< اول تواریخ 10 >
فلسطینیها با اسرائیلیها وارد جنگ شدند و آنها را شکست دادند. اسرائیلیها فرار کردند و در دامنهٔ کوه جلبوع تلفات زیادی به جای گذاشتند. | 1 |
Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
فلسطینیها شائول و سه پسر او یوناتان، ابیناداب و ملکیشوع را محاصره کردند و هر سه را کشتند. | 2 |
Ary ny Filistina nanenjika fatratra an’ i Saoly sy ny zanany, ka matin’ ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin’ i Saoly.
عرصه بر شائول تنگ شد و تیراندازان فلسطینی دورش را گرفتند و او را مجروح کردند. | 3 |
Ary mafy ny ady tamin’ i Saoly, dia nifanehatra tamin’ ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.
شائول به محافظ خود گفت: «پیش از اینکه به دست این کافرها بیفتم و رسوا شوم، تو با شمشیر خودت مرا بکش!» ولی آن مرد ترسید این کار را بکند. پس شائول شمشیر خودش را گرفته، خود را بر آن انداخت و مرد. | 4 |
Ka hoy Saoly tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain’ i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
محافظ شائول چون او را مرده دید، او نیز خود را روی شمشیرش انداخت و مرد. | 5 |
Ary rehefa hitan’ ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin’ ny sabany koa izy ka maty.
شائول و سه پسر او با هم مردند و به این ترتیب خاندان سلطنتی شائول برافتاد. | 6 |
Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
وقتی اسرائیلیهای ساکن درهٔ یزرعیل شنیدند که سپاه اسرائیل شکست خورده و شائول و پسرانش کشته شدهاند، شهرهای خود را ترک کردند و گریختند. آنگاه فلسطینیها آمدند و در آن شهرها ساکن شدند. | 7 |
Ary nony hitan’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely teny amin’ ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin’ ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
روز بعد که فلسطینیها برای غارت کشتهشدگان رفتند، جنازهٔ شائول و پسرانش را در کوه جلبوع پیدا کردند. | 8 |
Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ ny faty ny Filistina, dia nahita an’ i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
آنها اسلحهٔ شائول را گرفتند و سر او را از تن جدا کرده، با خود بردند. سپس اسلحه و سر شائول را به سراسر فلسطین فرستادند تا خبر کشته شدن شائول را به بتها و مردم فلسطین برسانند. | 9 |
Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin’ ny sampiny sy ny olona.
آنها اسلحهٔ شائول را در معبد خدایان خود گذاشتند و سرش را به دیوار معبد بت داجون آویختند. | 10 |
Dia napetrany tao an-tranon’ ny andriamaniny ny fiadian’ i Saoly, ary nohomboany teo amin’ ny tempolin’ i Dagona ny lohany.
وقتی ساکنان یابیش جلعاد شنیدند که فلسطینیها چه بلایی بر سر شائول آوردهاند، | 11 |
Ary nony ren’ ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon’ ny Filistina tamin’ i Saoly,
مردان دلاور خود را فرستادند و ایشان جنازهٔ شائول و سه پسر او را به یابیش جلعاد آوردند و آنها را زیر درخت بلوط به خاک سپردند و یک هفته برای ایشان روزه گرفتند. | 12 |
dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin’ ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.
مرگ شائول به سبب نافرمانی از خداوند و مشورت با احضارکنندهٔ ارواح بود. | 13 |
Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin’ i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’ i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin’ izay nanao azy ho tsindrian-javatra
او از خداوند هدایت نخواست و خداوند هم او را نابود کرد و سلطنتش را به داوود پسر یَسا داد. | 14 |
ary noho ny tsy nanontaniany tamin’ i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an’ i Davida, zanak’ i Jese, ny fanjakana.