< اول سموئیل 13 >

شائول سی ساله بود که پادشاه شد و چهل و دو سال بر اسرائیل سلطنت کرد. 1
Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
شائول سه هزار نفر از مردان اسرائیلی را برگزید و از ایشان دو هزار نفر را با خود برداشته، به مخماس و کوه بیت‌ئیل برد و هزار نفر دیگر را نزد پسرش یوناتان در جِبعه واقع در ملک بنیامین گذاشت و بقیه را به خانه‌هایشان فرستاد. 2
Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin’ ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin’ ny tany havoan’ i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin’ i Jonatana tany Gibean’ ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy.
یوناتان به قرارگاه فلسطینی‌ها در جِبَع حمله کرد و افراد آنجا را از پای درآورد و این خبر فوری به گوش فلسطینیان رسید. شائول با نواختن کرنا به سراسر اسرائیل پیغام فرستاد که برای جنگ آماده شوند. 3
Ary Jonatana namely ny miaramilan’ ny Filistina, izay tany Geba, ary ren’ ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin’ ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
وقتی بنی‌اسرائیل شنیدند که شائول به قرارگاه فلسطینی‌ها حمله کرده است و اینکه اسرائیلی‌ها مورد نفرت فلسطینی‌ها قرار گرفته‌اند، در جِلجال نزد شائول گرد آمدند. 4
Dia ren’ ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan’ ny Filistina Saoly, ka dia halan’ ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an’ i Saoly ho any Gilgala.
فلسطینی‌ها لشکر عظیمی که شامل سه هزار ارابه، شش هزار سرباز سواره و عدهٔ بی‌شماری سرباز پیاده بود، فراهم نمودند. آنها در مخماس واقع در سمت شرقی بیت‌آون اردو زدند. 5
Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin’ ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan’ i Betavena.
اسرائیلی‌ها، چون چشمشان به لشکر عظیم دشمن افتاد، روحیهٔ خود را باختند و سعی کردند در غارها و بیشه‌ها، چاهها و حفره‌ها، و در میان صخره‌ها خود را پنهان کنند. 6
Ary nony hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin’ ny kirihitrala sy tany, amin’ ny harambato sy tany amin’ ny fierena ary tany amin’ ny lavaka famorian-drano izy.
بعضی از ایشان نیز از رود اردن گذشته، به سرزمین جاد و جلعاد گریختند. ولی شائول در جلجال ماند و همراهانش از شدت ترس می‌لرزیدند. 7
Ary ny Hebreo sasany dia lasa nita an’ i Jordana nankany amin’ ny tany Gada sy Gileada. Fa Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa toran-kovitra be ihany.
سموئیل به شائول گفته بود که پس از هفت روز می‌آید، ولی از او خبری نبود و سربازان شائول به تدریج پراکنده می‌شدند. 8
Ary niandry hafitoana izy araka ny fotoana nataon’ i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an’ i Saoly.
پس شائول تصمیم گرفت خود، مراسم تقدیم قربانیهای سوختنی و سلامتی را اجرا کند. 9
Ary hoy Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny fanatitra dorana izy.
درست در پایان مراسم تقدیم قربانی سوختنی، سموئیل از راه رسید و شائول به استقبال وی شتافت. 10
Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy Saoly mba hiarahaba azy.
اما سموئیل به او گفت: «این چه کاری بود که کردی؟» شائول پاسخ داد: «چون دیدم سربازان من پراکنده می‌شوند و تو نیز به موقع نمی‌آیی و فلسطینی‌ها هم در مخماس آمادهٔ جنگ هستند، 11
Dia hoy Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin’ ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina,
به خود گفتم که فلسطینی‌ها هر آن ممکن است در جِلجال به ما حمله کنند و من حتی فرصت پیدا نکرده‌ام از خداوند کمک بخواهم. پس مجبور شدم خودم قربانی سوختنی را تقدیم کنم.» 12
dia hoy izaho: Hidina amin’ izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin’ i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana.
سموئیل به شائول گفت: «کار احمقانه‌ای کردی، زیرا از فرمان خداوند، خدایت سرپیچی نمودی. اگر اطاعت می‌کردی خداوند اجازه می‌داد تو و نسل تو همیشه بر اسرائیل سلطنت کنید، 13
Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin’ ny Isiraely ho mandrakizay.
اما اینک سلطنت تو دیگر ادامه نخواهد یافت. خداوند مرد دلخواه خود را پیدا خواهد کرد تا او را رهبر قومش سازد، زیرا فرمان خداوند را نگاه نداشتی.» 14
Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin’ i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah anao ianao.
سموئیل از جلجال به جِبعه که در سرزمین بنیامین بود، رفت. شائول سربازانی را که نزد وی باقی مانده بودند شمرد. تعداد آنها ششصد نفر بود. 15
Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean’ ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.
شائول و یوناتان با این ششصد نفر در جِبعۀ بنیامین اردو زدند. فلسطینی‌ها هنوز در مخماس بودند. 16
Ary raha mbola nitoetra tany Gibean’ ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin’ izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
طولی نکشید که سه دسته از اردوگاه فلسطینی‌ها بیرون آمدند، یک دسته به عُفره که در سرزمین شوعال واقع شده بود رفت، 17
dia nivoaka nanao telo toko ny mpandrava avy teo amin’ ny tobin’ ny Filistina: ny iray toko nizotra tamin’ ny lalana mankany Ofra ho any amin’ ny tany Solala;
دستۀ دیگر به بیت‌حورون شتافت و سومی به طرف مرز بالای درۀ صبوئیم که مشرف به بیابان بود، حرکت کرد. 18
ary ny iray toko nizotra ho any amin’ ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin’ ny lalana mankany amin’ ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zeboïma tandrifin’ ny efitra.
در آن روزها در اسرائیل آهنگری یافت نمی‌شد، چون فلسطینی‌ها می‌ترسیدند عبرانی‌ها برای خود شمشیر و نیزه بسازند، پس اجازه نمی‌دادند پای هیچ آهنگری به اسرائیل برسد. 19
Ary teny amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo.
بنابراین هر وقت اسرائیلی‌ها می‌خواستند گاوآهن، بیل، تبر، و داس خود را تیز کنند آنها را به فلسطین می‌بردند. 20
Ka dia samy nidina ho any amin’ ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fiasàny sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny.
(اجرت تیز کردن گاوآهن و بیل، هشت گرم نقره و اجرت تیز کردن تبر و چنگال سه دندانه و داس، چهار گرم نقره بود.) 21
Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.
به این ترتیب در آن موقع سربازان اسرائیلی شمشیر یا نیزه نداشتند، ولی شائول و یوناتان داشتند. 22
Ary tamin’ ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan’ ny vahoaka rehetra izay eo amin’ i Saoly sy Jonatana; fa tamin’ i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy.
فلسطینی‌ها یک دسته از سربازان خود را اعزام کردند تا از گذرگاه مخماس دفاع کنند. 23
Ary ny avy tao amin’ ny miaramilan’ ny Filistina nivoaka ho ao amin’ ny hadilanana mankany. Mikmasy.

< اول سموئیل 13 >