ ny Filistina.
داوود همچنین موآبی‌ها را شکست داده، اسیران را به ردیف در کنار هم روی زمین خوابانید؛ سپس از هر سه نفر دو نفر را کشت و یک نفر را زنده نگه داشت. بازماندگان موآبی تابع داوود شده، به او باج و خراج می‌دادند. 2
Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin’ ny tany ireo ary nohariny tamin’ ny kofehy, ka izay indroan’ ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon’ i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
در ضمن داوود نیروهای هددعزر (پسر رحوب)، پادشاه صوبه را در هم شکست، زیرا هددعزر می‌کوشید بار دیگر نواحی کنار رود فرات را به چنگ آورد. 3
Dia resin’ i Davida koa Hadadezera, zanak’ i Rehoba, mpanjakan’ i Zoba, tamin’ izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron’ ny ony Eofrata.
در این جنگ داوود هزار ارابه، هفت هزار سرباز سواره و بیست هزار سرباز پیاده را به اسیری گرفت، بعد صد اسب برای ارابه‌ها نگه داشته، رگ پای بقیهٔ اسبان را قطع کرد. 4
Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany.
او همچنین با بیست و دو هزار سرباز سوری که از دمشق برای کمک به هَدَدعَزَر آمده بودند جنگید و همهٔ آنها را کشت. 5
Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an’ i Hadadezera, mpanjakan’ i Zoba; dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
داوود در دمشق چندین قرارگاه مستقر ساخت و مردم سوریه تابع داوود شده، به او باج و خراج می‌پرداختند. به این ترتیب داوود هر جا می‌رفت، خداوند او را پیروزی می‌بخشید. 6
Ary nametrahan’ i Davida miaramila tany Syria momba an’ i Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
داوود سپرهای طلای سرداران هددعزر را گرفته، به اورشلیم برد. 7
Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ ny mpanompon’ i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.
در ضمن، او از طبح و بیروتای، شهرهای هددعزر، مقدار زیادی مفرغ گرفته، آنها را هم به اورشلیم برد. 8
Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan’ i Hadadezera, no nahazoan’ i Davida mpanjaka babo varahina be dia be.
توعو، پادشاه حمات، وقتی شنید که داوود بر لشکر هددعزر پیروز شده است، 9
Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan’ i Hadadezera rehetra Davida,
پسرش هدورام را فرستاد تا سلام وی را به او برساند و این پیروزی را به او تبریک بگوید، چون هددعزر و توعو با هم دشمن بودند. هدورام هدایایی از طلا و نقره و مفرغ به داوود داد. 10
dia nirahin’ i Toy Jorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon’ i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
داوود، همهٔ این هدایا را با طلا و نقره‌ای که خود از ادومی‌ها، موآبی‌ها، عمونی‌ها، فلسطینی‌ها، عمالیقی‌ها و نیز از هددعزر پادشاه به غنیمت گرفته بود، وقف خداوند کرد. 11
dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin’ ny firenena rehetra izay efa resiny,
12
dia tamin’ i Syria sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin’ i Hadadezera, zanak’ i Rehoba, mpanjakan’ i Zoba.
داوود در درهٔ نمک با هجده هزار سرباز ادومی وارد جنگ شده، آنها را از بین برد. این پیروزی داوود به شهرت او افزود. 13
Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin’ ny Lohasahan-tsira.
سپس داوود در سراسر ادوم، قرارگاهها مستقر کرد و ادومی‌ها تابع او شدند. داوود به هر طرف می‌رفت، خداوند به او پیروزی می‌بخشید. 14
Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon’ i Davida. Ary Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
داوود با عدل و انصاف بر اسرائیل حکومت می‌کرد. 15
Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
فرماندهٔ سپاه او، یوآب (پسر صرویه) و وقایع‌نگار او یهوشافاط (پسر اخیلود) بود. 16
Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
صادوق (پسر اخیطوب) و اخیملک (پسر اَبیّاتار) هر دو کاهن بودند و سرایا کاتب بود. 17
ary Zadoka, zanak’ i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra;
بنایا (پسر یهویاداع) فرماندهٔ محافظین دربار داوود بود. پسران داوود نیز در امور دربار به او کمک می‌کردند. 18
ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak’ i Davida no mpanolo-tsaina.

< دوم سموئیل 8 >