< ارمیا 52 >
صدقیا بیست و یکساله بود که آغازسلطنت نمود و یازده سال در اورشلیم پادشاهی کرد و اسم مادرش حمیطل دختر ارمیااز لبنه بود. | ۱ 1 |
Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia avy any Libna.
و آنچه در نظر خداوند ناپسند بودموافق هرآنچه یهویاقیم کرده بود، بعمل آورد. | ۲ 2 |
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon’ i Joiakima.
زیرا بهسبب غضبی که خداوند بر اورشلیم ویهودا داشت به حدی که آنها را از نظر خودانداخت واقع شد که صدقیا بر پادشاه بابل عاصی گشت. | ۳ 3 |
Fa ny fahatezeran’ i Jehovah no nahatongavan’ izany tamin’ i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Babylona.
و واقع شد که نبوکدرصر پادشاه بابل باتمامی لشکر خود در روز دهم ماه دهم سال نهم سلطنت خویش بر اورشلیم برآمد و در مقابل آن اردو زده، سنگری گرداگردش بنا نمودند. | ۴ 4 |
Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’ i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
وشهر تا سال یازدهم صدقیا پادشاه در محاصره بود. | ۵ 5 |
Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin’ ny fahiraika ambin’ ny folo taona nanjakan’ i Zedekia mpanjaka.
و در روز نهم ماه چهارم قحطی در شهرچنان سخت شد که برای اهل زمین نان نبود. | ۶ 6 |
Ary tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an’ ny olona tompon-tany.
پس در شهر رخنهای ساختند و تمام مردان جنگی درشب از راه دروازهای که در میان دو حصار نزد باغ پادشاه بود فرار کردند. و کلدانیان شهر را احاطه نموده بودند. و ایشان به راه عربه رفتند. | ۷ 7 |
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady tanelanelan’ ny manda roa, izay eo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay.
و لشکرکلدانیان پادشاه را تعاقب نموده، در بیابان اریحا به صدقیا رسیدند و تمامی لشکرش از او پراکنده شدند. | ۸ 8 |
Ary ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an’ i Zedekia teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
پس پادشاه را گرفته، او را نزد پادشاه بابل به ربله در زمین حمات آوردند و او بر وی فتوی داد. | ۹ 9 |
Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
و پادشاه بابل پسران صدقیا را پیش رویش به قتل رسانید و جمیع سروران یهودا را نیز درربله کشت. | ۱۰ 10 |
Ary ny mpanjakan’ i Babylona namono ny zanakalahin’ i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
و چشمان صدقیا را کور کرده، او رابدو زنجیر بست. و پادشاه بابل او را به بابل برده، وی را تا روز وفاتش در زندان انداخت. | ۱۱ 11 |
Ary nopotsiriny ny mason’ i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
و در روز دهم ماه پنجم از سال نوزدهم سلطنت نبوکدرصر ملک پادشاه بابل، نبوزردان رئیس جلادان که به حضور پادشاه بابل میایستادبه اورشلیم آمد. | ۱۲ 12 |
Ary tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahasivy ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, mpanompon’ ny mpanjakan’ i Babylona,
و خانه خداوند و خانه پادشاه را سوزانید و همه خانه های اورشلیم و هر خانه بزرگ را به آتش سوزانید. | ۱۳ 13 |
ka nandoro ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
و تمامی لشکرکلدانیان که همراه رئیس جلادان بودند تمامی حصارهای اورشلیم را بهر طرف منهدم ساختند. | ۱۴ 14 |
Ary ny manda rehetra manodidina an’ i Jerosalema dia noravan’ ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben’ ny mpiambina.
و نبوزردان رئیس جلادان بعضی از فقیران خلق و بقیه قوم را که در شهر باقیمانده بودند وخارجین را که بطرف پادشاه بابل شده بودند و بقیه جمعیت را به اسیری برد. | ۱۵ 15 |
Ary ny sasany tamin’ ny olona malahelo mbamin’ ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan’ i Babylona mbamin’ ny vahoaka maro be sisa dia nentin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo avokoa.
امانبوزردان رئیس جلادان بعضی از مسکینان زمین را برای باغبانی وفلاحی واگذاشت. | ۱۶ 16 |
Nefa ny olona malahelo dia namelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
و کلدانیان ستونهای برنجینی که در خانه خداوند بود و پایهها ودریاچه برنجینی که در خانه خداوند بود، شکستند و تمامی برنج آنها را به بابل بردند. | ۱۷ 17 |
Ary ireo andry varahina teo amin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia novakivakin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.
ودیگها و خاکندازها و گلگیرها و کاسهها و قاشقهاو تمامی اسباب برنجینی را که به آنها خدمت می کردند بردند. | ۱۸ 18 |
Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin’ ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
و رئیس جلادان پیالهها ومجمرها و کاسهها و دیگها و شمعدانها و قاشقهاو لگنها را یعنی طلای آنچه را که از طلا بود ونقره آنچه را که از نقره بود برد. | ۱۹ 19 |
Ary nentin’ ny lehiben’ ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin’ ny lehiben’ ny mpanapaka avokoa,
اما دو ستون ویک دریاچه و دوازده گاو برنجینی را که زیرپایهها بود و سلیمان پادشاه آنها را برای خانه خداوند ساخته بود. برنج همه این اسباب بیاندازه بود. | ۲۰ 20 |
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin’ ny folo, Izay teo ambanin’ ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon’ i Solomona mpanjaka ho an’ ny tranon’ i Jehovah; ny varahina tamin’ izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
و اما ستونها، بلندی یکستون هجده ذراع و ریسمان دوازده ذراعی آنها رااحاطه داشت و حجم آن چهار انگشت بود و تهی بود. | ۲۱ 21 |
Fa ny andry, dia valo ambin’ ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin’ ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
و تاج برنجین بر سرش و بلندی یکتاج پنج ذراع بود. و شبکه وانارها گرداگرد تاج همه ازبرنج بود. و ستون دوم مثل اینها و انارها داشت. | ۲۲ 22 |
Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon’ ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
و بهر طرف نود و شش انار بود. و تمام انارها به اطراف شبکه یکصد بود. | ۲۳ 23 |
Ary nisy ampongabendanitra enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.
و رئیس جلادان، سرایا رئیس کهنه، و صفنیای کاهن دوم و سه مستحفظ در را گرفت. | ۲۴ 24 |
Ary ny lehiben’ ny mpiambina nisambotra an’ i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary mpiandry varavarana telo lahy;
و سرداری را که برمردان جنگی گماشته شده بود و هفت نفر از آنانی را که روی پادشاه را میدیدند و در شهر یافت شدند و کاتب سردار لشکر را که اهل ولایت راسان میدید و شصت نفر از اهل زمین را که درشهر یافت شدند، از شهر گرفت. | ۲۵ 25 |
ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin’ izay mpitoetra eo anatrehan’ ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin’ ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
و نبوزردان رئیس جلادان ایشان را برداشته، نزد پادشاه بابل به ربله برد. | ۲۶ 26 |
dia nosamborin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla.
و پادشاه بابل ایشان را در ربله درزمین حمات زده، به قتل رسانید پس یهودا ازولایت خود به اسیری رفتند. | ۲۷ 27 |
Dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ ny taniny.
و این است گروهی که نبوکدرصر به اسیری برد. در سال هفتم سه هزار و بیست و سه نفر از یهود را. | ۲۸ 28 |
Izao no olona izay nentin’ i Nebokadnezara ho babo tamin’ ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;
و در سال هجدهم نبوکدرصر هشتصد و سی و دو نفر ازاورشلیم به اسیری برد. | ۲۹ 29 |
tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
و در سال بیست و سوم نبوکدرصر نبوزردان رئیس جلادان هفتصد وچهل و پنج نفر از یهودا را به اسیری برد. پس جمله کسان چهار هزار و ششصد نفربودند. | ۳۰ 30 |
tamin’ ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan’ i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin’ izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
و در روز بیست و پنجم ماه دوازدهم ازسال سی و هفتم اسیری یهویاقیم پادشاه یهوداواقع شد که اویل مرودک پادشاه بابل در سال اول سلطنت خود سر یهویاقیم پادشاه یهودا را اززندان برافراشت. | ۳۱ 31 |
Ary tamin’ ny andro fahadimy amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona vao nanjakan’ i Evila-merodaka, mpanjakan’ i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan’ ny Joda.
و با او سخنان دلاویز گفت وکرسی او را بالاتر از کرسیهای سایر پادشاهانی که با او در بابل بودند گذاشت. | ۳۲ 32 |
Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan’ ireo mpanjaka namany tao Babylona.
و لباس زندانی او راتبدیل نمود و او در تمامی روزهای عمرش همیشه نزد وی نان میخورد. | ۳۳ 33 |
Ka dia novan’ i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ ny andro niainany rehetra.
و برای معیشت او وظیفه دایمی یعنی قسمت هر روز در روزش در تمام ایام عمرش تا روز وفاتش از جانب پادشاه بابل به او داده میشد. | ۳۴ 34 |
Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan’ andro isan’ andro tamin’ ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.