< اشعیا 16 >
برهها را که خراج حاکم زمین است ازسالع بسوی بیابان به کوه دختر صهیون بفرستید. | ۱ 1 |
Atero ny zanak’ ondrin’ ny mpanapaka ny tany, dia miala an’ i Sela ka mamaky ny efitra hatramin’ ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy.
و دختران موآب مثل مرغان آواره ومانند آشیانه ترک شده نزد معبرهای ارنون خواهند شد. | ۲ 2 |
Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin’ ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin’ i Moaba ao amin’ ny fitàna any Arnona.
مشورت بدهید و انصاف را بجاآورید، و سایه خود را در وقت ظهر مثل شب بگردان. رانده شدگان را پنهان کن و فراریان راتسلیم منما. | ۳ 3 |
Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
ای موآب بگذار که رانده شدگان من نزد تو ماوا گزینند. و برای ایشان از روی تاراج کننده پناه گاه باش. زیرا ظالم نابود میشود وتاراج کننده تمام میگردد و ستمکار از زمین تلف خواهد شد. | ۴ 4 |
Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren’ i Moaba ianao, mba tsy ho azon’ ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin’ ny tany intsony ny mpanosihosy.
و کرسی به رحمت استوار خواهدگشت و کسی به راستی بر آن در خیمه داودخواهد نشست که داوری کند و انصاف را بطلبد وبه جهت عدالت تعجیل نماید. | ۵ 5 |
Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ ny fahamarinana ao an-dain’ i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
غرور موآب و بسیاری تکبر و خیلاء و کبر وخشم او را شنیدیم و فخر او باطل است. | ۶ 6 |
Efa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
بدین سبب موآب به جهت موآب ولوله میکند وتمامی ایشان ولوله مینمایند. به جهت بنیادهای قیر حارست ناله میکنید زیرا که بالکل مضروب میشود. | ۷ 7 |
Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok’ i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.
زیرا که مزرعه های حشبون و موهای سبمه پژمرده شد و سروران امتها تاکهایش راشکستند. آنها تا به یعزیر رسیده بود و در بیابان پراکنده میشد و شاخه هایش منتشر شده، از دریامی گذشت. | ۸ 8 |
Fa malazo avokoa ny sahan’ i Hesbona sy ny voalobok’ i Sibma, norantsanan’ ny andrian’ ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.
بنابراین برای مو سبمه به گریه یعزیرخواهم گریست. ای حشبون و العاله شما را بااشکهای خود سیراب خواهم ساخت زیرا که برمیوهها و انگورهایت گلبانگ افتاده است. | ۹ 9 |
Koa izany no hitomaniako ny voalobok’ i Sibma, toy ny fitomanian’ i Jazera, handena anao amin’ ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin’ ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.
شادی و ابتهاج از بستانها برداشته شد و در تاکستانها ترنم و آواز شادمانی نخواهد بود وکسی شراب را در چرخشتها پایمال نمی کند. صدای شادمانی را خاموش گردانیدم. | ۱۰ 10 |
Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin’ ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin’ ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin’ ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin’ ny fararano.
لهذااحشای من مثل بربط به جهت موآب صدا میزندو بطن من برای قیر حارس. | ۱۱ 11 |
Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin’ i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin’ i Kira-haresa.
و هنگامی که موآب در مکان بلند خود حاضر شده، خویشتن را خسته کند و به مکان مقدس خود برای دعابیاید کامیاب نخواهد شد. | ۱۲ 12 |
Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin’ ny fitoerana avo. Ary mankao amin’ ny fitoerany masìna mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
این است کلامی که خداوند درباره موآب از زمان قدیم گفته است. | ۱۳ 13 |
Izany no tenin’ i Jehovah nataony fahiny ny amin’ i Moaba.
اما الان خداوند تکلم نموده، میگوید که بعد از سه سال مثل سالهای مزدور جلال موآب با تمامی جماعت کثیر اومحقر خواهد شد و بقیه آن بسیار کم و بیقوت خواهند گردید. | ۱۴ 14 |
Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin’ ny telo taona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’ i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.