< دوم سموئیل 23 >

داوود پسر یَسا مردی بود که خدا پیروزیهای درخشان نصیبش کرد. او برگزیدهٔ خدای یعقوب و شاعر شیرین سخن اسرائیل بود. این آخرین سخنان داوود است: 1
Ary izao no fara-teny nataon’ i Davida: hoy Davida, zanak’ i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr’ i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin’ ny Isiraely:
روح خداوند به‌وسیلۀ من سخن گفت و کلام او بر زبانم جاری شد. 2
Ny Fanahin’ i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ ny lelako;
خدا که مثل صخره از اسرائیل پشتیبانی می‌کند، به من گفت: «فرمانروایی که با عدل و انصاف حکومت کند و با اطاعت از خدا سلطنت نماید، 3
Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;
همچون روشنایی صبح است به هنگام طلوع آفتاب، مانند صبح بی‌ابر، مانند برقِ سبزه‌های روی زمین پس از بارش باران. 4
Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin’ ny tany noho ny hain’ andro manarakaraka ny ranonorana.
و این خاندان من است که خدا آن را برگزیده است. بله، خدا با من پیمانی همیشگی بسته است. پیمان او پیمانی است محکم که هرگز تغییر نمی‌یابد. او نجات مرا به ثمر خواهد رساند و هر آرزوی مرا برآورده خواهد ساخت. 5
Ary tsy toy izany indrindra amin’ Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin’ ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?
ولی خدانشناسان مثل خارهایی هستند که دور ریخته می‌شوند، هیچ‌کس نمی‌تواند به آنها دست بزند، 6
Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin’ ny tanana izy;
آنها را باید با ابزار آهنی یا نیزه برداشت. عاقبت، همهٔ آنها می‌سوزند و از بین می‌روند.» 7
Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin’ ny afo avokoa amin’ izay itoerany ireny.
داوود سه سردار معروف داشت. اسم اولی یوشیب بَشَبَت اهل تحکمون که به عدینوعصنی معروف بود. او یک بار هشتصد نفر را در یک جنگ کشت. 8
Ary izao no anaran’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben’ ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
دومی، العازار پسر دودو، نوهٔ اخوخی بود. یک روز که فلسطینی‌ها برای جنگ با اسرائیلی‌ها جمع شده بودند، سربازان اسرائیلی پا به فرار گذاشتند، اما العازار به اتفاق داوود با فلسطینی‌ها به مبارزه پرداخت. 9
Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo, zanak’ i Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery teo amin’ i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin’ ny Isiraely;
او آنقدر از سربازان فلسطینی را کشت که دستش خسته شد و از دستهٔ شمشیر جدا نمی‌شد! خداوند پیروزی بزرگی نصیب او کرد. سربازان اسرائیلی فقط برای غارت بازگشتند! 10
dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ ny tànany ka efa niraikitra tamin’ ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin’ izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan’ ny olona azy.
سومی، شمه پسر آجی حراری بود که یک بار طی یکی از حملات فلسطینی‌ها، در حالی که تمام سربازانش فرار کرده بودند، او تنها در وسط یک مزرعهٔ عدس با فلسطینی‌ها جنگیده، آنها را کشت و مزرعه را از دست آنها آزاد ساخت. در آن روز، خداوند پیروزی بزرگی نصیب او کرد. 11
Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak’ i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin’ ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,
12
dia nijanona teo afovoan’ io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
زمانی که داوود در غار عَدُلام به سر می‌برد، و فلسطینی‌های مهاجم در درهٔ رفائیم بودند، سه نفر از سی سردار ارشد سپاه اسرائیل در وقت حصاد پیش داوود رفتند. 13
Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin’ ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin’ i Davida tao amin’ ny zohin’ i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby teo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
داوود آن موقع در پناهگاه خود بود، چون غارتگران فلسطینی شهر بیت‌لحم را اشغال کرده بودند. 14
Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
داوود گفت: «چقدر دلم می‌خواهد از آب چاهی که نزدیک دروازهٔ شهر بیت‌لحم هست، بنوشم!» 15
Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady!
پس، آن سه سردار شجاع قلب اردوی فلسطینی را شکافتند و از آن چاه، آب کشیدند و برای داوود آوردند. اما داوود آن را ننوشید، بلکه آن را چون هدیه به حضور خداوند ریخت، 16
Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tamin’ ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah iny.
و گفت: «نه ای خداوند، من این آب را نمی‌خورم! این آب، خون این سه نفری است که جان خود را به خطر انداختند.» 17
Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.
رهبر سی سردار ارشد داوود، ابیشای برادر یوآب (پسر صرویه) بود. او یک بار به سیصد نفر از نیروی دشمن حمله کرد و به تنهایی با نیزهٔ خود همهٔ آنها را کشت و در بین سی سردار ارشد داوود، صاحب نامی شد؛ ولی شهرت او به پای شهرت سه سردار معروف داوود نمی‌رسید. 18
Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, no lehibe amin’ izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
19
Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.
سرباز معروف دیگری نیز بود به نام بنایا پسر یهویاداع اهل قبصئیل که کارهای متهورانه انجام می‌داد. بنایا، دو سردار معروف موآبی را کشت. او همچنین در یک روز برفی به حفره‌ای داخل شد و شیری را کشت. 20
Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny;
یک بار با یک چوبدستی یک جنگجوی مصری قوی هیکل را از پای درآورد. آن مصری نیزه‌ای در دست داشت و بنایا نیزه را از دست او ربود و وی را با آن نیزه کشت. 21
ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
این بود کارهای بنایا که او را مانند سه سردار ارشد، معروف ساخت. 22
Izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
او از آن سی نفر معروفتر بود، ولی به پای سه سردار ارشد نمی‌رسید. داوود او را به فرماندهی محافظین دربار گماشت. 23
Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.
همچنین عسائیل برادر یوآب یکی از آن سی سردار ارشد به شمار می‌آمد و سایرین عبارت بودند از: الحانان (پسر دودو) اهل بیت‌لحم، شمه اهل حرود، الیقا اهل حرود، حالص اهل فلط، عیرا (پسر عقیش) اهل تقوع، ابیعزر اهل عناتوت، مبونای اهل حوشات، صلمون اهل اخوخ، مهرای اهل نطوفات، حالب (پسر بعنه) اهل نطوفات، ایتای (پسر ریبای) اهل جِبعهٔ بنیامین، بنایا اهل فرعاتون، هدای اهل وادیهای جاعش، ابوعلبون اهل عربات، عزموت اهل بحوریم، الیحبا اهل شعلبون، پسران یاشن، یوناتان، پسر شمه اهل حرار، اخیام (پسر شارر) اهل حرار، الیفلط (پسر احسبای) اهل معکه، الیعام (پسر اخیتوفل) اهل جیلوه، حصرو اهل کرمل، فعرای اهل اربه، یجال (پسر ناتان) اهل صوبه، بانی اهل جاد، صالق اهل عمون، نحرای اهل بئیروت که سلاحدار یوآب (پسر صرویه) بود. عیرا اهل یتر، جارب اهل یتر، اوریا اهل حیت. این سرداران معروف، در مجموع سی و هفت نفر بودند. 24
Asahela, rahalahin’ i Joaba, no anankiray amin’ ny telo-polo, ary Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,
25
Sama Harodita, Elika Harodita,
26
Heleza Paltita, Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta,
27
Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita,
28
Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita,
29
Haleba, zanak’ i Bana Netofatita, Itahy, zanak’ i Ribay, avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina,
30
Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy,
31
Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita,
32
Eliaba Salbonita, tamin’ ny zanak’ i Jasena, Jonatana,
33
Sama Hararita, Ahiama, zanak’ i Sarara Hararita,
34
Elifeleta, zanak’ i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak’ i Ahitofela Gilonita,
35
Hezray Karmelita, Paray Arbita,
36
Jigala, zanak’ i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita,
37
Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,
38
Ira Jitrita, Gareba Jitrita,
39
Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan’ izy rehetra.

< دوم سموئیل 23 >